Advocacy For Youth Madagascar

Advocacy For Youth Madagascar 🩵 Zo sy fahasalamana ara-pananahana ho an’ny tanora Malagasy
💬 Fanontaniana manokana? "Jeunes responsables des décisions prises au sein de sa communauté."

Manorata aminay amin’ny Messenger
🔒 Maimaim-poana • Mitana tsiambaratelo • Tsy mitsara
⏰24/24

PET VAGINALNISY “PET” NIVOAKA… FA TSY AVY ANY AORIANA 😭😂Eo am-panaovana firaisana dia tampoka teo …Pfffft 💨Dia samy mang...
07/09/2026

PET VAGINAL

NISY “PET” NIVOAKA… FA TSY AVY ANY AORIANA 😭😂

Eo am-panaovana firaisana dia tampoka teo …Pfffft 💨

Dia samy mangina 2 secondes. 👀😂
Aza mifampijery tahaka an’izany fa normal izany e!

Ilay antsoina hoe « pet vaginal na q***f » dia rivotra tafiditra ao amin’ny fivaviana ka mivoaka indray. Mety hitranga rehefa misy mouvements na changement de position, ary mety hitranga amin’ny fotoana hafa koa, ohatra rehefa manao sport (ilay tena fanatanjahantena ann)

👉 Tsy mitovy amin’ny pet avy amin’ny tsinay mivoaka any aoriana izy ity. Tena rivotra no mivoaka, fa tsy gaz intestinal.

Noho izany, raha sendra mitranga eo amin’ilay moment romantique be iny… tsy voatery hoe simba ny ambiance. Tohizo ny fiainana 😂

⚠️ Raha miaraka amin’ny fanaintainana, fofona mahery, na symptômes hafa anefa dia tsara ny manatona mpitsabo.

Efa fantatrao ve hoe rivotra fotsiny no mahatonga an’iny? 😅

4 Septambra : Andro manerantany ho an’ny fahasalamana ara-pananahana dia hiresaka an’ity lohahevitra iray ity iska 🌸 FIR...
04/09/2026

4 Septambra : Andro manerantany ho an’ny fahasalamana ara-pananahana dia hiresaka an’ity lohahevitra iray ity iska

🌸 FIRAISANA ARA-NOFO REHEFA MENOPAUSE : inona no tena miova ?

Rehefa tonga ny menopause dia mety hiova ny vatana, fa tsy midika akory izany hoe tapitra ny fiainana ara-nofo.

➡️ Anisan’ny fiovana mahazatra ny fahamainan’ny fivaviana noho ny fihenan’ny hormones, ka mety hahatonga ny firaisana ho tsy dia mampahazo aina na somary marary indraindray. Mety hanampy amin’izany ny lubrifiant, ny fotoana lava kokoa amin’ny préliminaires, ary raha misy fanaintainana maharitra dia tsara ny manatona mpitsabo hatrany.

✅ Misy lafiny iray koa izay mety hanamaivana ny saina ho an’ny vehivavy sasany: rehefa tena menopause tanteraka dia tsy misy intsony ny tahotra bevohoka. Izany dia mety hanampy amin’ny fahatsapana liberté sy détente kokoa eo amin’ny fiainana ara-nofo.

‼️Na izany aza, zava-dehibe ny mahafantatra fa tsy miaro amin’ny IST ny menopause, ka mbola ilaina ny protection raha misy risque.

Ny menopause dia dingana vaovao amin’ny fiainan’ny vehivavy, fa tsy faran’ny désir, ny plaisir, na ny intimité. 🤍

💬 mba tantarao anie ny niainanareo ilay izy

Rehefa mihantitra dia tsy tokony hanana firaisana ara-nofo intsony.➡️Inona no tena marina ❓Tsy misy taona voafaritra hoe...
02/09/2026

Rehefa mihantitra dia tsy tokony hanana firaisana ara-nofo intsony.

➡️Inona no tena marina ❓

Tsy misy taona voafaritra hoe tokony hijanonan’ny olona tsy hanana fiainana ara-nofo intsony.

Mety hiova ny vatana rehefa mandeha ny taona, mety hiova koa ny libido, ny énergie, na ny fomba anehoana intimité.

Fa ny filàna fitiavana, proximité,
tendresse, ary sexualité dia mety mbola ho anisan’ny fiainan’ny olona na dia efa lehibe aza.

Ny firaisana ara-nofo rehefa mihalehibe ny taona dia mety mila adaptation bebe kokoa, fifampiresahana bebe kokoa, ary indraindray torohevitra ara-pahasalamana.

👉 Ny sexualité dia tsy “an’ny tanora ihany”. Anisan’ny maha-olombelona azy ny intimité mandritra ny dingana samihafa amin’ny fiainana.

💬 Fa maninona, araka ny hevitrao, no mbola ohatra hoe fady na mahalenatra ny miresaka sexualité rehefa miresaka olona efa lehibe taona?

