Dr Manitra Rakotoarivony

Dr Manitra Rakotoarivony Groupe Naturopharma

Ho an'ireo mavitrika mpanaraka sy mpifampizara fahasoavana amiko....Anio ALAHADY no isan'ny ANDRO HAMELANA AN’ANDRIAMANI...
16/08/2026

Ho an'ireo mavitrika mpanaraka sy mpifampizara fahasoavana amiko....
Anio ALAHADY no isan'ny ANDRO HAMELANA AN’ANDRIAMANITRA HITONDRA FITAHIANA sy FAHASOAVANA ho ANTSIKA.

🙏 Aza adino fa tsy vatana ihany isika, fa manana saina sy fanahy koa. Rehefa mikarakara ny vatana isika dia manome voninahitra an’Ilay namorona antsika.

🥦🍇 Ny vatana mila sakafo mahasalama sy fitsaharana,
🤷 Ny saina mila eritreritra tsara sy fiadanana,
😇 Ny fanahy mila fifandraisana amin’Andriamanitra.

Amin’ity Alahady ity, aoka isika hamela ny fo ho madio, hanary ny tahotra sy ny hatezerana, satria ny fo milamina dia mitondra fahasalamana ho an’ny fiainana.

Tandremo ny vatanao (misy olona tsy mahavoaboatra tena mihintsy...),
amboary ny sainao (misy olona avao mifoha dia mpandoto saina amin'ny hevi-drtasy...),
ary ankino amin’Andriamanitra ny fanahinao (misy olona mandeha manao jonjorombona fotsiny amin'izao...).

💥💯 Mirary Alahady feno fitahiana sy fahasalamana ho antsika rehetra.

🙏 ITO misy HAFATRA....
Raha amin’ny fomba fijery ara-pinoana (indrindra ao amin’ny Kristianisma), dia misy fahasamihafana lehibe eo amin’ny fahafahan’Andriamanitra sy Satana mahafantatra ny ao am-po.
Andriamanitra dia lazaina fa mahafantatra ny fo sy ny eritreritra lalina indrindra na dia tsy mbola niteny aza isika.

Hoy ny Boky manao hoe:
“Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, ...” (Jeremia 17:10).

Satana kosa, araka ny fampianarana ara-baiboly, dia tsy manana fahalalana mitovy amin’Andriamanitra.
Tsy mahafantatra ny ao am-po amin’ny fomba feno izy.
Tsy Andriamanitra izy ka tsy mahay mamaky ny eritreritra miafina.

SAINGY...
mandinika ny fihetsika sy ny fahazarana izy na ry zareo,
mihaino izay lazain’ny vava,
mahita ny safidy ataon’ny olona,
ary mampiasa izany hamitahana na hakany fanahy izay tsy miambina.

Izany no mahatonga ny fahendrena hoe: tandremo ny teny avoakan’ny vava, satria mety hanambara izay ao anatiny ny teny (Matio 12:34: “Ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava”).

RAHA FINTININA:
Andriamanitra mahita ny fo.
Satana mamantatra amin’ny alalan’ny famantarana: teny, fihetsika, fahalemena, fahazarana.
Noho izany dia zava-dehibe ny manadio ny fo sy mitandrina ny teny, satria samy manana hery lehibe eo amin’ny fiainana ireo.
Bonne journée sady bon dimanche jiaby havako aby!

Eliane Eliane, Bazoly Alfa, Ninic Mihamina, Honorine Rasoamanarivo, Zoelson Randrianindrina, Voahangy Ram, Andriamifidÿ Nofÿ, Hondrasa Sah, Marie Jeannette Raharimalala, Saholy Razaiarinivo, fans

'ndao resahina ilay MANASA matetika. Manasa tanana....Manadio fivaviana....Manasa filahiana....🧼  Ny fanazavana ara-paha...
14/08/2026

'ndao resahina ilay MANASA matetika.
Manasa tanana....
Manadio fivaviana....
Manasa filahiana....

🧼 Ny fanazavana ara-pahasalamana dia izao:

🤩 Alohan'ny hikarakarana ny fivaviana n any fanadiovna afilahiana : sasao aloha ny tanana amin'ny savony sy rano.

🔑💯 Ny antony:
📌 Ny tanana dia mitondra mikraoba maro avy amin’ny tontolo iainana.
Raha mikasika ny faritra manokana amin’ny tanana maloto dia mety hampiditra mikraoba tsy ilaina.
🤲 Ny tanana no mila sasana matetika kokoa, fa tsy ny fivaviana na ny filahiana no mila hosasana tsy misy fetra.
💥🩺 Maro ireo mieritreritra fa rehefa mikarakara fahadiovan’ny vatana dia ny fanasana matetika ny ankasarotana no zava-dehibe indrindra. Kanefa ara-pahasalamana, ny tanana no tena làlana lehibe ampidiran’ny mikraoba ao amin’ny vatana raha tsy mitandrina.
Ny tanana dia mikasika:
vola, finday, varavarana, fitaovana isan-karazany, sakafo,.... ary toerana maro ahitana bakteria sy viriosy.

