𝑴𝒂π‘ͺ𝒐𝒄𝒐𝒏𝑬𝒍𝒍𝒆

𝑴𝒂π‘ͺ𝒐𝒄𝒐𝒏𝑬𝒍𝒍𝒆 Maman Γ©panouie, bΓ©bΓ© heureux ❀️

Fizarana astuces sy bon plan ho an'ny reny sy zazakely πŸ₯°

🀰🏻 TOXOPLASMOSE : inona marina izany?Ny toxoplasmose dia aretina mety ho vokatry ny mikraoba antsoina hoe Toxoplasma gon...
11/08/2026

🀰🏻 TOXOPLASMOSE : inona marina izany?

Ny toxoplasmose dia aretina mety ho vokatry ny mikraoba antsoina hoe Toxoplasma gondii. Amin’ny ankapobeny dia tsy mampiseho soritr’aretina mazava izy, saingy mila fitandremana manokana mandritra ny fitondrana vohoka, satria mety hisy fiantraikany amin’ny zaza ao an-kibo. πŸ’—

πŸ‘Ά INONA NO METY HITRANGA AMIN’NY ZAZA?
Ny loza ateraky ny toxoplasmose dia miankina indrindra amin’ny fotoana nahazoan’ny reny ilay aretina.
Mety hiteraka fahasarotana amin’ny zaza izany, indrindra eo amin’ny:
πŸ‘οΈ Maso β€” mety hisy fiantraikany amin’ny fahitana.
🧠 Atidoha sy rafi-pitatitra β€” mety hisy fahasimban’ny fivoaran’ireo taova ireo.
πŸ‘Ά Fivoaran’ny zaza β€” mety hisy fahatarana na fahasarotana hafa.
⚠️ Zava-dehibe anefa ny mahafantatra fa tsy midika ho azy hoe voan’ny toxoplasmose ny zaza raha misy infection amin’ny reny. Izany no antony maha-zava-dehibe ny fitiliana sy ny fanaraha-maso ara-pitsaboana.

🩸 RAHOVIANA NO TOKONY HANAO ANALYSE?
Ny fitiliana toxoplasmose dia atao amin’ny fakana rΓ 
πŸ‘‰ Tsara atao alohan’ny fitondrana vohoka, raha azo atao, na amin’ny fiandohan’ny fitondrana vohoka.
Ny tanjona voalohany dia ny hahafantarana hoe:
Efa nifandray tamin’ny toxoplasmose ve ilay reny taloha? Sa Mbola tsy voan’izy io mihitsy ve izy ka mila mitandrina manokana?
Raha tsy mbola manana fiarovana ilay reny, dia ilaina ny fanaraha-maso tsy tapaka mandritra ny fitondrana vohoka.

🌿 AHOANA NO HISOROHANA NY TOXOPLASMOSE MANDRITRA NY FITONDRANA VOHOKA?
βœ”οΈ Sasao tsara ny voankazo sy legioma alohan’ny hihinanana azy.
βœ”οΈ Ataovy masaka tsara ny hena.Fadio ny hena manta na tsy masaka tsara
βœ”οΈ Aza mihinana sakafo tsy nomasahana toy ny charcuterie, fromage non pasteurisΓ©
βœ”οΈ Sasao tsara ny tanana sy ny fitaovana nampiasaina tamin’ny sakafo manta.
βœ”οΈ Mitandrema amin’ny fikarakarana tany na fasika, raha manao jardinage, ary mampiasΓ  gants
βœ”οΈ Raha manana saka ianao, tandremo manokana ny fanadiovana ny litiΓ¨re ary tsara raha misy olona hafa no manao izany mandritra ny fitondrana vohoka.

πŸ’‘ Ny tsara indrindra dia ny manao fitiliana sy manaraka ny torohevitry ny mpitsabo, indrindra raha bevohoka.

🀍 Ho an’ny reny, ny fahalalana sy ny fitandremana kely isan’andro dia afaka manampy hiaro ny zaza.