Iza amin’ireo no M.M.S anareo ? 😏1. Matin – Midi – Soir? 😂 sa2. Mardi – Mercredi – Samedi?, sa 3. Mars – Mai – Septembre...
31/08/2026

Iza amin’ireo no M.M.S anareo ? 😏
1. Matin – Midi – Soir? 😂 sa
2. Mardi – Mercredi – Samedi?, sa
3. Mars – Mai – Septembre? sa ilay hoe
4. Merci ma sœur? 😂

Fa raha resaka firaisana ara-nofo kosa, tsy misy fréquence “idéale” tokana ho an’ny rehetra.

Misy couple manao matetika, misy manao indraindray, misy koa miovaova arakaraka ny fotoana iainany.

Ny tena zava-dehibe dia ny hoe samy te, samy vonona, samy mahazo aina, ary mifanaraka.

Mety hiova ny rythme noho ny havizanana, stress, asa, fahasalamana, taona, fitondrana vohoka, fiterahana, na toe-javatra hafa iainan’ny couple.

👉 Tsy concours ny firaisana ara-nofo.
👉 Tsy misy chiffre magique tokony hotratrarina.
👉 Ny “normal” dia ilay rythme mifanaraka aminareo roa.

💬 Fa ianao aloha… M.M.S iza no anao? 1, 2, 3 sa 4?
Aza menamenatra

😭 Masque sperme hono mahatsara tarehy …Iza no nanomboka an’io resaka io e? 😂🥑 avocat = masque🍯 miel = masque🥒 concombre ...
28/08/2026

😭 Masque sperme hono mahatsara tarehy …Iza no nanomboka an’io resaka io e? 😂

🥑 avocat = masque
🍯 miel = masque
🥒 concombre = masque
💦 sperme = … STOP EO ALOHA 😭🤣

Ny valiny ara-tsiantifika : tsy misy porofo solide hoe mahatsara hoditra ny sperme.

Eny, misy protéines sy molécules samihafa ao anatiny… Fa izay hoe “misy protéines” izay dia tsy midika hoe skincare an! 😂

Tsy voaporofo hoe:
❌ manala boutons
❌ mampatanora tarehy
❌ mampamirapiratra hoditra

Ary mety aza hahatonga irritation na réaction allergique amin’ny olona sasany.

Raha te hi-glow no tadiavina: hydratation + crème solaire + skincare adapté.
Aleo sérum tena sérum fa tsy ilay “sérum fait maison” iny e 😭😂

💬 Iza no efa nilazana hoe “mahatsara tarehy io” taloha? 👀

Alefaso aty ny mythes hafa fa hojerentsika tsirairay 😂

👀 Sperme vert? Rouge? Jaune? 😭 Aza tonga dia manao diagnostic Chat  aloha! 😂Fa eny… mety miova loko tokoa ny sperme, ary...
26/08/2026

👀 Sperme vert? Rouge? Jaune? 😭 Aza tonga dia manao diagnostic Chat aloha! 😂

Fa eny… mety miova loko tokoa ny sperme, ary misy zavatra mety lazain’ilay loko 👇

⚪ Fotsy / volondavenona
👉 Io no tena couleur mahazatra. Vita, afaka matory milamina ianao 😂

🟡 Mavo
👉 Mety ho p**i kely nifangaro, sakafo/vitamines, na satria elaela tsy nisy éjaculation.
Tsy hoe lasa “édition citron” akory 😭🍋

🟢 Maitso
👉 Eto kosa tsy hoe Hulk na Shrek mode 💚😂
Mety misy infection, ka tsara manatona dokotera, indrindra raha misy fofona ratsy, fanaintainana na écoulement.

🔴 Mena / misy rà
👉 Tsy tokony hatao hoe: Andrasako herinandro aloha 😭
Mety misy rà ao amin’ny sperme ka mila manatona dokotera, indrindra raha miverimberina na betsaka.

⚠️ Tsarovy: tsy ny loko irery no ahafahana milaza aretina. Ny fiovana maharitra sy ny soritr’aretina hafa no tena mila tandremana.

😂 Ary ianao? Iza amin’ireo loko ireo no tsy fantatrao mihitsy hoe mety hitranga?

Aza mandainga fa ilay vert no nampijanona anao teto 😂😭👇

🤣 SPERME : ilay fofona “eau de Javel” iny ve normal?Fanontaniana mety maro no te hametraka fa tsy sahy 🤣Eny, mety ho nor...
24/08/2026

🤣 SPERME : ilay fofona “eau de Javel” iny ve normal?

Fanontaniana mety maro no te hametraka fa tsy sahy 🤣

Eny, mety ho normal 😅
Ny sperme dia somary alcalin ary misy amines, ka mety hanana fofona manakaiky chlore na eau de Javel.

❌ Tsy hoe misy Javel ao anatiny akory an 😂

Fa raha lasa tena maimbo hafahafa, miaraka amin’ny fanaintainana, mangidihidy na écoulement, dia aleo manatona dokotera.