🤲 Raha tsy voasasa tsara ny tanana dia afaka mitondra mikraoba mankany amin’ny vava ka hiteraka aretin’ny tsinay; ho any amin'ny orona sy maso hiteraka aretin’ny taovam-pisefoana; indrindra raha mandehandeh anay amin'ny taovam-pananahana dia mety hiteraka fahasosoran'ny nakasarotana sy hiteraka aretina tsy azo visavisaina.
🚀🫣 T'ena lava tongotra io tanana io.

HO AN’NY FIVAVIANA KOSA:
🙋 Ny fanadiovana ny faritra ivelany dia ampy amin’ny rano (na savony malefaka tsy manelingelina raha ilaina).
🚧 Tandremana, tsy ilaina ny mampiditra savony ao anatiny na manasa matetika tafahoatra, satria mety hanimba ny fifandanjan’ireo bakteria tsara antsoina hoe flore vaginale na microbiotes vaginale izany, indrindra ilay fantatra anarana hoe: Lactobacilles izay mitazona ny asidra ilaina hiarovana ny lalanjaza na lalan-javatra.
Raha sasana tafahoatra amin’ny savony na produits manimanitra matetika dia mety hanimba ireo bakteria mpiaro iznay.
😒 manova ny pH, izay mampitombo ny mety hisian’ny mycose izay hampangidihidy ilay taova sarobidinao izany.

🔑💯 Ny fivaviana kosa: fahadiovana ivelany ampy, tsy mila fanasana lalina matetika..

🚿 FANADIOVANA NY FILAHIANA:
🧛 Ho an’ny ankamaroan’ny Malagasy dia efa natao famorana (circoncision) ka tsy misy intsony ilay hoditra manarona ny lohan’ny filahiana (prépuce). Noho izany, mora kokoa ny fikarakarana ny fahadiovan'ilaikely.
🔑🩺 Sasao amin’ny rano ny faritra ivelany, sy ireo kitapom-bihy, indrindra ny manodidina ny lohan’ny filahiana sy ny faritra misy vala kely mety hisy loto.
🤷 Hamainina tsara rehefa avy misasa, satria ny hamandoana maharitra dia mety hanamora ny fitomboan’ny mycose sy hiteraka fahasosorana izany.
Savony tsotra tsy mahery ampiasaina hisasana r'isé a .

🥚 FANADIOVANA IREO KITAPOM-BIHY (TESTICULES).
📌 Sasao amin’ny rano sy savony malefaka ny hoditra manodidina ny kitapom-bihy, rano mangatsikaa no tsara fa aza atao rano mafana .
💥 Tandremana ny faritra mifandray amin’ny foto-pe satria mora mitahiry hatsembohana sy hamandoana .
Hamainina tsara rehefa avy misasa, indrindra rehefa avy manao fanatanjahan-tena na avy miasa mafy.

FEHINY:
Rehefa ahanasa sy hanadio ny ankasarotana dia ny tanana aloha no sasana amin'ny rano sy savony.
Aza zatra manasa lalanjaza matetika ranabavy a.

Ny FAMORANA dia manamora ny fahadiovan’ny filahiana, saingy mbola ilaina hatrany ny fanadiovana ara-dalàna sy fahamainan'ilaikely sy ny manodidina aazy. Tsy ny fanasana be no antoka ho salama, fa ny fahazarana madio sy manaja ny vatana.

Vololona Rahantamalala, Lea Marie, Noro Andrianakanga, Rosa Andrée Bakolinirina, Jemisa Ra, Hortense Raharisoa, Jaona Ramarolahy, Norotiana Mahefasoa, Ralantoarisoa Voahirana, Lova Rakoto, Angeline Ravolab, Hanitra Rasolofoarisoa, Solange Rafalisiravo, Noro Michou, To Be Hasina, Rodine Jeanne Alsette, Sam Mi Lai Haingotiana, Voahirana Razafindrafahatra, Lova Adrien, Andriantsoa Landy, Maminiaina Rakotoarisoa, Vololona Rivoarinjaka, Toavina Aime, Lovasoa Raharimandimby, Mickael Dami Razafindrableu, Rasolohery Mialimampianina, Bodonirina Randi, Julie Razafy, Francois Emile, Fanjanirina Rakotondranaivo, Mialy Randria, Beni Emilia, Ralay Sam, Ny Hasina, Lanto Rasoamanana

🇲🇬🩺 POLIO SY VAKSINY : TOKONY HATAO LAHARAM-PAHAMEHANA NY FIFANDRAISANA AMIN’NY VAHOAKAMaro ny fanontaniana sy ahiahy mi...
09/08/2026

🇲🇬🩺 POLIO SY VAKSINY : TOKONY HATAO LAHARAM-PAHAMEHANA NY FIFANDRAISANA AMIN’NY VAHOAKA
Maro ny fanontaniana sy ahiahy mipetraka amin’izao fotoana izao momba ny fanaovana vaksiny iadiana amin’ny polio, indrindra any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara.

