soins à domicile

soins à domicile "....hametra-tanana ny marary IZY Dia ho sitrana ireny".❤️ Mark .16:18

04/05/2026

🤔Tena miova ve ny humeur ny vehivavy mandritra ny fadim-bolana?

🌸Manasa antsika rehetra hazoto hamaky hatramin’ny farany indray ary🙏.

🌸Ny valiny dia Eny, tena miovaova tanteraka

🌸Tsy hoe be fihetsika sy mila vaniny fotsiny akory ny vehivavy fa matetika ny vokatry ny variations hormonales ilay izy.

🌸Ireto indray ny mety fiovaovan’ny humeur ny vehivavy mandritran’ny fadim-bolana:

✅1. PHASE MENSTRUELLE🩸🩸: mi-chutter daholo ny hormone eto : ny oestrogène, ny progesterone. Izy io dia matetika maharitra iray ka hatramin’ny 5 andro.

⚡️Mety maharary🤕, mahatsiaro reraka 😫ary matetika dia tsy te ahita an’iza an’iza ny vehivavy @ io fotoana io.

⚡️Eto moa izany ilay mila attentif tsara ny manodidina satria mety mora tezitra be ny vehivavy. Ohatra : ne la contrarie pas si tu ne veux pas une troisième guerre mondiale, elle a toujours raison @ io période🙄,…

⚡️Ny tena tsara moa zany eto dia ny manao repos, ilaina ny compréhension ny manodidina.

⚡️Any Espagne moa dia afaka mahazo karazana congé na arrêt maladie ny vehivavy rehefa @ vanim-potoanan’ny fadim-bolana.

✅2. NY PHASE FOLLICULAIRE (Fotoana mampiakatra ny hormones) : manomboka ny fahataperan’ny fadim-bolana ka hatramin'ny ovulation (6 à 7 jours)

⚡️Miakatra ny hormones oestrogènes

⚡️Manomboka miakatra tsimoramora ny libido ary mahatsiaro ho velombelona, falifaly.

⚡️Lasa sociable be, mifantoka be rehefa misy zavatra atao

✅3. NY PHASE OVULATOIRE 🥰: au maximum ny hormone eto

⚡️Lasa joyeuse be mihitsy, rayonnante, te hanao manjamanja foana (adiny roa tsy miala eo @ fitaratra)

⚡️Au maximum ny libido eto

⚡️Matetika dia izay angatahin’ny ramose eto dia ok daholo🥰 (eto zany nareo raha mba te hiantahanta ry zalah🤣)

⚡️Misy moa no tena manao achat impulsif mihitsy @ io période io : eto no tsy ifankahitana ny JP 👢👜👒@ vente en ligne ho an’ny sasany😅

✅4. NY PHASE LUTEALE 🥹: manomboka midina ny tahan’ny hormones

⚡️Amin'io fotoana io dia mety ho tony kokoa ny vehivavy, na hahatsapa ho reraka sy ketraka.

✅5. NY SYNDROME PRÉMENSTRUEL 😣:

⚡️Andro vitsy mialoha ny fadim-bolana.

⚡️Mety ho Rasoherina😡 kely mitsy izy eto (mila hendry kely daholo zany ny ao antrano @ io période io😄)

⚡️Manaintaina ny nono, aretin'andoha, reraka ara-tsaina, kivikivy.

⚡️Indraindray dia somary mafimafy kokoa ka mety hanao ny antsoina hoe « trouble dysphorique prémenstruel » ilay vehivavy. Mila mitandrina tsara satria mety ho lasa lavitra dia mety hiteraka idées suicidaire mihitsy.

🌸Izay fa dia mirary soa ho antsika rehetra indray @ ity fanombohan’ny herinandro ity.

🌸Mety misy tsy voateny ny sasany, fa dia mba manasa anareo mba hizara ho anay 😄

Dr Tafita Ambinintsoa

26/04/2026

N'hésitez pas de nous contacter 📞

Address

Ambohimanarina
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when soins à domicile posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share