Soa Communication

Soa Communication Te hanatsara ny fifandraisanao amin'ny olona ve ianao? Soa Communication dia pejy hahitana torohevitra tsotra ho an’ny fifampiresahana tsara kokoa isan’andro.

Na any an-trano, na any am-piasana, na amin'ny fiainana andavan'andro... Soa Communication dia manampy anao hahay hifandray amin'ny olona rehetra. Toerana afaka hazahoana fanampiana na ho an’ny tanora na ho an'ny ray aman-dreny hifehy ny fihetseham-po, hampitony ny disadisa ary hiteny tsy mandratra.
💬 Torohevitra manokana amin’ny message privé

Soa Communication est l'adresse de prédilection pour

avoir des conseils simples et accessibles pour mieux communiquer au quotidien. Elle fournit une aide aux jeunes et aux parents pour gérer leurs émotions, apaiser les tensions et parler sans blesser.
💬 Conseils personnalisés en message privé

💡 Torohevitra 3 hanampy anao hanalefaka ny "sivana" itazananao ny hafa.Isika rehetra dia samy manana ny "solomaso" itaza...
19/07/2026

💡 Torohevitra 3 hanampy anao hanalefaka ny "sivana" itazananao ny hafa.

Isika rehetra dia samy manana ny "solomaso" itazanantsika izao tontolo izao. Indraindray anefa, io no mahatonga antsika tsy hifankahazo.

✅ 1. Aza maika hitsara.
Indraindray, tsy ratsy fanahy ilay olona... fa hafa fotsiny ny zavatra niainany sy ny fomba fijeriny.
✅ 2. Mianara mametraka fanontaniana.
Alohan'ny hamaliana dia andramo manontany hoe: "Afaka hazavainao bebe kokoa ve izay tianao holazaina?" Mety ho hafa tanteraka mantsy ny tiany hambara noho izay henonao.
✅ 3. Ekeo fa tsy voatery hitovy hevitra isika.
Ny tsy fitovian-kevitra dia tsy midika hoe misy diso foana. Matetika dia samy mijery toe-javatra iray amin'ny "solomaso" samy hafa isika.

✨ Ny serasera mahomby dia tsy ny fahaizana miteny fotsiny, fa ny fahaizana mahatakatra ny fomba fijerin'ny hafa.
❓Ary ianao, iza amin'ireo torohevitra 3 ireo no tena ilainao hampiharina manomboka anio? 1️⃣ 2️⃣ sa 3️⃣?
💬 Manoratà ao amin'ny commentaire.

Betsaka no liana amin'ity lohahevitra ity ka hisy🚨 LIVE PRIVÉ GRATUIT 🚨 Tsy ratsy ny tezitra... fa  ianarana kosa ny man...
10/07/2026

Betsaka no liana amin'ity lohahevitra ity ka hisy🚨 LIVE PRIVÉ GRATUIT 🚨

Tsy ratsy ny tezitra... fa ianarana kosa ny maneho azy.
Efa nisy fotoana ve ianao: ❌ Niteny zavatra nanenenanao? ❌ Nangina ka nitahiry lolompo? ❌ Nivatambatana na naneso teny ka niafara tamin'ny fifamaliana?

Mandritra ity Live privé gratuit ity dia hizarako:
✅ Ny antony mahatonga antsika haneho hatezerana amin'ny fomba samihafa.
✅ Torohevitra 3 hanehoana ny hatezerana nefa tsy mandratra.
✅ Fomba hitenenana ny zavatra maharary amim-panajana.

📅 Daty : Alakamisy 16 Jolay 2026
🕒 Ora : 08h30 alina na 20h30

Te handray anjara? Soraty fotsiny hoe "LIVE" ao amin'ny commentaire dia halefako aminao ny rohy.

Fantatrao ve fa tsy mitovy ny fomba anehoan'ny olona ny hatezerany? 😡Misy ny 🤫 mangina nefa mitahiry ao anaty ( lasa lol...
08/07/2026

Fantatrao ve fa tsy mitovy ny fomba anehoan'ny olona ny hatezerany? 😡

Misy ny 🤫 mangina nefa mitahiry ao anaty ( lasa lolom-po); misy ny 💥 mipoaka avy hatrany, misy ihany koa ny 😏 maneso na mandefa teny mivantambantana; ary misy ireo mahay 🕊️ miteny am-pitoniana nefa mahintsy.

Raha te hahomby amin'ny fifandraisana ianao, dia ilaina ny mahafantatra fa tsy ny hatezerana no olana, fa ny fomba anehoana azy.

📩 Liana hianatra hifehy ny fifandraisana sy haneho ny fihetseham-po am-pahendrena ve ianao? Andefaso MP izahay...



Iza amin'ireo no tena ataonao matetika ka hitanao fa mila hamboarina🤔🤔?