Ho ahy manokana dia ilaina sy ara-dalana ny famrtrahana fanontaniana.
❓ Nahoana no any amin’ny faritra Atsimo no anaovana ity hetsika ity?
❓ Misy tranga polio indray ve?
❓ Inona marina no mety nitetaka Ilay tranga voamarina?
❓ Nahoana no misy vaksiny polio omena amin’ny vava sy atsindrona?
❓ Inona ny tombontsoa ary inona ny loza mety hitranga?
❓ Nahoana no mbola misy zaza tsy nahazo vaksiny mihitsy?

👉 Ireo fanontaniana ireo indrindra no mampiseho fa ilaina ny fanamafisana ny fifandraisana sy ny fanazavana ara-pahasalamana amin’ny vahoaka.

🗣️ TSY AMPY NY MITENY HOE:
“Ento atao vaksiny ny zanakao.”

TOKONY HAZAVAINA KOA:
🔹 Inona marina ny toe-draharaha misy?
🔹 Nahoana no faritra sasany no kendrena amin'ilay hetsika fanaovam-baksiny?
🔹 Inona no atao hoe cVDPV1?
🔹 Inona ny maha samihafa ny vaksiny omena amin’ny vava sy ilay vaksiny atsindrona?
🔹 Inona ny tombontsoa azo avy amin’ny vaksiny?
🔹 Inona ny loza mety hitranga ary ahoana no fanaraha-maso azy?
🔹 Inona no vokatra azo tamin’ireo hetsika natao teo aloha?
🔹 Ary indrindra: inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny?

❤️ TSY TOKONY HANDOSIRANA NY FANONTANIANA
Raha manontany ny ray aman-dreny hoe: "Azo antoka ve ity vaksiny ity?”

🪔 Tsy tokony homen-tsiny izy,
Tsy tokony hampitahorina koa anefa,
Tsy tokony holazaina fotsiny hoe:
“Araho fotsiny fa efa fanapahan-kevitra izany.”

FA TOKONY MISY HAVALY HATRANY:.. Izao... no antony hanaovana Ilay hetsika. .. Izao... no tombontsoaho azo sy andrasana. .. Izao... no loza mety hitranga Raha mbola maro ny tsy manao vaksiny. .. Izao... no fomba fanaraha-maso Ilay aretina polio.
Ary ... izao sy izao ... no fomba hiarovantsika ny zanantsika.

🔊 Izany no atao hoe fifandraisana ara-pahasalamana mifototra amin’ny fanajana sy ny fahatokisana.

🇲🇬 LESONA LEHIBE AVY TAMIN’NY COVID-19 no zaraiko hampatsiahiviko antsika.
Nampianatra antsika zavatra iray lehibe ny vanim-potoanan’ny COVID-19:

💥 TANDREMO fa rehefa misy banga eo amin’ny fanazavana, dia fenoin'ny olona haingana amin’ny tsaho sy vaovao tsy marina izany.

🩺 HO AN’IREO TOMPON’ANDRAIKITRA ARA-PAHASALAMANA MAHITA ITO RANTY ITO...
🙏 Tsy fanakianana izao ataoko izao.
🙏 Tolo-kevitra hanatsarana ny efa natao izao.
👉 Manana mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana maro i Madagasikara, 💸 Manana traikefa ary manana mpiara-miombon’antoka maro amin’ny sehatry ny vaksiny isika.

🩺💯 Fa afaka manao bebe kokoa ianareo. Na hiady amin'ny POLIO na hanohitra ny KITROTRO.

📌💯 VITANAREO IO... COURAGE ...

⏳ REINS : AZA MIANDRY NY DIALYSE VAO MIKARAKARA NY VOAKarakarao ny voanao dieny mbola tsy mitaraina izy.💝🩺💯 Niarahantsik...
08/08/2026

⏳ REINS : AZA MIANDRY NY DIALYSE VAO MIKARAKARA NY VOA
Karakarao ny voanao dieny mbola tsy mitaraina izy.

💝🩺💯 Niarahantsika naheno sy nahita ny VAOVAO TSARA nomen'ny Ministera misahana ny fahasalamam-bahoaka amin'ny EZAKA ATAONY amin’ny fanamafisana ny TOLOTRA DIALYSE sy ny fampihenana ny saran’izany.

Satria rehefa tonga amin’ny insuffisance rénale avancée ny voa ka tsy mahavita ny asany intsony, dia tena ilaina ny dialyse.

🙏 Koa tokony hojerena tsara sy tohanana ny ezaka rehetra manamora ny fahazoan’ny marary an’io fitsaboana io.
SAINGY ... Misy fanontaniana iray lehibe tokony hapetratsika:

👉 Ahoana kosa no hisorohana ny olona maro MBA tsy hahatongavana amin’ny fotoana mila dialyse?
Satria misoko mangina ny fahasimban’ny voa tompoko.

