10/06/2026
😴 MATORY TSARA VE IANAO?
Maro amintsika no mihevitra fa zavatra tsotra ny torimaso. Kanefa, ny tsy fahampian-torimaso dia mety hiteraka harerahana maharitra, fahasosorana, fiakaran'ny tosidrà, ary fihenan'ny hery fiarovan'ny vatana.
✅ Olon-dehibe: mila torimaso 7 ka hatramin'ny 9 ora isan'alina.
✅ Ankizy: mila torimaso lava kokoa mba hitomboany sy hianarany tsara.
Torohevitra kely:
🌙 Ahena ny fampiasana finday alohan'ny hatory.
🌙 Miezaha hatory sy hifoha amin'ny ora mitovy isan'andro.
🌙 Fadio ny kafe sy dite be loatra amin'ny hariva.
Ny torimaso tsara dia tsy rendrarendra fa anisan'ny fikarakarana ny fahasalamana.
💙 Ny fahasalamanao no harenantsika.
Clinique Médico-chirurgicale Ste Elisabeth de Hongrie Ankatafahely Ambanja