🀍 Amin'izao Herinandro Maneran-tany ho an'ny Fampinonoana izao, andao hiresaka momba ilay fifamatorana miavaka eo amin'n...
05/08/2026

🀍 Amin'izao Herinandro Maneran-tany ho an'ny Fampinonoana izao, andao hiresaka momba ilay fifamatorana miavaka eo amin'ny reny sy ny zanany.

Tsy sakafo fotsiny ny rononon-dreny. Tena fifandraisana velona misy eo amin'ny vatan'ny reny sy ny vatan'ny zaza izy io.

✨ Fantatrao ve fa miova hatrany ny rononon-dreny?

Tsy mitovy mihitsy izy isaky ny mampinono.

βœ”οΈ Amin'ny fiandohan'ny fampinonoana dia betsaka kokoa ny rano ao anatiny, mba hanala hetaheta sy hanome rano ampy ny zaza.

βœ”οΈ Amin'ny faran'ny fampinonoana kosa dia manankarena tavy kokoa izy, mba hahavoky tsara ny zaza sy hanampy azy hitombo.

Fa mbola misy zavatra mahavariana kokoa...

Ny rononon-dreny dia misy hery fiarovana (anticorps), indrindra ireo antsoina hoe IgA, izay mamorona fiarovana eo amin'ny vava, tenda ary tsinain'ny zaza. Ireo no manampy hisoroka ny fidiran'ny mikraoba sy hiaro ny zaza, satria mbola tsy matanjaka tsara ny hery fiarovany.

Ary ny tena mahagaga dia izao...πŸ₯°

Rehefa sendra viriosy na bakteria ny zaza, dia afaka mandray "fampahalalana" (signale) ny vatan'ny reny mandritra ny fampinonoana. Avy eo dia mamokatra hery fiarovana mifanaraka amin'izany ny reny, ka ampitaina amin'ny nono amin'ny andro manaraka. Midika izany fa afaka mifanaraka amin'ny filΓ n'ny zaza ny rononon-dreny.

🀍 Ireto ary ny tombotsoa isany ngeza indrindra entin'ny fampinonoan-dreny

Ho an'ny zaza :
πŸ‘Ά Sakafo lavorary mifanaraka amin'ny taonany sy ny filΓ ny
πŸ›‘οΈ Manampy hiaro azy amin'ny aretina maro.
🧠 Manohana ny fitomboan'ny atidoha, ny vatany sy ny hery fivoarany.
πŸ’ž Mampitombo ny fahatsapany fiarovana sy ny fifamatorana amin'ny reniny.

Ho an'ny reny :
🌸 Ny hormonina ocytocine avoakan'ny vatana mandritra ny fampinonoana dia manampy ny tranon-jaza hiverina haingana amin'ny habeny teo aloha.
🩸 Manampy hampihena ny rà mivoaka aorian'ny fiterahana ihany koa izy.
πŸ’— Raha mampinono maharitra ny reny dia mihena ny mety hisian'ny homamiadan'ny nono sy ny ovaire, ary mety hampihena ihany koa ny tahan'ny fisian'ny diabeta 2.
🀱 Ary ambonin'izany rehetra izany, ny fotoana iarahana eo am-pinonoana dia mampitombo ny fifankatiavana sy ny fifamatorana eo amin'ny reny sy ny zanany.

πŸ₯°Na andro vitsy, na volana maromaro, na aman-taonany aza no mampinono, dia efa manome soa sarobidy ho an'ny zanany ny reny isaky ny mampinono

✨ Raha mahafinaritra anao ny fizarana dia
Zarao aminay ao amin'ny fanehoan-kevitra ny traikefanao. Mety ho teny mampahery reny iray hafa izany. 🀍