Ny iray amin’ireo olana lehibe amin’ny ARETIN'NY VOA MITARAZOKA dia ny hoe mety hivoatra tsikelikely ary tsy misy soritr’aretina mazava io olan'ny voa io .
💝🔑 HAFATRA HO ANTSIKA JIABY
Mety mbola mahatsapa tena salama tsara ny olona, kanefa efa misy fiovana eo amin’ny fiasan’ny voa.

Izany no mahatonga antsika tsy tokony hiandry:
📌 fivontosana amin’ny tongotra,
📌 fahalemena sy faharerahana be,
📌 soritr’aretina hafa heverina ho tsy manan-danja manelingrlina...
💥 SAO ilay mavesabesatra sy marary eo amin'ny andilana ...vao hieritreritra ny voa sao misy olana .

Ny tanjona dia ny hahitana ny olana alohan’ny hahatongavany amin’ny dingana mahavery fanantenana .

🩺 IZA NO TOKONY HO MAILO INDRINDRA?

Mila mitandrina manokana ireo olona manana:

🔸 Toe-batana Diabetika, manomboka amin'ilay toe-batana mpanohitra insuline,
🔸 Tosidra ambony tsy milamina,
🔸 Lanja mihoapampana miampy tavy bé,
🔸 Aretim-po na aretin’ny lalan-dra
🔸 Tantaram-pianakaviana misy aretin’ny voa
🔸 Tantaran’ny tsy fiasan'ny voa teo aloha,
🔸 Aretina manakantsakana ny fivalanan-drano na olan'ny fahatsetsanan'ny lalan'amany,
🔸 Fampiasana matetika fanafody sasantsasany mety hisy fiantraikany amin’ny voa ...

🔬 INONA NO TOKONY HOJERENA?

Tsy ampyny miteny hoe:
« Normal ny créatinine-ko, ka salama ny voako.»

💻 Ny fanombanana ny fahasalaman’ny voa dia Ilana fanatonana Dokotera hangataka fitiliana vitsivitsy fa tsy Ilay 🧪 créatinine, na
🩸 Tension artérielle, na
🩸 Glycémie raha misy ambana diabeta,
TANDREMO NY fihinanana fanafody tsy nandalo toro-marika tamin'ny mpitsabo.

💊 Tandremo ny automédication havako ô! indrindra ireny fanafody manala fivontisana sy manala fanaintainana ireny.
👉 Tsy midika izany hoe tsy azo ampiasaina mihitsy izy ireny

FANONTANIANA MILA VALINY avy amin'ny rehetra.
«Ahoana no hahitana aloha ny olona atahorana eo amin'ny voa?»
«Ahoana no hifehezana aloha ny diabeta sy ny tosidrà ?»
«Ahoana no hampiadana ny fivoharan'ny aretin'ny voa ?»

🩺 RAHOVIANA VAO HO MAILOMAILO?

Ny dialyse dia tokony ho vonona rehefa ilaina.
Fa ny FISOROHANA ny aretin’ny voa dia tokony hanomboka mialoha.

🟢 Dingana 1 — Voa mbola salama:
Manaova fitiliana sy fisorohana.
🟡 Dingana 2 — Mañana ambana :
diabète, HTA, obésité,, sns...: Manaova fanaraha-maso matetika.
🟠 Dingana 3 — Manana aretin'ny voa: araho ny fitsaboana sy fanaraha-maso. .
🔴 Dingana 4 — Manana aretin'ny voa efa tena mila fiankinana amin'ny dialyse eo ampiandrasana ny fanolorana taova Raha ilaina.... Araho tsara ireo toromarika omen'ny mpitsabo anao.
⚫ Dingana 5 — Insuffisance rénale terminale (nataoko teny vahiny fa manahirana Ilay teny malagasy mahalaza azy.: satria tena Ilana dialyse na famindrzna taova arakaraka ny toe-javatra misy.

Ho lava ny resaka fa aleo tsorina: Averiko indray. Aza miandry ny dialyse vao mikarakara ny voa. Ny fisorohana ny fahasimban’ny voa no fitsaboana tsara indrindra.

