22/08/2026
🤰🧂 “RASAZY, BE SIRA VE NO NAMPIVONTO NY TONGOTRO?” 😳
Betsaka ny vehivavy bevohoka no mahita fa mivonto ny tongotra sy kitrokely, indrindra rehefa hariva. Fa tena ny sira ve no antony? 👇
🧂 ENY SA TSIA?
👉 Tsy ny fihinanana sira be loatra no antony tokana.
Mandritra ny vohoka dia mitombo ny habetsahan'ny rà sy ny ranon'ny vatana. Rehefa mitombo ny tranonjaza dia mety hanery ny lalan-drà mamerina rà avy any amin'ny tongotra, ka mahatonga ranon-javatra hiangona eny amin'ny tongotra sy kitrokely.
Noho izany, fivontosana malefaka amin'ny tongotra roa, miseho tsikelikely ary mihamafy rehefa hariva, dia mety ho fiovana mahazatra mandritra ny vohoka.
🧂 Ary ny sira?
Ny sodium ao amin'ny sira dia manampy amin'ny fitazonan'ny vatana rano. Raha be loatra ny sodium, dia mety hampitombo izany fitazonan-drano izany.
➡️ Koa tsara ny tsy mihoatra amin'ny sira, fa tsy midika hoe tokony hanafoana sira tanteraka ny vehivavy bevohoka, raha tsy misy toromarika ara-pitsaboana.
⚠️ FA ITO NO TENA ZAVA-DEHIBE!
Aza mieritreritra avy hatrany hoe “ny sira no nampivonto ny tongotro.” Mety hisy antony hafa mila jerena.
🚨 Tandremo indrindra raha:
- tampoka be ny fivontosana
- mivonto koa ny tarehy na tanana
- misy aretin-doha mafy
- manjavozavo ny fahitana na mahita hazavana mitselatra
- marary mafy eo amin'ny kibo ambony/ambanin'ny taolan-tehezana
- na miakatra ny tosi-drà
👉 Ireo dia mety hampiahiahy pré-éclampsie, ka mila manatona mpiasan'ny fahasalamana haingana.
💡 Torohevitra ho an'ny reny bevohoka:
✅ Ahenao ny sakafo tena masira sy sakafo voahodina.
✅ Aza manajanona sira tanteraka raha tsy nasain'ny mpitsabo.
✅ Misotroa rano ampy.
✅ Aza mitsangana na mipetraka ela.
✅ Rehefa matory dia azo asandratra Kely (hakarina ambony ) ny tongotra.
✅ Ary indrindra, araho tsy tapaka ny tosi-drà mandritra ny fisafoana