04/08/2026

𝗙𝗒𝗠𝗕𝗔 𝗛𝗔𝗠𝗔𝗑𝗧𝗔π—₯𝗔𝗑𝗔 𝗙𝗔 π—˜π—™π—” π—§π—’π—žπ—’π—‘π—¬ π—›π—œπ—£π—˜π—§π—₯π—”π—žπ—” 𝗑𝗬 𝗭𝗔𝗭𝗔, 𝗑𝗬 π—§π—’π—žπ—’π—‘π—¬ 𝗔𝗧𝗔𝗒 π—”π—‘π—”π— π—£π—œπ—”π—‘π—” 𝗔𝗭𝗬, 𝗔π—₯𝗬 𝗑𝗬 𝗙𝗒𝗧𝗒𝗔𝗑𝗔 π—›π—œπ—£π—˜π—§π—₯𝗔𝗛𝗔𝗑𝗬

❀️ 6 à 9 mois eo no mipetraka ny zaza ny lasa aloha kely tsy ferana

❀️Rehefa vonona ny hipetraka izy dia tokony :
✨Zaza efa mahazaka ny lohany tsara
✨Zaza efa maharindoha rehefa adaboka matory amin'ny kibony na lamosiny

❀️ Afaka atao hanampiana azy kosa :
✨Didi𝗻𝗢na lamba apetraka ambony toerana marina tsara
✨ Ampatoriana amin'ny lamosina na kibony hiezahany samirery miharina, manampy manamafy ny hazon-damosiny sy ny muscle
✨ Apetraka eo amboniny fehinao lehibe

Mbola manana astuce hafa ve ianareo ? πŸ₯°
Ndao zarao anaty commentaire 😊

π— π—”π—‘π—”π—Ÿπ—” 𝗛𝗒𝗛𝗒 π—­π—”π—­π—”π—žπ—˜π—Ÿπ—¬ πŸ˜€πŸ˜…Iza koa no sahirana toa ahy ato rehefa manala hoho ny harena kely iny ? πŸ˜­πŸ˜…Tena hoe maka fotoana m...
01/08/2026

π— π—”π—‘π—”π—Ÿπ—” 𝗛𝗒𝗛𝗒 π—­π—”π—­π—”π—žπ—˜π—Ÿπ—¬ πŸ˜€πŸ˜…

Iza koa no sahirana toa ahy ato rehefa manala hoho ny harena kely iny ? πŸ˜­πŸ˜…
Tena hoe maka fotoana manokana mihintsy manao azy, ary matetika tsy afakako 1 andro izy rehetra ny ahy 🀣

Ndao hoe mba zarao ny fikafikanareo ry maman sy papa, sao mba mahasoa ny hafa 😊πŸ₯°

𝑴𝒂π‘ͺ𝒐𝒄𝒐𝒏𝑬𝒍𝒍𝒆

30/07/2026

🀎 π—™π—”π—‘π—”π— π—£π—œπ—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—­π—”π—­π—”π—žπ—˜π—Ÿπ—¬ 𝗛𝗔𝗑𝗗π—₯π—˜π—­π—”π—§π—₯𝗔
Ahoana no fomba tsara indrindra hampivoahana ny π—₯π—˜π—­π—”π—§π—₯𝗔 𝗑𝗬 zaza?

Rehefa avy minono na mihinana biberon ny zazakely dia ilaina ny manampy azy hamoaka rezatra (izay rivotra tafiditra mandritra izay fihinanany sakafo), atao izany mba hampihenana ny tsy fahazoany aina sy hisorohana ny fandoavana vokatry ny rivotra.

πŸ’› Ireto no fomba 3 mora sy azo antoka hanampiana azy :
🀱 Apetraka eo ambonin'ny soroka.
πŸ‘Ά Ampandriana mihohoka eo ambony lohalika.
πŸͺ‘ Ampipetrahana sady tohanana tsara

πŸ’¬ Ary ianareo ve maman mbola mahay fikafika hafa mampandrezatra zazakely? Andao mba zarao anaty commentaire ary eh, inona no fomba tena mahomby amin'ny zanakao ? 🀍

Bonne nuit Γ  toutes les mamans… ou plutΓ΄t bon courage pour les rΓ©veils nocturnes. 😴🀍 BΓ©bΓ©, lui, n'a visiblement pas lu l...
27/07/2026