Voarainareo vé r'ireto tompoko hajaina?
Voahangy Rabary, Andonaina Faramalala, Lanto Rasoamanana, Bernard Rahaingotiana, Norotiana Volaniaina Rakotoson, Sendranirina Hasinarivo Ramizavelo, Hanitra Rasolofoarisoa, Marcelle Ranorosoaritiana, Landisoa Raminoarijao, Naridera Rakotondrazaka, Holiariamanana Rasamison, Manantsiaro Finaritra Rakotojoela, Élie Randria, Chouzat Mansouraly, Marilyn Rakoto, Bio-Jah Jing-janga, Vallyh Rnh, Tosta'oh Therephrasin, Maminiaina Lova Andria, Hajasoa Raheliarijaona, Charline Ratsimialinoro, Sifu Celestin, Nivo Ranivoharisoa, Rija David, Zandry Gasy Manantena, Soloniaina Raharinirinha, Liva Andriamanjato, Ando Fandresena, Landy Gasimiaro, Tsiferana Randriamanampy, Ikala Velo, Rinà Rasoloarijaona, Lala Elise Razafintsalama, Lova Adrien, Fenosoa Stephan, Cici Ravaomandroso, Bodo Rmghy, Maro Mandimby, Haja Hery Ramaminiafiana, Angela Tsima, Rafano Lepapa, Meliarisoaniaina Rajaonarivelo, Iony Ran, Parah Rakoto Ny Aina, Saholy Rafeliarivo, Ninisy Bebenisy, Ramose Jean, Hanitriniaina Clarisse, Rovatsarafidy Rabenah, Manantenasoa Randriam

06/08/2026

🎂 Ho anareo namana amaan-tsakaiza mankalaza anniversaire androany…

💥💯 Aza miandry olona hafa hampifaly vao ho faly. Ny fahasambarana dia fanomezana azonao omena ny tenanao ihany koa. ❤️

Mankalazà ny fiainana, isaory ny vatanao izay niasa isan’andro nitondra anao hatreto, ary omeo lanja ny fotoana kely mahafaly anio.

🚀 Ny fifaliana dia tsy voatery avy amin’ny fanomezana lehibe na teny avy amin’ny olona maro ihany, fa mety avy amin’ny:

😍 fankasitrahana ny aina,
😊 tsiky kely,
🙏 fahafahana mbola manohy ny dia,
❤️ fitiavana ifampizarana omena sy raisina.

🩺💯 Ara-pahasalamana, ny fifaliana sy ny toe-tsaina miabo dia manampy amin’ny fampihenana ny adin-tsaina ary manohana ny fifandanjan’ny vatana.

Koa amin’ity andro manokana ity:

🎉 Mifalia, mankalazà, ary tiavo ny tenanao… satria mendrika ny hankalazaina ianao!
Mirary anniversaire sambatra sy fahasalamana feno! 🌹 Tiana Josée Raheliarisoa, Lanto Tiana Razafimanantsoa, Bakoliarisoa Ratovoson, Vonjy Ravalison, Lovatiana Rakotomalala, Mi Rahaingo, Ralison Andriamandranto, Harifetraniaina Ranaivosoa, Yndal Rasoanandrasana, Leo Ra, Bodo Rakoto, Ravack Jouannah Rafanomezantsoa, Suzette Raz, Milantosoa Zoherifidy, Zk Tsila Tsiksh, Tamara Arinony Rasalama, Marie Ange Raharimalala, Bien Aimée Rahanitriniaina, JV Rajaonhson, Holivololona Samson Rakotoarison Harimanana, Dawu Ratianarivo, Vololona Rabenjarinivo, Jacqueline Rasoamanambelo, Mihaja Randrianatoandro, Fanjanirina Rakotondranaivo, Laurette Rafara, Mamisoa Marinah, Randriamanana Niry, Michou Yannick Ravalitera, Tiana Raoelisoa, Rh Rh Veve, Mamie Ravonjison, Hery Niaina Randriamananjara, Rajaonah Hantanirina, Mosesy Randrianarinony, Ninic Mihamina, Tiavina Titti, Hery Maharavo, Malala Olivia, Nivoseheno Ramanantsimiavona, Volaharisoa Raharinaivo, Haingo Firaza, Aly Christinah, Rosa Raoel, Noarijesy Eléonore Rasoamanana, Nirina Andriampeno, Mamy Wonder Voromahery, Vololona Andrianaivoherintsoa, Volatiana Randrianarisoa, David Ravonison

🥗🩺 Araka ny lova navelan’i Hippocrate: ny sakafo dia isan’ny andry voalohan'ny fahasalamana. Tsy ny fanafody ihany no mi...
05/08/2026

🥗🩺 Araka ny lova navelan’i Hippocrate: ny sakafo dia isan’ny andry voalohan'ny fahasalamana. Tsy ny fanafody ihany no mikarakara vatana, fa ny zavatra ataontsika isan’andro eo amin’ny lovia ihany koa.”

SATRIA ;

🔑💯 ny sakafo dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fahasalamana,
🙏🩺 ny fomba fiaina sy ny sakafo dia tokony hojerena amin’ny fisorohana aretina,
🔑💯 ny vatana dia mila fikarakarana sy fifandanjana.
Ny sakafo dia fototra lehibe amin’ny fahasalamana, saingy tsy misolo fitsaboana rehefa misy aretina mila fanaraha-maso ara-pitsaboana.

💥💯 Fitsipika mora tadidy amin'ny SAKAFO Malagasy.

