SDSP Morondava

SDSP Morondava Service de District de la Santé Publique de Morondava, composé de 18 CSB

CSB2 MANOMETINAY, SDSP MORONDAVA : Varavarana misokatra mombany Fahasalama ( Port Ouverte) ary anisany tolotra maimaimpo...
22/06/2026

CSB2 MANOMETINAY, SDSP MORONDAVA : Varavarana misokatra mombany Fahasalama ( Port Ouverte) ary anisany tolotra maimaimpoana ny didipoitra izay nahivatana Zaza vita didipotra 29, zandriny indrindra 17 volana, zokiny 10 taona.

Notontosaina anio 4 Jona ny fanentanana sy fangatahana ny fiaraha-miasa momba ny CAPITATION izay rafitra iray hanamorana...
04/06/2026

Notontosaina anio 4 Jona ny fanentanana sy fangatahana ny fiaraha-miasa momba ny CAPITATION izay rafitra iray hanamorana sy hanomezana tolotra maimaimpoana AVY amin'ny Ministeran'ny fahasalambahoaka tato amin'ny commune Analaiva izay niarahana tamin'ny ekipan'ny commune sy ny chefs Fokontany rehetra ary n'y mpiasan'ny fahasalamana ao am CSB2 Analaiva sy EMAD izay tarihan'i Dr Séraphin, Médecin inspecteur Morondava
Noresahana nandritra izany ireo tolotra vaovao misy, ireo mpisitraka Ary ny fepetra takiana aminy, ny fanombohana sy ny faharetan'ny tolotra.
Tombony lehibe ho Distrikan'i Morondava ity tolotra, ka anaterina fisaorana ho an'ny fitondram-panjakana.

✅ FANENTANANA FANAOVAM-BAKISINY FANEFITRY NY MPOX ✅Mitohy hatrany ny fanentanana momba ny fanaovam-bakisiny hiadiana ami...
03/05/2026

✅ FANENTANANA FANAOVAM-BAKISINY FANEFITRY NY MPOX ✅
Mitohy hatrany ny fanentanana momba ny fanaovam-bakisiny hiadiana amin'ny Mpox izay karakarain'ny ekipa avy ao amin'ny SDSP Morondava. Tao Bemanonga indray no nanatanterahana izany ny Alakamisy 30/04/26.

Ny mpiasan'ny fahasalamana ao amin'ny CSB2 Bemanonga, ny mpanentana ara-pahasalamana, ny Chef FKT, ny mpiasa ao amin'ny Kaominina Bemanonga ary olona hafa koa no nentanina sy noresena lahatra hanao ity vaksiny ity ka 38 no resy lahatra sy nahazo tombotsoa.

👉Ity hetsika ity dia natao ihany koa ho fanamarihana ny "semaine Africaine de la vaccination".
PFCOM MORONDAVA

Ireo asa nanamarika nandritra ny herin'andro tato amin'i SDSP MORONDAVA
26/04/2026

Ireo asa nanamarika nandritra ny herin'andro tato amin'i SDSP MORONDAVA

👍Vita soa ny alakamisy 23/04/26 ny fanofanana ireo mpanao gazety tato amin'ny faritra Menabe mahakasika ny fikirakirana ...
25/04/2026

👍Vita soa ny alakamisy 23/04/26 ny fanofanana ireo mpanao gazety tato amin'ny faritra Menabe mahakasika ny fikirakirana ny vaovao ara-pahasalamana izay tohanan'i STUDIO SIFAKA teto Morondava.
💉Nofaranana t@ny fanaovam-bakisiny Mpox ho fijoroana vavolombelona fa sarobidy aminy ny fahasalamany ary vonona hiara hientana sy handray andraikitra @ fampiroboroboana ny fahasalamana ho an'ny vahoaka.
PS District Morondava

Ny mpianatra "paramédicaux" L1, L2, L3 tao amin'ny Institut PARAMA-IF Tsimahavaokely indray no nanaovana fanentanana mah...
24/04/2026

Ny mpianatra "paramédicaux" L1, L2, L3 tao amin'ny Institut PARAMA-IF Tsimahavaokely indray no nanaovana fanentanana mahakasika ny vakisiny fanefitry ny Mpox anio Zomà 24/04/26.
Taorian'ny fanazavana sy famaliana ny fanontaniana napetrak'izy ireo dia niroso tamin'ny fanaovana vaksiny ny ekipa izay notarihin'Atoa Médecin Inspecteur ka 79 no nisitraka izany ary 01 (iray) tamin'ireo no nanao 2 ème dose.

