π™†π™€π™‡π˜Ό π“œπ’‚π’ˆπ’π’†π’‡π’‚

π™†π™€π™‡π˜Ό π“œπ’‚π’ˆπ’π’†π’‡π’‚ Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from π™†π™€π™‡π˜Ό π“œπ’‚π’ˆπ’π’†π’‡π’‚, Itaosy, Antananarivo.

β™‘β˜žπ™†π™€π™‡π˜Ό π“œπ’‚π’ˆπ’π’†π’‡π’‚βœοΈ
✨ Mizara teny mahasoa🌱
πŸ’‘ Antsa sy ny tononkaloπŸ’¬
✍️ Mampahery isan'andro🌱✨
πŸ“© WhatsApp : 034 57 758 29
✿ Fiainan-tsambatra βœ“ Fahasalamana lavorary β™‘

NY FO REHEFA TIA πŸ’“Na tezitra  toy inona ny foko te hitroatraNa dia mirehitr'afo sy te koa hisafoakaDia tsy haiko tena ts...
16/08/2026

NY FO REHEFA TIA πŸ’“

Na tezitra toy inona ny foko te hitroatra
Na dia mirehitr'afo sy te koa hisafoaka
Dia tsy haiko tena tsy haiko ny handΓ  tsy hisaotra
Ilay Ray mpahary, nanao anao ho silakoko

Na toy ny ahoana ady sy olana sedraina
Dia tsy ho lefy am-bavako raha mbola misy aina
Ny manonom-bavaka ho anao isa-maraina
Mba hahomby hatrany hatrany

Na hatraiza koa ny vesatry ny saiko tena ory
Na ny harerahan'ny foko te hitony
Dia ianao malala ah tsy ho soloiko akory
Fa tiako sady mamy

β™‘β˜žπ™†π™€π™‡π˜Ό π“œπ’‚π’ˆπ’π’†π’‡π’‚βœοΈ
20 Mars 2026

Maholitiana Kela Magnefa dia Raha mila fakana sary tsara Kely dia miresaka @ ity olona ity Toavina RaphaΓ«l Rakotomanitra fa ho afa-po lisany πŸ« πŸ˜‰

Dia aza adino mikitika Ilay Soratra ''suivre'' Raha tsy mbola abonnée ianao❀️

Efa miverina izao Kela hanolotra Zavatta mamikely indrayπŸ’

Misaotra anareo izay efa teo foana

Tsingerin-taona nahaterahan'i Voninkazo β™‘β˜žπ™†π™€π™‡π˜Ό π“œπ’‚π’ˆπ’π’†π’‡π’‚ andronay πŸŽ‰πŸ’Vonona hatrany ny ho VavolombeloNy πŸ™πŸ½''Fa Ianao, Andri...
20/07/2026

Tsingerin-taona nahaterahan'i Voninkazo β™‘β˜žπ™†π™€π™‡π˜Ό π“œπ’‚π’ˆπ’π’†π’‡π’‚ andronay πŸŽ‰πŸ’

Vonona hatrany ny ho VavolombeloNy πŸ™πŸ½

''Fa Ianao, Andriamanitra o efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan'izay matahotra ny anaranao.''

β€” Salamo 61 : 5



🌸 MAVOKELY 🌸Ianao avy hatrany no miserana ato an-tsaikoRaha iny aho ka mahita ny loko mavokelyIlay molotrao nitsiky tami...
04/06/2026

🌸 MAVOKELY 🌸

Ianao avy hatrany no miserana ato an-tsaiko
Raha iny aho ka mahita ny loko mavokely
Ilay molotrao nitsiky tamin'ny sary iray nalaiko
Tohitena tsotra kely izay laniko tsianjery

Tsaroako koa fanampiny ilay lokomena iray
Mangidingidy kely nefa manitra ny fofony
Fanaovandry matetika dia izao tsaroako indray
Tsy adinoko iny piso a, mavokely koa ny lokony

Hay koa mbola misy ilay kiraronao fahiny
Niomehezako indray andro fa nanaikitra izy izay
Dia mavokely hatrany ny lokon'izy iny
Ny mavokely akia, tantarandry milay

Hany ka mirakitra ho sarinao hatrany
Ny zavatra ato an-saiko vao mahita ilay loko
Ilay siny mavokely izao novaiko ho volon-tany
Fa isaky ny hatsaka aho, indry foana no tsaroiko