🥬 Ilaina ny anana maitso,
🥚 Proteinina isaky ny sakafo, ilay avy amin'ny zavamaniry sy biby,
🍚 Sakafo misy tavolo amin’ny fatra mety, aza atao bé loatra.
🌰 Voanjo sy voa hitondra magnésium
☕ Kafe amin’ny antonony
💧 Rano ampy

⛽ Ny tanjona dia tsy ny mitady sakafo “tonga lafatra”, fa ny manao lovia voalanjalanja isan’andro izay manohana ny atidoha, ny nofo/hozatra, ny taolana ary ny metabolisma.

🤩 Rehefa mahandro voamaina dia ito misy fikafika kely efa hadinonareo.

Fomba tsara azo ampiharina:
🫘 Sasao tsara ny voamaina (Tsaramaso, tsiasisa, voanjobory...),

💥 Raha tsaramaso na voanemba: tsara ny mandona azy 12 ora (mandritra ny Alina ohatra).

🌝 Rehefa maraina dia ariana ilay rano nandomana azy.

🫕 Andrahoina amin’ny rano vaovao mandra-pahamasaka tsara.

📌 Tsara kokoa raha ampiarahina ohanina aamin'ny anamalaho, tongolo, sakamalaho, zava-manitra manampy tsiro.

Izany dia manampy:
🥗 fandevonan-kanina tsara kokoa,
🦠 fahasalaman’ny microbiote ao amin'ny tsinay,
🔑 Manala ilay singa manahirana ny vatana toy ny oxalate sy ny phytates... sy ireo oligosaccharides (siramamy sarotra levonina, toy ny raffinose sy stachyose),

ZAVA-DEHIBE koa ....
💨 fihenan’ny entona na rivotra, (tsy mampangetotra bé r'ireto a!)

🩺💯 Ny tanjona dia tsy ny hanala mineraly rehetra, fa ny hanala ireo zavatra manelingelina nefa mitahiry ny tombontsoa ara-tsakafo.
fans

KABARO no kabaka teto. Mpiasan'ny fahasalamana no mihinana. Aleo ny kabaro no betsaka fa tsy ny vary...

'TY ILAY RESAKA NISY NANGATAKA E!🧠 SPASMOPHILIE : Tsy calcium fotsiny no olana!⛈️ Aza miady irery amin’ny soritr’aretina...
04/08/2026

'TY ILAY RESAKA NISY NANGATAKA E!

🧠 SPASMOPHILIE : Tsy calcium fotsiny no olana!

⛈️ Aza miady irery amin’ny soritr’aretina. Mitadiava fanazavana marina sy fanampiana ara-pahasalamana.

Maro ny olona mahatsapa:
🩺 fihovitrovitry ny nofo,
🩺 mangorintsina na manindrona toy ny fanjaitra madinika,
🩺 fahatsentsenan’ny tanana na tongotra,
🩺 fangejana na crampes amin’ny hozatra,
🩺 fahatsapana sempotra,
🩺 fitempon’ny fo mafy, fanina na tahotra tampoka.

Dia maro no mieritreritra avy hatrany hoe: “tsy ampy calcium aho” ka mividy calcium na tsindrona nefa tsy fantatra akory ny tena antony.

🫣 Marina fa mety hisy ifandraisany amin’ny calcium ambany sy ny magnésium ny fangejan’ny hozatra, saingy tsy izany irery no antony.

Ilay lazainareo hoe: spasmophilie dia mety hifandray amin’ny:
😰 adin-tsaina sy tebiteby,
🌬️ fiovan’ny fifohana rivotra, satria mifoka rivotra haingana sy lalina loatra,
🧠 fahatsapan’ny rafi-pitatitra hafatra AVY nay amin'ny atidoha ho mora taitra.

Rehefa mifoka rivotra tafahoatra tokoa ny olona noho ny tahotra, dia mety hiova vetivety ny fifandanjan’ny CO₂ sy ny asidra ao anaty rà, ka mahatonga:
📌 mangorintsina sy mangorovitsika ny ratsam-batana,
📌 fangejan’ny nofo sy hozatra,
📌 fahatsapana hoe tsy ampy rivotra fohana...

🎻 Ny vatana dia toy ny orchestra: ny calcium dia iray amin’ireo mpitendry, fa tsy izy irery no mifehy ny hira. Mila fifandanjana daholo ny atidoha, ny rafi-pitatitra, ny taovam-pisefoana ary ny mineraly.

INONA NO ATAO?

💥 Fantarina aloha ny tena antony.
💥 Mianatra mifehy ny fifohana rivotra rehefa tonga ny krizy.
💥 Mampihena adin-tsaina ary manatsara torimaso.
💥 Mihinana sakafo manankarena calcium sy magnésium. Averiko 'ndray sakafo.
💥 Raha miverimberina dia manatona mpitsabo mba hanavahana azy amin’ny aretina hafa.