🙏 Ankasitrahana feno ny tompon'andraikitra tao amin'ny PARAMA-IF tamin'ny Fiaraha-miasa.
🙏 Isaorana hatrany ny ekipa niaranisalahy teo am-panatanterahana izany.
Natao mba ho tatitra.
PFCOM MORONDAVA

CSB2 BEFASY, SDSP Morondava , nanantateraka stratégie vaksiny mitety vohitra androany 24 avril 2026,tao aminy Fokotany A...
24/04/2026

CSB2 BEFASY, SDSP Morondava , nanantateraka stratégie vaksiny mitety vohitra androany 24 avril 2026,tao aminy Fokotany Antevamena sy Soasorita ary nohararaotina tamin'izany ny fizarana ViT A sy ny fanaovana soins de proximité (CE,CPN,..), fanamafisana ny fanentanana ny ady amin' ny Tazomoka.
PF COM Morondava.

Omaly Alakamisy 23/04/26, tao amin'ny "groupement de la gendarmerie Menabe" indray no nanatanterahana ny fanaovam-bakisi...
24/04/2026

Omaly Alakamisy 23/04/26, tao amin'ny "groupement de la gendarmerie Menabe" indray no nanatanterahana ny fanaovam-bakisiny miaro amin'ny valan'aretina Mpox ato amin'ny distrika Morondava.
Ny ekipa mavitrika notarihin'Andriamatoa Médecin Inspecteur no nifanome tanana teo am-panatanterahana izany.
👍 Mitotaly 98 ireo vita vaksiny ka 02 amin'ireo 2 ème dose.
🙏 Ankasitrahana feno Andriamatoa Commandant de groupement Menabe tamin'ny Fiaraha-miasa ka tsy nisalasala nandray ny ekipa.
Ho tatitra
PFCOM MORONDAVA

Mitohy hatrany ny ezaka atao hiarovana amin'ny valan'aretina Mpox eto Morondava. Tao amin'ny ISCAMEN (Institut Supérieur...
22/04/2026

Mitohy hatrany ny ezaka atao hiarovana amin'ny valan'aretina Mpox eto Morondava. Tao amin'ny ISCAMEN (Institut Supérieur Catholique de MENabe) no nanaovana fanentanana sy fandresen-dahatra ireo mpianatra "paramédicaux" L1 sy L3 hanao vaksiny Mpox, anio Alarobia 22/04/26. Resy lahatra izy ireo ka niroso avy hatrany tamin'ny fanaovam-bakisiny taorian'ny fanazavana sy fametrahana fanontaniana narahim-baliny.

👍Mitotaly 95 ireo nahazo tombotsoa.
🙏Isaorana ny tompon'andraikitra tao amin'ny ISCAMEN nanaiky nandray ny ekipa izay notarihin'Atoa Médecin Inspecteur Morondava.
PFCOM MORONDAVA.

Tanteraka soamatsara teto amin'ny BSD MORONDAVA ny fampianarana momba ny fametahana sy fanesorana "levoplant" ho an'ireo...
21/04/2026

Tanteraka soamatsara teto amin'ny BSD MORONDAVA ny fampianarana momba ny fametahana sy fanesorana "levoplant" ho an'ireo Mpiasa fahasalamana miantsehatra eny ifotony, anio talata 21/04/26. Tamin'ny alalan'ny LDC no nanaovana fampiharana.
🙏 Ankasitrahana ny tompon'andraikitra ny fahasalamana ara-pananahana eto amin'ny distrika Morondava nanatanteraka
PFCOM Morondava

Address

BSD Morondava
Morondava

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when SDSP Morondava posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share