💬 tagueo ilay namanao sur fa nieritreritra an’io fa tsy sahy nanontany? 😂

🧼👙 SILIPO KOA ANIE MILA “SLIP-CARE ROUTINE” E! 😂Mividy silipo tsara kely ianao… dia rehefa afaka kelikely dia gaga hoe m...
21/08/2026

🧼👙 SILIPO KOA ANIE MILA “SLIP-CARE ROUTINE” E! 😂

Mividy silipo tsara kely ianao… dia rehefa afaka kelikely dia gaga hoe maninona ity no toa niady tamin’ny fiainana be izany?

Ireto misy fomba tsotra hikarakarana azy 👇

🫧 1. Sasao tsara rehefa avy nampiasaina
Aza avela hipetraka ela miaraka amin’ny hatsembohana sy pertes. Rano sy savony malefaka no ampy amin’ny ankapobeny. (Aza atao savony manitra)

🧴 2. Aza atao be loatra ny produit manitra na produit mahery na détergent be fa mety hamela résidu amin’ny lamba ka tsy hampahazo aina.

☀️ 3. Ataovy maina tsara : atapy amin’ny masoandro no tena idealy.

🌬️ 4. Rehefa maina tsara (tsara kokoa raha voapasoka) dia ampirimina tsy ho azon’ny loto ohatra hoe apetraka ao anaty tiroir.

😂 BONUS: Raha efa rovitra, simba be na tsy mahazo aina intsony ilay silipo… mety efa tonga ny fotoana hanaovana veloma azy satria manodidina ny 6 volana - 2 taona eo no faharetany amin’ny ankapobeny ka hisaorana izy 🫡👙🤣

💬 Ary ianao: isaka ny inona no mividy silipo? 👀👇

👙😂 SILIPO 9 KARAZANY, FA IZA NO TENA “BEST FRIEND”-NAO?Misy ilay manja kely fa rehefa anaovana elaela dia tsy handry iza...
19/08/2026

👙😂 SILIPO 9 KARAZANY, FA IZA NO TENA “BEST FRIEND”-NAO?

Misy ilay manja kely fa rehefa anaovana elaela dia tsy handry izay hodiana hanoloana azy 😭😂
Misy kosa tsy dia misehoseho… fa confortable 100%!

👉 Torohevitra kely fotsiny hoe raha ilay hanaovana isan’andro, aleo misafidy silipo:

✅ Tsy tery loatra
✅ Matière malefaka ka ny coton no safidy tsotra sy confortable ho an’ny maro
✅ Taille tena mifanaraka aminao : tsy misisika anaty hoditra, no tsy miala ho azy eo amin’ny toerany 😅
✅ Soloina isan’andro, ary soloina koa rehefa lena na avy tsembotsemboka iny

👗 Raha akanjo manarabatana iny indray dia modèle sans couture na tsy dia hita ny sisiny no mety kokoa hampahazo aina sy tsy mamaritra.

🍑 String : Afaka anaovana raha mahazo aina ianao, fa tsy voatery ho safidy isan’andro. Ny tena zava-dehibe: tsy tery, madio ary confortable.

😂 Raha vao ny silipo no mampahatsiahy anao ny fisiany isaky ny 5 minitra, mila soloina izy izay 😂😂😂

👇 Amin’ireo 9 eo amin’ny sary, iza no modèle anaovanao matetika?
Tagueo ilay namanao manana silipo 20 nefa ilay 3 ihany no anaovany foana! 😂👙

👙SILIPO MISY TASY TOA NY NISY EAU DE JAVEL?Indraindray ianao mijery silipo mainty na loko matroka iny dia gaga hoe: 👀 “F...
17/08/2026

👙SILIPO MISY TASY TOA NY NISY EAU DE JAVEL?

Indraindray ianao mijery silipo mainty na loko matroka iny dia gaga hoe: 👀 “Fa iza no nanisy Javel teto e?” 😭😂

👉 Tsy voatery hoe maloto ilay silipo, na ilay sipa ho an’ireo tia mitsaratsara olona !

Tadidio fa ny fivaviana dia manana acidité naturelle (pH acide) izay manampy amin’ny fiarovana azy. Rehefa mifandray matetika amin’ny lamba ny pertes vaginales, dia mety hampihena na hanova ny lokon’ilay lamba izany rehefa mandeha ny fotoana.

➡️ Izay no mahatonga ilay tasy toa miofo be, indrindra amin’ny silipo mainty na miloko maizina.

⚠️Jereo tsara ihany anefa, ny décoloration dia ara-dalàna. Fa raha miaraka amin’ny fofona mahery tsy mahazatra, mangidihidy, fanaintainana, na pertes tsy mahazatra, dia tsara manatona mpitsabo.

💬 Iza no efa nieritreritra hoe nisy nanisy eau de Javel ny silipony? 😂👇

Address

Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Advocacy For Youth Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share