13/08/2026
🦴 Hypocalcémie : ambany loatra ny tahan’ny calcium ao anaty rà 👩🏽⚕️
Zava-dehibe amin’ny fiasan’ny hozatra, ny nerf ary ny taolana ny calcium.
⚠️ Inona avy ireo soritr’aretina mety hiseho?
• mangorintsina manodidina ny vava na amin’ny rantsantanana
• mivonto na miketrona ny hozatra
• crampes na fihibohana tampoka amin’ny hozatra
• fahalemena na havizanana
🚨 Manatona mpitsabo haingana raha :
• mafy na miverimberina ny fihibohan’ny hozatra
• sahirana miaina
• misy malaise na tsy fahatsiarovan-tena
• misy convulsion
🔎 Inona no atao?
Ny fitiliana rà no manamarina ny hypocalcémie ary manampy hamantatra ny antony. Miankina amin’ny antony sy ny hamafin’ny hypocalcémie ny fitsaboana.
🚫 Aza misotro calcium na complément calcium samirery raha tsy nahazo torohevitra avy amin’ny mpitsabo.
🇫🇷 Hypocalcémie : quand le calcium sanguin est trop bas
Le calcium est indispensable au bon fonctionnement des muscles, des nerfs et des os.
⚠️ Signes possibles :
• fourmillements autour de la bouche ou des doigts
• crampes ou contractions musculaires
• spasmes musculaires
• faiblesse ou fatigue
🚨 Consultez rapidement en cas de :
• contractions importantes ou répétées
• difficulté à respirer
• malaise ou perte de connaissance
• convulsions
🔎 Que faire ?
Une prise de sang permet de confirmer l’hypocalcémie et d’en rechercher la cause. Le traitement dépend de la cause et de la gravité.
🚫 Ne prenez pas de calcium ou de complément de calcium sans avis médical.