02/08/2026
𝐉𝐑𝐒 𝐕𝐀𝐊𝐈𝐍𝐀𝐍𝐊𝐀𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔: 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐑𝐎 𝐍𝐎 𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐑𝐀-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐈𝐌𝐀𝐈𝐌𝐏𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎
Tontosa ny 29 sy 30 Jolay 2026, teo amin’ny kianja malalaka manoloana ny Oniversiten’i Vakinankaratra, ny fankalazana ofisialy ny Andro Rezionaly momba ny Fahasalamana (JRS) ho an’ny Faritra Vakinankaratra.
Nandritra ireo roa andro ireo dia vahoaka maro avy ao Vakinankaratra sy ny manodidina no tonga namaly ny antso ka nisitraka *tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana*. Nampiseho izany fa manakaiky hatrany ny vahoaka ny tolotra ara-pahasalamana ary mahazo vahana ny kolontsaina momba ny fisorohana sy ny fizaham-pahasalamana.
Nanotrona ny lanonana ireo Solombavam-bahoaka miisa efatra, ny solontenan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra Vakinankaratra, ireo "Médecins Inspecteurs" miisa fito, ny Filohan’ny Oniversiten’i Vakinankaratra sy ireo mpiara-miasa aminy, ireo Talem-paritra avy amin’ny minisitera isan-tokony, ireo mpiara-miombon’antoka ary ireo mpiasan’ny fahasalamana miankina na tsy miankina amin’ny Fanjakana.
Naneho fankasitrahana ny Fitondram-panjakana Fanavaozana sy ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ireo rehetra nandray fitenenana, noho ny ezaka mitohy atao hanatsarana ny fahasalaman’ny mponina.
Nohamafisin’ Andriamatoa RAKOTOALISON Armand Frédéric, Talen’ny Fampiroboroboana ny Fahasalamana, solontenan'ny Minisitera tao anatin’ny lahateniny fa laharam-pahamehana ny:
✅ fanatsarana sy fanatonana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny daholobe;
✅ fampiakarana ny kalitaon’ny fitsaboana;
✅ fampitaovana ireo tobim-pahasalamana;
✅ ary fanamafisana ny isan’ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny Nosy.
Nafana sy niavaka ny fankalazana tao Vakinankaratra, ka tena hita taratra tao anatin’izany ny fahavitrihan’ireo mpikarakara, ny fiaraha-miasan’ny mpiara-miombon’antoka ary ny fandraisan’anjaran’ny vahoaka. Tsy latsa-danja tamin’ny fankalazana nasionaly natao tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina izany.
Satria ny fahasalamana no fototry ny fampandrosoana, dia tohizana hatrany ny ezaka hanomezana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao, manakaiky ary azon’ny rehetra sitrahina.
Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
SANTE Vakinankaratra