Hopitaly Avotr'Aina Andrainjato Fianarantsoa

  • Home
  • Hopitaly Avotr'Aina Andrainjato Fianarantsoa

Hopitaly Avotr'Aina Andrainjato Fianarantsoa Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Hopitaly Avotr'Aina Andrainjato Fianarantsoa, Medical and health, .

Forazaza forazaza🥋 Avy koa ty ny ririnina e, taon-dahy koa mampahafantatra antsika rehetra izay manana eritreritra ny ha...
11/04/2026

Forazaza forazaza🥋 Avy koa ty ny ririnina e, taon-dahy koa mampahafantatra antsika rehetra izay manana eritreritra ny hangalatra ny zaza hatao lahy lahy fa efa manomboka izy ato amin'ny 'Aina_Andrainjato🤞💉 koa raha mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso ny 034 81 544 67 na manantona mivantana !

14/01/2026
  Médical Avotr'Aina Andrainjato Fianarantsoa 034 81 544 67  #Mirary taona sambatra hombam-pahasalamana hoantsika rehetr...
14/01/2026

Médical Avotr'Aina Andrainjato Fianarantsoa 034 81 544 67 #
Mirary taona sambatra hombam-pahasalamana hoantsika rehetra indray hiara hamakivaky ity taona 2026 ity🙏❤️ Fa izahay kosa dia vonona hanome tolotra tsara indrindra avy aty aminay hoanareo ❤️

03/12/2025

"𝑨𝒏𝒌𝒐𝒉𝒐𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒗𝒊𝒕𝒂 𝒗𝒂𝒌𝒔𝒊𝒏𝒚, 𝒂𝒏𝒌𝒐𝒉𝒐𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒂𝒍𝒂𝒎𝒂"

03/12/2025


𝗩𝗔𝗞𝗦𝗜𝗡𝗬 𝗜𝗡𝗗𝗥𝗔𝗬 𝗠𝗔𝗡𝗗𝗘𝗛𝗔 𝗗𝗜𝗔 𝗩𝗜𝗧𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗔𝗥𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔.
🗓📅 8-12 Desambra 2025 eny amin’ny CSB manerana ny Nosy.

03/12/2025

💉 Inona ilay vaksiny vaovao terena ataon'ny tovovavy gasy ?
💉 Tsy maintsy atao ve ?
💉 Tsy hatahorana ?
💉 Tsy natao hamonoana ny taranaka gasy indray ve izany ?
💉 Vaksiny anti-HPV no resahintsika androany.

🦠 HPV = Human PapillomaVirus

🦠 Inona izany ? Aretina ve ?
Ny HPV dia otrikaretina (virus) izay misy karazany 200 be izao. Mifindra amin'ny alalan'ny firaisana ara-nofo izy io. Tsy voatery hoe ilay firaisana ara-pomban-drazana fa mety mifindra na miray amin'ny lava-body, na minono, na mifampikasokasoka fotsiny aza ny taovam-pananahana. Ka rehefa manomboka miray dia mety efa mahazo karazany 1 farafahakeliny.

👄 Inona no hatahorana amin'io HPV ?
Mety ho maty ho azy izy afaka 1 na 2 taona taorian'ny nidirany ny vatany. Fa misy karazany kosa mety mahatonga homamiadana, indrindra ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza, sy ny homamiadan'ny vava sy ny tenda raha tia minono taovam-pananahana.

🧒 Izany hoe misy koa izany ny lehilahy dia afaka mamindra amin'ny vehivavy ?
Mety misy azy daholo na ny lahy na ny vavy.

💉 Inona no fomba fanefitry ny HPV ?
Vaksiny ny voalohany indrindra. Efa atao maimaimpoana izy io eto Madagasikara (manomboka desambra) : eny amin'ny CSB, hopitaly sy any am-pianarana. Amin'ny tovovavy 9 hatramin'ny 14 taona, izay mbola tsy nanao firaisana hatrizay.

