30/04/2026
🏆 ASIEF REGIONAL 2025
Notanterahina ny Asabotsy 25 aprily 2026 lasa teo ny Asief Regional 2025 ho an’ny athlétisme, tao amin’ny kianjan’Alarobia.
🥇 Nibata ny laharana voalohany ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) — vokatra mendrika avy amin’ny ezaka sy ny fahafoizan-tenan’ny tsirairay.
Tsy fandresena tsotra izao izy ity, fa mariky ny:
✨ fiaraha-mientana
✨ fanazaran-tena
✨ finiavana
🙏 Fankasitrahana feno ho an’ireo mpikarakara nahavita nanomana ny hetsika lehibe, ho an’ireo mpandray anjara rehetra izay nampiseho ny heriny sy ny talentany, ary ho an’ireo mpitarika sy tompon’andraikitra ao amin’ny Minisiterantsika izay nanohana tsy an-kijanona.
🔥 Ity fandresena ity dia mampahatsiahy antsika fa rehefa miray hina sy miezaka miaraka, tsy misy tsy ho tratra.
Mitohy ny ezaka, mbola lavitra ny lalana — fa efa mazava ny tanjona.