20/03/2026
Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Fahasalaman’ny nify sy ati-vava : 20 Martsa 2026
Amin’izao Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Fahasalaman’ny nify sy ati-vava, ankalazaina isaky ny 20 Martsa, dia manentana ny vahoaka malagasy rehetra ny Ordre National des Odonto-Stomatologistes de Madagascar (ONOS) mba hanome lanja manokana ny Fahasalaman’ny nify sy ati-vava, izay ampahany lehibe amin’ny fahasalamana ankapobeny sy ny fiainana andavanandro.
Ny lohahevitra amin’ity taona ity : “Vava salama… fiainana sambatra”, dia mampatsiahy fa ny fahasalaman’ny vava dia manan-danja amin’ny dingana rehetra amin’ny fiainana, hatramin’ny fahazazana ka hatramin’ny fahanterana.
Isan’andro, ny vava no ahafahantsika mihinana, miresaka, mitsiky ary mifandray amin’ny hafa.
Noho izany, ny vava salama dia mitondra fahasalamana sy fahasambarana ho an’ny tsirairay.
Na dia isan’ny aretina be mpahazo aza ny aretin’ny nify sy ny hihy, dia azo sorohana mora foana izy ireny amin’ny alalan’ny fahazarana tsotra sy fanaraha-maso tsy tapaka ataon’ny mpitsabo nify.
Koa manentana ny rehetra mba hanaraka ireto fitsipika manaraka ireto :
• miborosy nify isan’andro aorian’ny sakafo,
• misoroka sakafo be siramamy,
• manatona mpitsabo nify indray mandeha isan-taona farafahakeliny,
• mampianatra ny ankizy ny fahadiovan’ny vava sy nify hatramin’ny fahazazana.
Amin’izao fotoana izao, ny ONOS, miaraka amin’ireo Conseils Régionaux (COROS) sy ny mpiara-miombon’antoka, dia manatanteraka hetsika manerana ny Nosy, toy ny :
• fitiliana sy torohevitra maimaimpoana,
• fanabeazana eny an-tsekoly,
• fanentanana ho an’ny daholobe,
• hetsika sosialy eny amin’ny faritra.
Manamafy ihany koa ny ONOS fa ilaina ny manatona mpitsabo nify ara-dalàna sy voasoratra ao amin’ny Ordre, mba hialana amin’ny loza ateraky ny fisolokiana sy ny fitsaboana tsy ara-dalàna.
« Ny vava salama dia antoky ny fiainana sambatra. »