20/04/2026
‼️⚠️ MIBOTSINA SY MISY RIVOTRA MATETIKA VE NY KIBONAO? ⚠️‼️
👉 TSY NORMAL IZANY…
👉 BETSAKA NO MIJALY AMIN’IZANY NEFA MIHEVITRA FA NORMAL IZANY 😶
👉 MATETIKA DIA AVY AMIN’NY TSY FAHALEVONAN-KANINA ILAY IZY
❌ Mivonto ny kibo matetika ?
❌ Misy rivotra be ? 💨
❌ Mavesatra aorian’ny sakafo ? 😴
❌ Misy fanaintainana kely ao an-kibo ?
👉 Raha ENY…
tsy mandeha tsara ny fandevonakaninao ⛔️
👉 Ary tsy resaka “sakafo tsy mety” fotsiny izany…
👉 Fa rafitra ao anaty vatana mihitsy no mikorontana 😶
🧠 NY ZAVA-MISY TSY LAZAIN’NY OLONA :
👉 Ny fandevonakanina dia manomboka EFA AO AM-BAVA
👉 ary mitohy ao amin’ny vavony + tsinay
👉 Raha misy dingana tapaka…
⛔️ Mikorontana ny rafitra rehetra
🔥 IRETO NO FAHADISOANA ATAONAO ISAN’ANDRO :
1 - 🍽️ MISAKAFO HAINGANA LOATRA (TSY MITSAKO)
👉 Tsy vitan’ny hoe fahazarana ratsy…
👉 fa manakana ny fandevonakanina mivantana
❌ Lasa tsy ampy ny “amylase” handevona ilay sakafo (enzyme ao anaty rora)
❌ Tsy voaomana ny sakafo hiditra ao an-kibo
👉 Vokany :
⛔️ Mavesatra vavony
⛔️ Mivonto + rivotra
2 - 🍗 BE LOATRA ILAY SAKAFO HOANINA INDRAY MANDEHA
👉 Ny vavony = tsy natao ho feno be tampoka
👉 Rehefa feno loatra :
❌ Miadana ny famokarana acide gastrique
❌ Mijanona ela ny sakafo
👉 Ary eo no mitranga :
🔥 "fermentation"
💨 rivotra
😖 tsy fahazoana aina
3 - 🥤 MISOTRO RANO BE MANDRITRA NY SAKAFO
👉 Ity no fahadisoana matetika mpitranga indrindra 😶
👉 Ny acide gastrique no “mandevona” sakafo
👉 Fa rehefa asiana rano be :
❌ Mihena ny heriny
❌ Tsy levona tsara ny protéine
👉 Vokany :
⛔️ Mavesatra ny kibo + reraka aorian’ny sakafo
4 - 🍟 SAKAFO BE MENAKA SY NENDASINA IMBETSAKA
👉 Miadana ny fandevonana azy
👉 Ny menaka (lipides) dia mila fotoana lava kokoa ny fandevonana azy
👉 Raha be loatra :
⛔️ Mijanona ela ao amin’ny vavony
⛔️ Miteraka “ballonnement” na rivotra
5 - 😤 STRESS SY SAINA TSY MILAMINA
❌ Mikatona ny fandevonakanina
👉 Rehefa "stressé" ianao :
👉 Miasa ny “système nerveux sympathique” (mode survie)
👉 Ary ny vatana :
⛔️ Manakatona ny rafitra fandevonakanina
⛔️ Manome priorité ny “survie” fa tsy digestion
👉 Vokany :
😶 Tsy mahalevonkanina tsara
📉 REHEFA MAHARITRA IZANY :
❌ Tsy voaray tsara ny otrikaina
❌ Mihena ny hery 😴
❌ Mety hitarika aretina tsinay tsikelikely ⛔️
👉 Ary mbola ratsy kokoa…
👉 BETSAKA NO MIHEVITRA FA NORMAL IZANY 😶
‼️🍽️ INONA NO TOKONY ATAO ?
✔️ Mitsako tsara (20–30 fois isaky ny iray ambava)
✔️ Mihinana miadana, milamina 🧘♂️
✔️ Aza misotro rano be mandritra ny sakafo
✔️ Ahenao ny sakafo nendasina
✔️ Mihinàna amin’ny ora mitovy isan’andro
💡 TSAROVY :
👉 “Tsy ny sakafo ihany no mamaritra ny fahasalamana…
fa ny fomba andevonan’ny vatanao azy” 🧡
💬 FANONTANIANA :
👉 Inona amin’ireo no hitanao fa ataonao matetika ? 😅
💡 Raha misy olona ao amin’ny fianakavianao na namanao
mijaly amin’ny “resaka fandevonakanina” ❤️
👉 ZARAO RAHA MISY OLONA TOKONY HAHAFANTATRA IZANY
— satria fahazarana kely ovaina androany
= fahasalamana lehibe rahampitso 🧡