Bonne nuit Γ  toutes les mamans… ou plutΓ΄t bon courage pour les rΓ©veils nocturnes. 😴🀍 BΓ©bΓ©, lui, n'a visiblement pas lu le mode d'emploi du sommeil.😁πŸ₯Ή

27/07/2026

Fomba famatorana écharpe de portage 😊

Mijereva finaritra ary πŸ₯°
Aza adino mi-abonner ny page fa mbola betsaka ny mahasoa ny zazakely sy ny reny hozaraintsika ❀️

27/07/2026

Coucou 😊
Hisy fizarana kely indray avy eo an.
Aza miala alavitra dia abonneo ny page mba azahoanao notification rehefa misy astuce maman πŸ₯°

𝐈𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐚𝐟𝐚𝐀𝐚 𝐚𝐭𝐚𝐨 fa 𝐦𝐚𝐦𝐩𝐚π₯𝐚𝐑𝐞π₯𝐨 π›πž 𝐒π₯𝐚𝐲 𝐑𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚 𝐀𝐞π₯𝐲 𝐦𝐒𝐬𝐲 𝐫𝐒𝐯𝐨𝐭𝐫𝐚 ?πŸ₯ΊπŸ₯ΊTsy ny zazakely rehetra akory no mandalo an io ph...
23/07/2026

𝐈𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐚𝐟𝐚𝐀𝐚 𝐚𝐭𝐚𝐨 fa 𝐦𝐚𝐦𝐩𝐚π₯𝐚𝐑𝐞π₯𝐨 π›πž 𝐒π₯𝐚𝐲 𝐑𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚 𝐀𝐞π₯𝐲 𝐦𝐒𝐬𝐲 𝐫𝐒𝐯𝐨𝐭𝐫𝐚 ?πŸ₯ΊπŸ₯Ί

Tsy ny zazakely rehetra akory no mandalo an io phase iray io, fa izay tratrany kosa anefa dia tena mampalaelo kely mihintsy πŸ˜₯

Fa maninona ary no mandalo io ny zazakely iray ?
πŸ‘‰ Mauvaise prise de sein na tsy mety ny fomba fampinonoana ka mampiditra rivotra be (na fomba fanomezana biberon koa)
πŸ‘‰ Mangatsiaka ny akanjony
πŸ‘‰ Sensible kokoa amin'ny rivotra
πŸ‘‰ Mety ho noho ny tsy fahamaotian'ny systΓ¨me digestif

NY FAMANTARANA FA MISY RIVOTRA NY ZAZAKELY
Matetika dia ny hariva no tena misy ny crise ka mety :
πŸ˜₯ mitomany be tsy mety ampanginina
πŸ˜₯ Ahinjitrany ny tongony na sintominy makeo amin'ny kibony
πŸ˜₯ Mizihitra be ny kibony
πŸ˜₯ Mangetotra2 na manenanena

NY AFAKA ATAO AZY KOSA MBA HANAMPY AZY HAMOAKA NY RIVOTRA
▢️Atao mafana tsara ny akanjony, indrindra ho an'ny zaza latsaky ny telo volana
▢️Osorana menaka coco na amande douce ny vatany manontolo hatrany amin'ny loha ka hatramin'ny faladia (vontosana mihintsy fa tsy atao manify ny menaka)
▢️ Atao petak'afo ny menaka atao amin'ny faritry ny kibo sy lamosiny
▢️Amboarina tsara ny fomba fanomezana nono sy biberon (efa ato ny fanazavana mahakasika ity an : (bonne prise de sein)
https://www.facebook.com/share/p/19H88LD8o6/

▢️Manantona dokotera raha tena mijaly be ny zazakely πŸ₯°

Izay no azo nozaraina anio indray ❀️

Aboneo ary partageo hatrany ny pagetsika

Address

Antananarivo
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when 𝑴𝒂π‘ͺ𝒐𝒄𝒐𝒏𝑬𝒍𝒍𝒆 posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category