β™‘β˜žπ™†π™€π™‡π˜Ό π“œπ’‚π’ˆπ’π’†π’‡π’‚βœοΈ
23/03/2026

AbonnΓ©o ny pejy

Pic by

Tsy hoe Sambatra be foana ianao anatin'ny fiarahanaIlay disadisa iny no mainka manamafySarotra dia sarotra ny mampitovy ...
31/05/2026

Tsy hoe Sambatra be foana ianao anatin'ny fiarahana
Ilay disadisa iny no mainka manamafy
Sarotra dia sarotra ny mampitovy lalana
Fa voady ny ahy dia tanako ''hor mandrapahafaty''

β™‘β˜žπ™†π™€π™‡π˜Ό π“œπ’‚π’ˆπ’π’†π’‡π’‚βœοΈ

entina matory e πŸ’€
Soava ny alina aby dia abonnéo ao moa io ❀️😘




HO AN'I NENY ❀️Neny, mama , mamyTiako tena tiakoTokana eto an-tanyLoharanom-pifaliakoTsy manam-paharoaTsy azo ampitahain...
31/05/2026

HO AN'I NENY ❀️

Neny, mama , mamy
Tiako tena tiako
Tokana eto an-tany
Loharanom-pifaliako

Tsy manam-paharoa
Tsy azo ampitahaina
Ilay nahitako soa
Fitondrana ireo taraina

Tsy kivy tsy mba ketraka
Manao izay hahavanona
Ka tsy ampy akia raha resaka
an-tratrany hivalona

Fa mamy be ry Neny
Ny fisianao anila
Ka tsy hay ny tsy hiteny
Ireo babena ho valiana

Amin'ny vavaka mitafo
Hahazoanao fifaliana
Dia mangataka aho tsy miato
HahatΓ³ ireo faniriana
Amin- Dray Ilay mpahary

β™‘β˜žπ™†π™€π™‡π˜Ό π“œπ’‚π’ˆπ’π’†π’‡π’‚βœοΈ
Tiako be daholo ❀️ dia mba abonneo Maholitiana Kela Magnefa





...NY FITANTANANAO mpiry aho no nitoky tamin'olona mandalo?Impiry koa voafitaky ny fihevitry ny saiko? Impiry moa ny fia...
24/05/2026

...NY FITANTANANAO

mpiry aho no nitoky tamin'olona mandalo?
Impiry koa voafitaky ny fihevitry ny saiko?
Impiry moa ny fiainako no tiako ho atakalo?
Impiry izay no saika ho taperiko ny aiko?

Impiry Ianao nandΓ  rehefa iny aho ka tamy?
Impiry Ianao nilaza ho leo tsy te hihaino?
Impiry Ianao namafa raha sendra aho tomany?
Impiry nampatsiahy hoe ny lalako no saino?

Fa
Impiry aho mba nanaiky sy tena nankatΓ²?
Impiry aho tsy nivily fa nino sy nahatoky?
Impiry aho no nitodika vao te hamoy fo?
Impiry ny fanahiko nahatsapa tena voky?

Mibebaka aho anio, hanova ny famindra
F'Ianao no tena haiko mahavita ahy tanteraka
Ny anaranao irery no tiako ahindrahindra
Ry Raiko tena tia, momba ahy tsy mba reraka

Dia ankehitriny izao, mahatsapa aho ka mahatsapa
Hoe tena tsara loatra ny fitantananao
Ny lasako rehetra dia haiko fa voafafa
Tsy misy iray tavela hanamelohanao
Ny ondry efa nania

β™‘β˜žπ™†π™€π™‡π˜Ό π“œπ’‚π’ˆπ’π’†π’‡π’‚βœοΈ

Mahatdiaro fifaliana rehefa miaraka Aminy πŸ™πŸ½πŸ’―

Mirary ny Fanahy Masina hitoetra amintsika tsirairay avy πŸ₯°

Abonneo hatrany ny pejyπŸ‘‰πŸ½ π™†π™€π™‡π˜Ό π“œπ’‚π’ˆπ’π’†π’‡π’‚ fa ho averintsika amin'ny laoniny



βœ…..... ANJARA TSY HO AHY πŸ₯ΊπŸ†˜Tsy afaka hilaza aho hoe ianao no tena fositraAntom-paharavan'ny andrin'ito fiainakoTsy afaka...
18/05/2026

βœ…..... ANJARA TSY HO AHY πŸ₯ΊπŸ†˜

Tsy afaka hilaza aho hoe ianao no tena fositra
Antom-paharavan'ny andrin'ito fiainako
Tsy afaka hanameloka ilay ianao nandositra
Fa ahy ny fahadisoana, voambaka ny fisainako