👧 Fa maninona no 9 taona hatramin'ny 14 taona ?
Raha ny nodinihin'ny mpikaroka tany ivelany dia hoe eo hono ny zazavavy no mbola tsy mahalala lehilahy. Raha ny hevitro manokana, efa taraiky be ilay 14 taona raha eto Madagasikara. Efa maro ny tovovavy 13 na 14 taona, efa reny. Misy aza 12 taona efa niray. Fa mbola ho ahitsy hono io taona io any aoriana any e !
Raha ny tena marina, azo atao foana io vaksiny io ho an'ny tovovavy latsaky ny 19 taona.

🔞 Fa maninona no mbola tsy nanao firaisana ?
Araka ny fanazavana efa nomeko : mety hahazo ny HPV vao manomboka manao firaisana. Ny vaksiny dia natao hiarovana fa tsy hanasitranana.

🧪 Dia ahoana izany raha efa niray ?
Ny fitiliana ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza no tsara atao, sy fianarana miaro tena amin'ny homamiadana. Fa raha ny hevitro manokana, maro ny tovovavy handainga hoe mbola virijiny noho ny fahatahorana ny ray aman-dreny hoe efa niray sahady anefa vao 12, 13 na 14 taona. Dia ahoana re ny handaminanareo an'izay ?

🔞 Dia ahoana ary ny fiarovana azo atao raha toa ka tsy te ho voan'ny homamiadana raha toa ka efa nanao firaisana ?
🍆 Tsara raha zazalahy efa mba voafora no hiraisana. Ny filahiana izay efa voafora tsy afaka mitahiry aretina any anatin'ny mivalombalona any.
🍆 Mila manao kapôty na fimailo isaky ny miray. Sady miaro amin'ny fifindran'ny HPV iny, no miaro amin'ny aretina hafa azo avy amin'ny firaisana, ary miaro amin'ny vohoka tsy niriana.
❤️ Manana fitondran-tena ara-pananahana milamina fa tsy mikorontana. Izany hoe : tsy maro olona hiraisana, tsy miray amin'olona maro olona hiraisana, tsy miovaova olona hiraisana. Ny tena tsara aza tsy miray raha tsy efa fantatra mialoha ny fahasalamana.
🧪 Manao fitiliana ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza isaky ny 3 taona ho an'ny vehivavy 25 hatramin'ny 29 taona, ary isaky ny 5 taona ho an'ireo izay 30 hatramin'ny 65 taona raha négatif ny valiny.
💊 Tsaboina ny aretina azo avy amin'ny firaisana raha toa ka misy.

📅 Fa maninona no manao fitiliana ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza matetika ?
Raha hita mialoha ny homamiadana dia mora tsaboina. Ary tsy dia tena lafo ny fitsaboana. Tadidio fa 10 hatramin'ny 30 taona aorian'ny nidiran'ny HPV ao anaty vatana vao mety hisy homamiadana ilay vehivavy.
Raha efa niparitaka ny aretina dia hatahorana tsy ho sitrana intsony fa fanenana ny fijalian'ilay marary sisa no azo atao.

🧒 Fa maninona no tovovavy ihany no atao, kanefa ny tovolahy koa mety hamindra ?
Izay no fandaminana misy. Fa raha ny tena marina, tsara atao io vaksiny io koa ny tovolahy 11 hatramin'ny 14 taona. Mba hiarovana izay hiray iaraka aminy : na lahy io na vavy.

🌡️ Inona no mety hitranga rehefa avy nanao vaksiny anti-HPV ?
Mitovy ny vaksiny hafa ihany. Mety hanaintaina ny faritra notsindromina, na manavy. Izay no antony tsara hanomanana fanafody fanalana fanaintainana sy fampidinana hafanana aorian'ny nanaovana azy.

💪 Aiza no tsindromina ?
Ny sandry no hanaovana ny vaksiny.

💉 Impiry no manao ilay vaksiny ?
In-1 mandeha monja raha izy ity.

🎤 Mbola tsy ampy ve ny nolazaiko tato ? Mbola misy fanontaniana manitikitika momba azy io ve ?

📌 Mentionnéo ny namana fantatrao mba hahalalany ny mahazava-doza ny finonoana taovam-pananahana.

🩺 Minoharifidy
🩹 Hanampy anao aho amin'ny torohevitra rehetra momba ny fahasalamana.
💌 Miandry ny fanontaniana manitikitika anao aho ao amin'ny hafatra miafina (message privé na mp).

