RAPHA Madagascar

RAPHA Madagascar RAPHA dia orinasa manao fitsaboana natoraly amin'ny alalan'ny fampiasana lohamenaka isan-karazany Ilaina ny VINA hamaritana ny ho avy.

Rapha Madagascar, 10 taona!
10 taona nikarohana sy namokarana ary nampiasana ireo vokatra natoraly manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ho fiarovana, ho fisorohana sy ho fitsaboana ary ho fanamaivanana ny fanaitainana.

10 taona niara-niasa sy nisokatra tamin’ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny sehatry ny fitsaboana mahazatra sy nentim-paharazana ary ny fitsaboana natoraly.

10 taona nahatsap

ana fa tena ilain’ny be sy ny maro ny fitsaboana natoraly. Ny Ho avy

Hotohizana ny asa efa natomboka, hatsaraina hatrany ireo vokatra natoraly misy ary tsy hijanona ny fikarohana. Vonona hatrany hiara-miasa amin’ny rehetra sy ny fanjakana Malagasy. Ilaina koa ny fiovana ka arahina finoana sy fitiavana izany . Apetraka mazava ny tanjona, arahina fanamby. Tanterahina avy hatrany ny asa efa nekena hatao. Haintsika sy vitatnsika io ary ny fandresena sy ny fahombiazana no faneva atsangatsika hatrany hatrany . Miaraka amintsika Andriamanitra. Ho Azy irery ihany ny dera sy laza ary ny voninahitra mandrakizay. Godfroy RALAINDRATSIRY
Talen’ny Rapha Madagascar

Address

Lot 1116E343 Mahazoarivo Sud
Antsirabe

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00

Telephone

+261341911271

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when RAPHA Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to RAPHA Madagascar:

Shortcuts

Share