FEHINY

📌 Ilay antsoinareo hoe spasmophilie dia tsy olana calcium fotsiny. Ny fahatakarana ny fomba fiasan’ny vatana no manampy antsika hifehy azy.

🩺 Ny mpitsabo mihaino tsara sy mandinika ny tantaranao dia afaka manampy hahita ny vahaolana mifanaraka amin’ny tena antony.

Tsarovy fa rehefa tonga ny tebiteby sy ny tahotra dia mila mitady fitoniana isika fa tsy avela hifehy antsika ny tahotra.
Mb avakio ilay 2 Timoty 1:7

Sary maneho ireo Tanora moana sy marenina tsy MBA manana tebiteby na dia izany aza...
ONG MAHASOA Antsirane.

🙏 Misaotra indrindra anareo rehetra izay manaraka sy manohana ny pejintsika hatrany.❤️ Fifaliana ho ahy ny milaza fa ian...
04/08/2026

🙏 Misaotra indrindra anareo rehetra izay manaraka sy manohana ny pejintsika hatrany.

❤️ Fifaliana ho ahy ny milaza fa ianareo no isan’ireo mpanaraka mavitrika indrindra ary tafiditra ao anatin’ny lisitry ny olona manome hery amin’ny alalan’ny fifandraisana sy fanehoan-kevitra isan-kerinandro.

💙 Ny fanohanana ataonareo dia mampahery hanohy hizara fahalalana sy fanentanana momba ny fahasalamana marina sy maharitra.

Kanefa tsarovy fa ny fahasalamana dia andraikitry ny tsirairay:
📌💯 Tandremo ny sakafo haninareo, fa ny sakafo no fototry ny fahasalamana.
📌💯 Manaova fampiasam-batana araka izay tratra.
📌💯 Aza miandry aretina vao manao fitiliana (tosi-dra, siramamy, tavy ao anaty rà...).
📌💯 Omeo lanja ny torimaso sy ny fialan-tsasatra, satria mila fanarenana ny vatana.
📌💯 Mihainoa ireo famantarana omen’ny vatana ary aza misalasala manatona mpitsabo rehefa misy ahiahy.
🙏 Ny tanjona dia tsy ny hiaina ela fotsiny, fa ny hiaina salama, mavitrika ary feno hery.

🙏 Mankasitraka anareo rehetra. Tohizantsika miaraka ny fanabeazana sy fanentanana ho an’ny fahasalamana miabo.
Annie Andrianarivelo, Honorine Rasoamanarivo, Ninic Mihamina, Jo Ranaivo, Josée Razanadrainibe, Elisabeth Clara, Narison Nirina, Aina Mamy, Ar Vonjy, Fidy Nomenjanahary

🙏 MANKASITRAKA ANAO REHETRA MANARAKA SY MANOHANA 🙏Faly sy feno fankasitrahana aho mahita fa mitombo hatrany ny olona lia...
03/08/2026

🙏 MANKASITRAKA ANAO REHETRA MANARAKA SY MANOHANA 🙏

Faly sy feno fankasitrahana aho mahita fa mitombo hatrany ny olona liana amin’ny fanentanana ara-pahasalamana miabo. ❤️

📈 Tao anatin’ny 28 andro monja dia nahitana:

♻️ Olona 136 000 mifampiresaka (+197%)

⛽ Mpankafy vaovao mihoatra ny 4 300 (+322%)

📌💯 Tsy isa fotsiny ireo, fa olona maro mitady fahalalana, mandray torohevitra ary mifampizara hafatra afaka manampy azy ireo hiaina salama kokoa.

🙏 28 ANDRO… toy ny tsingerin'ny fadimbolan'ny vehivavy ihany 😄

📌 Ny vatanan'ny vehivavy dia manana tsingerina 28 andro:
🌞 misy fotoana mitombo hery,
💫 misy fotoana miovaova,
⛈️ misy fotoana mila fitandremana… fa rehefa voakarakara tsara dia miverina amin’ny filaminana indray. 🌸

Toy izany koa ny pejintsika eto:
📅 28 andro no nijerena ny diany…
📌 nisy andro nangina kely 😌,
📌 nisy andro niakatra tampoka ny hormonen’ny publication 😂,
📌 ary nisy andro namoaka hafatra nahazo fitiavana be avy aminareo.
🎁 Fa ilay andron'ny ovulation dia ilay fandraisanareo anjara: mamaky, mizara ary manaparitaka fahasalamana. ❤️

💥 Ny tanjona dia tsy ny hanana mpanaraka betsaka fotsiny, fa ny hifampizarana:

🩺 fahalalana ara-pahasalamana marina
🥗 fahazarana mahasalama
🏃 fomba fiaina miaro amin’ny aretina
📢 hafatra manome fanantenana sy hery

💙 Misaotra anareo rehetra mamaky, mizara, mametraka fanontaniana ary manohana.

💚 'ndao mbola hiara-hanitatra ity hafatra ity, satria ny fahasalamana no harena lehibe indrindra, ary ny fahalalana no dingana voalohany hiarovana azy.