Tsy ianao no omeko tsiny raha tofoka sy leo
Fa aho no tena adala nifidy anao ho namana
Firifiry moa no naniry mba ho teo e
Fa dia naleoko ho'aho ianao no notantanana

K'izany no hilazako f'ianao tsy manan-tsiny
Izaho no tsy nandalina, nitia fahatany
F'ianao kay efa nanana an'iny olona iny
Dia izao aho irery, voalatsa ka tomany

Mafaitra aloha ekena, tsy mora ilay voaratra
Kanefa manantena ny hatrany mbola hitraka
Nilaiko ianao nandalo nitondra fampianarana
Hahaizako mifidy ny sandry azo hiondanana
Tsy hiantsampitsampy foana

β™‘β˜žπ‘΄π’‚π’‰π’π’π’Šπ’•π’Šπ’‚π’π’‚_π‘΅π’π’Žπ’†π’π’‹π’‚π’π’‚π’‰π’‚π’“π’šβœοΈβœ”
30 Mars 2025





Dia mba tsidio moa ity fa fiainana 𝒉𝒂𝒇𝒂 mihitsy no ato πŸ‘‡
π™†π™€π™‡π˜Ό π“œπ’‚π’ˆπ’π’†π’‡π’‚

π‘΄π’‚π’‰π’π’π’Šπ’•π’Šπ’‚π’π’‚ π‘΅π’π’Žπ’†π’π’‹π’‚π’π’‚π’‰π’‚π’“π’š

fans

Ry namana πŸ₯°πŸ“Œ EFA ao daholo vΓ©?RNA  95.2mhz''GADRAN-DOLO?'' EFA Mandeha oh πŸŽ§πŸ“»
08/05/2026

Ry namana πŸ₯°πŸ“Œ EFA ao daholo vΓ©?
RNA 95.2mhz

''GADRAN-DOLO?'' EFA Mandeha oh πŸŽ§πŸ“»

Raha lavo ianao androanyRahampitso mbola androHareno izay tsy mety Dia mandrosoa hatranyβ™‘β˜žπ™†π™€π™‡π˜Ό π“œπ’‚π’ˆπ’π’†π’‡π’‚βœοΈπ™†π™€π™‡π˜Ό π“œπ’‚π’ˆπ’π’†π’‡π’‚ mba...
20/04/2026

Raha lavo ianao androany
Rahampitso mbola andro
Hareno izay tsy mety
Dia mandrosoa hatrany

β™‘β˜žπ™†π™€π™‡π˜Ό π“œπ’‚π’ˆπ’π’†π’‡π’‚βœοΈ

π™†π™€π™‡π˜Ό π“œπ’‚π’ˆπ’π’†π’‡π’‚ mba abonnΓ©o io πŸ₯ΊπŸ₯°

FOHAZy AHO REHEFA TONGA IZY πŸ€ͺ kony πŸ₯ΊπŸ«°πŸ½ .... .... O ry fanantenana ry fanantenanaAiza no toerana ahitako anao?Moa mety hi...
13/04/2026

FOHAZy AHO REHEFA TONGA IZY πŸ€ͺ kony πŸ₯Ί

🫰🏽 .... ....

O ry fanantenana ry fanantenana
Aiza no toerana ahitako anao?
Moa mety hifanena an-dalana ombana?
Sa afaka atoro ny tranonareo?

Ela dia ela aho no nivezivezy
Haiko fisiana fa tsy hitan'ny maso
Ka zary nijanona ho rediredy
Ilay fanantenana ambadik'ankaso

Ka raha misy ianao , misehoa amin'izay
Fa lava ny ora niandrasana izany
Aza avela hangaina eto indray
f'ilay fanantenana dia ny ampitso hatrany

β™‘β˜žπ™†π™€π™‡π˜Ό π“œπ’‚π’ˆπ’π’†π’‡π’‚βœοΈ
23 Martsa 2020

Aza adino ny manaraka n'y pejy fa ho avy matetika aho

Mba abonnΓ©o ity πŸ‘‰πŸ½π™†π™€π™‡π˜Ό π“œπ’‚π’ˆπ’π’†π’‡π’‚ πŸ‘ˆπŸ½

fans

Address

Itaosy
Antananarivo
102

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when π™†π™€π™‡π˜Ό π“œπ’‚π’ˆπ’π’†π’‡π’‚ posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share