28/08/2026
📊 FANATSARANA NY KALITAOAN’NY ANGON-DRAKITRA ARA-PAHASALAMANA ETO ANDROY
🤝 Ao anatin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisitera misahana ny Fahasalamam-Bahoaka, amin’ny alalan’ny DRSP Androy, sy ny ONG Palladium, amin’ny alalan’ny tetikasa DATAFI, dia mitohy ny fanamafisana ny rafitra fanamarinana sy fanatsarana ny kalitaon’ny angon-drakitra ara-pahasalamana eny anivon’ireo SDSP eto amin’ny Faritra Androy.
📍 Taorian’ny fidinana ifotony natao tany amin’ny SDSP Bekily sy SDSP Tsihombe, dia nitohy tany amin’ny SDSP Beloha ny hetsika, indrindra amin’ny fanamafisana sy famelomana indray ny asan’ny Komity Mpanamarina ny Angon-drakitra (Comité de Validation des Données).
🔄 Hitohy amin’ireo SDSP rehetra manerana ny Faritra Androy izany hetsika izany.
🎯 Tanjona:
• Hanatsara ny kalitao sy ny fahamarinan’ny angon-drakitra ara-pahasalamana;
• Hanamafy ny rafitra fanamarinana sy fanaraha-maso ny angon-drakitra;
• Hampiroborobo ny fampiasana angon-drakitra azo itokisana ho fototry ny fandraisana fanapahan-kevitra.
💪 Angon-drakitra marina sy azo itokisana, fototra iray lehibe amin’ny fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana eto Androy.