💥 Mirary antsika rehetra hitombo hatrany amin’ny fahasalamana, fahiratan-tsaina ary fahombiazana. ❤️


VOLANA AOGISITRA, VOLANA VAOVAO.... ALAHADY VOALOHANY.💥⏳ AZA MIALA FA VAKIO HATRAMIN'NY FARANY,Tsiahiviko aminao ny tant...
02/08/2026

VOLANA AOGISITRA, VOLANA VAOVAO.... ALAHADY VOALOHANY.

💥⏳ AZA MIALA FA VAKIO HATRAMIN'NY FARANY,
Tsiahiviko aminao ny tantaran'i JOY PYFER mpilalao UFC naratra sy tsy nilavo lefona fa naneho Ilay fahaterahana indray.

🤩💯 Ny tantaran'i Joe Pyfer dia iray amin'ireo tantara tena mampiseho ny faharetana na résilience hoy ianareo sy Ilay atao hoe renaissance indray.
Fony mbola zaza izy dia niaina tao anaty herisetra ara-batana sy ara-tsaina tao an-tranony. Noho izany dia nandositra ny tranony tamin'ny faha-16 taonany ary niaina tao anatin'ny fahasahiranana, indraindray tsy nanana trano hipetrahana akory.
Namana no nampiatrano azy ka nanampy azy ahatanteraka ny nofinofiny....

🪔 Tamin'ny taona 2020 (andron'ny COVID) nahazo fotoana hiady tao amin'ny Dana White's Contender Series IZY, izay vavahady hidirana ao amin'ny UFC. SAINGY nandritra ny ady dia folaka sy tapaka mafy ny kihony ka voatery najanona ny lalao. Toa nanjavona Ilay nofinofiny... Natahotra izy fa mety hifarana teo ny nofinofiny.

☔ Nandritra ny fotoana nitsaboana azy dia niaiky izy fa tena kivy, ary nisy fotoana aza nieritreritra ny hamono tena. Kanefa tsy nanaiky ho resin'ny fahoriana izy.

🔑 Nanao rééducation nandritra ny herintaona mahery izy, niverina niady, ary nahazo indray ny fahafahana tao amin'ny Contender Series tamin'ny taona 2022.
💥💯 Tamin'ity indray mitoraka ity dia nandresy tamin'ny KO, teo amin'ny fidirana voalohany izy ary nahazo fifanarahana tao amin'ny UFC.

👉 Hatramin'izay dia nitohy ny fandrosoany ka lasa iray amin'ireo mpiady malaza ao amin'ny UFC i JO PEYFER.

LESONA azo raisina.
🔦 Ny ratra dia tsy voatery ho faran'ny lalana. Indraindray izy no fiandohan'ny renaissance. Tsy ny fianjerana no mamaritra anao, fa ny fomba itsangananao indray.

💝 Izany no antony mahatonga ny tantaran'i JO PEYFER ho loharanon'aingam-panahy ho an'ny olona maro: na dia naratra mafy aza, nandalo fahaketrahana sy fahoriana, dia tsy nilavo lefona izy fa nitsangana indray ary nanatanteraka ny nofinofiny.

📌💯 METEZA HO TOA AN'I JO PEYFER!

💪 Manajà mandrakariva anefa ny rehetra, fa aza avela hisy hampihemotra anao noho ny tahotra.

📌 Mijoroa amin'ny fahamarinana, miasà mafy, ary minoa ny herinao.

📌 Aoka ianao ho tahaka an'i Joe Pyfer. Niainga avy amin'ny tsy fananana, nandalo fahoriana sy ratram-po, nefa tsy nilavo lefona fa lasa olona nahatanteraka ny nofinofiny.

📌 Raha toa ianao ka mahatsiaro ho reraka, kivy, na mihevitra fa tara loatra hanazava ny fiainanao, dia tsarovy fa tsy ny toerana iandohanao no mamaritra ny hoavinao, fa ny fanapahan-kevitrao tsy hiala amin'ny ady...

📌 Mety ho mafy ny ady iainanao ankehitriny, saingy tsy voatery ho io no toko farany amin'ny tantaranao.

📌 Mety ho io indrindra no manomana anao ho amin'ny fiainana vaovao.

📌 Aza kivy. Aza manaiky ho resin'ny zava-tsarotra. Minoa, miezaha, ary mitsangàna isaky ny lavo.

💝 AVERIKO HATRANY FA Ny olona lehibe indrindra dia tsy ireo tsy mbola lavo, fa ireo lavo nefa mbola nitsangana indray. 💪🔥
fans

Address

Ampefiloha Bloc 13
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 16:00
Tuesday 08:00 - 16:00
Wednesday 08:00 - 16:00
Thursday 08:00 - 16:00
Friday 08:00 - 16:00
Saturday 08:00 - 12:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Dr Manitra Rakotoarivony posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share