01/04/2026
🚫 FITONDRANA VOHOKA TELOVOLANA VOALOHANY ( 1er trimestre) : MITANDREMA amin’ny fanafody ! 🤰
Na fanafody tsotra aza dia mety hiteraka fahaverezan-jaza na fahasembanan'ny zaza ao an-kibo 😨
❌ Tsy azo raisina mihitsy :
– Ibuprofène, Diclofénac, Kétoprofène → ❗ mety hiteraka fahaverezan-jaza
– Misoprostol → ❗ mampiteraka fahaverezan-jaza
– Valproate, Carbamazépine → ❗ manimba ny atidohan’ny zaza
– Doxycycline, Tétracycline →manimba ny nifin'ny zaza sy ny taolany
⚠️ Tokony hotandremana tsara :
– Aspirine → ⚠️ mety hampandeha rà (raha tsy voatendrin’ny dokotera amin’ny fatra ambany)
– Tramadol, Codéine → ⚠️ olana amin’ny fifohana rivotra ho an’ny zaza
– Diazépam → ⚠️ mety hisy fiantraikany amin’ny ati-doha
– Pseudoéphédrine (aretin’ny sery) → ⚠️ mety hisy fiantraikany amin’ny lalan-drà
– Métronidazole → ⚠️ raha tena ilaina ihany
– Tambavy → ⚠️ raha tsy mitandrina dia mety hahasampona zaza na hahafa-jaza
👉 FITSIPIKA VOLAMENA : AZA MANAO DOKOTERA TENA (automédication)
👩⚕️ Mangataha torohevitra amin’ny mpiasan’ny fahasalamana foana
💬 Zarao mba hiarovana ny reny sy ny zaza ❤️