28/11/2025

Mamonjy ain’olona maro ny vaksiny fanefitry ny “papillomavirus” avy amin’ny olombelona (HPV). 💉 Misoroka ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza, izay aterak’io tsimokaretina io izy.

Azo antoka, mandaitra no sady maimaimpoana ny vaksiny. ✅✨
Natokana ho an’ny zatovovavy 9 hatramin’ny 14 taona, tsy mbola niroso tamin’ny firaisana ara-nofo. 👧🏾💛

Ndao entina hanao vaksiny misoroka ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza ny zanatsika vavy mandritra ny hetsika izay hanomboka ny 08 desambra ho avy izao manerana ny Nosy! 🇲🇬

Mendrika ny ho voaaro amin’io areti-mandoza izay mahafaty vehivavy an’arivony isan-taona eto Madagasikara io ny zatovovavy tsirairay! 🎗️💪🏾



Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
Direction du Programme Elargi de Vaccination Msanp-Madagascar.
Direction de la Promotion de la Santé

***************************************************

💉 Le vaccin contre le papillomavirus humain (HPV) sauve des vies. 💛
Il protège contre le cancer du col de l’utérus. 🎗️

Le vaccin est sûr, efficace et gratuit dans les centres de santé publics. ✅🏥
Il est recommandé pour les jeunes filles 👧🏾 de 9 à 14 ans, n’ayant pas encore eu de rapports sexuels.




Gavi, the Vaccine Alliance
Dvsser
Direction Générale de la Médecine Préventive
UNICEF Madagascar

Aleo misoroka toy izay mitsabo ♥️
28/11/2025

Aleo misoroka toy izay mitsabo ♥️

Mamonjy ain’olona maro ny vaksiny fanefitry ny “papillomavirus” avy amin’ny olombelona (HPV). 💉 Misoroka ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza, izay aterak’io tsimokaretina io izy.

Azo antoka, mandaitra no sady maimaimpoana ny vaksiny. ✅✨
Natokana ho an’ny zatovovavy 9 hatramin’ny 14 taona, tsy mbola niroso tamin’ny firaisana ara-nofo. 👧🏾💛

Ndao entina hanao vaksiny misoroka ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza ny zanatsika vavy mandritra ny hetsika izay hanomboka ny 08 desambra ho avy izao manerana ny Nosy! 🇲🇬

Mendrika ny ho voaaro amin’io areti-mandoza izay mahafaty vehivavy an’arivony isan-taona eto Madagasikara io ny zatovovavy tsirairay! 🎗️💪🏾



Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka
Direction du Programme Elargi de Vaccination Msanp-Madagascar.
Direction de la Promotion de la Santé

***************************************************

💉 Le vaccin contre le papillomavirus humain (HPV) sauve des vies. 💛
Il protège contre le cancer du col de l’utérus. 🎗️

Le vaccin est sûr, efficace et gratuit dans les centres de santé publics. ✅🏥
Il est recommandé pour les jeunes filles 👧🏾 de 9 à 14 ans, n’ayant pas encore eu de rapports sexuels.




Gavi, the Vaccine Alliance
Dvsser
Direction Générale de la Médecine Préventive
UNICEF Madagascar

27/11/2025

𝐀𝐃𝐘 𝐀𝐌𝐈𝐍'𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐓𝐒𝐈𝐌𝐎𝐊𝐀𝐑𝐄𝐓𝐈𝐍𝐀 𝐕𝐈𝐇/ 𝐒𝐈𝐃𝐀

✅RY VEHIVAVY MITONDRA VOHOKA AROVY NY ZANAKAO HO LAVITRY NY TSIMOKARETINA VIH/Sida

📣Mandehana Misafo eny amin'ny tobimpahasalamana.
📣Manaova Fitiliana ny tsimokaretina VIH/Sida
📣Mihinana Fanafody tsy tapaka raha mitondra ny Tsimokaretina VIH/Sida ianao.

🚨🚨🚨Maimaim-poana ny fitiliana eny @ tobimpahasalamana🏥 ary mijanona ho tsiambara-telo ny valiny.

Address


Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Hopitaly Avotr'Aina Andrainjato Fianarantsoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

  • Want your business to be the top-listed Health & Beauty Business?

Share