Tsy hoe sanatria mamoa foatamandry akory 🙈😅... Fa hiresaka zavatra hitantsika sy hihainantsika  isan'andro eo amin'ny fi...
04/07/2026

Tsy hoe sanatria mamoa foatamandry akory 🙈😅... Fa hiresaka zavatra hitantsika sy hihainantsika isan'andro eo amin'ny fiainana.

Tadidinareo ve ilay resaka "Manga" sy "Death Note" izay nahabe resaka tamin'ny volana Jiona teo?
Tsy hiresaka ilay tranga isika eto, fa zavatra iray no mahaliana ahy:
👉 Nahoana no lasa "buzz" be ilay izy?
Nisy ny nalahelo, nisy ny tezitra mafy (niakatra afo mihintsy), nisy ny nanameloka zavatra maro, nisy no nanao post ironique be; fa nisy koa ny niezaka nahatakatra.
Kanefa dia vidéo iray ihany no hitan'ny rehetra 😅😅😅🤔🤔🤔.

Ka ahoana azany no nahatonga ny olona hahita zavatra samy hafa be tao anatin'ny zavatra iray ihany? 🤔

Tsotra ny valiny:
Ny fomba fijerintsika dia tsy avy amin'ny zava-misy ihany, fa avy amin'ny: ✔️ finoantsika ✔️ soatoavintsika ✔️ fanabehazana azontsika ✔️ zavatra niainantsika
Izany no "solomaso" itazanantsika izao tontolo izao.
Matetika aza, tsy ny teny no tena mahatonga ny tsy fifankahazoana...fa ny fomba andikantsika azy; ka raha tsy mianatra io dia tena sahirana mifampiresaka amin'ny hafa...😔😔.

Koa rehefa miresaka amin'olona tsy mitovy hevitra amintsika isika, angamba tsy hoe adala na vendrana izy 🙈😅...fa samy manana ny solomasony fotsiny.

Ary ianao, efa nisy fotoana ve tsy nifankahazo tsara tamin'olona satria samy hafa ny fomba fijerinareo ny toe-javatra iray? Dia ahoana no nataonao?
💬 Zarao ao anaty commentaire.

Miarahaba antsika rehetra Tratry ny Asaramanitra.Ny fahaizana mifampiresaka sy mifampihaino dia anisan'ny hahafahantsika...
26/06/2026

Miarahaba antsika rehetra Tratry ny Asaramanitra.
Ny fahaizana mifampiresaka sy mifampihaino dia anisan'ny hahafahantsika Malagasy tena hihaina ny soatoabintsika "Fihavanana"

Tratry ny Fetin’ny Ray! 💙Ho fankasitrahana ireo Ray rehetra izay mitia, mitarika ary manohana tsy misy fepetra. Mirary a...
21/06/2026

Tratry ny Fetin’ny Ray! 💙

Ho fankasitrahana ireo Ray rehetra izay mitia, mitarika ary manohana tsy misy fepetra. Mirary andro feno hafaliana sy fitahiana ho anareo!

📸 Tsy ny zavatra lazainao ihany no zava-dehibe, fa ny fomba ilazanao azy koa.Fotoana fohy, fianarana lalina, ary fitaova...
16/06/2026

📸 Tsy ny zavatra lazainao ihany no zava-dehibe, fa ny fomba ilazanao azy koa.

Fotoana fohy, fianarana lalina, ary fitaovana azo ampiharina avy hatrany hanatsarana ny fifandraisana amin'ny hafa.

✨ Indro ny sary vitsivitsy nandritra ny fiofanana "Communiquer avec Impact".

💬 Ianao ve liana hanatsara ny fomba ifandraisanao amin'ny olona? Soraty hoe "LIANA" ao amin'ny commentaire.

09/06/2026

🚨 Toerana vitsy sisa no mbola malalaka!

Aza avela handalo fotsiny ity fahafahana hanova sy hampandroso ny tenanao ity.
👉 Fandrio dieny izao ny toeranao: https://bit.ly/43xsxmJ
📞 Na antsoy ny laharana: 0341110766

📆 13 Jiona 09 ora hatramin'ny 03 ora
🏢: Bloc 3, 3ème étage La City Ivandry

Ny fanapahan-kevitrao anio no mety hanova ny ampitso! ✨

07/06/2026

Tafatafa niarahana tamin'ny Top Radio 102.8 FM ; niresahana oe inona no mety zavatra voakasik'izany Serasera na Communication izany.

Raha amin'ny hevitrao inona koa no mety oe mila atao an-tsaina raha vao oe Communication? Sorato ao amin'ny commentaire ny hevitrao.

Address

Antananarivo
Antananarivo
103

Telephone

+261326511724

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Soa Communication posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share