27/05/2026
✍️DRSP MENABE FANAMAFISAM-PAHAIZANA✍️
🤝Fitsidihana amim-pomba mihaja sy ho fanatanterahana:
👉Fanamafisana ny fahaiza-manao ananan’ny mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ireo tobim-pahasalamana ato amin’ny Distrikan’i Morondava momba ny PCI-WASH, mba hanatsarana ny kalitao sy ny fiarovana ny fitsaboana omena, ka hitondra fandraisana anjara amin’ny fampihenana mazava ny tahan’ny aretina azo avy amin’ny fitsaboana (IAS) sy ny fanoheran’ny mikraoba ny fanafody (RAM).
👉Ny tanjona moa:
📍Hahay sy hifehy ireo foto-kevitra fototra momba ny PCI sy ny WASH, ao anatin’izany ny fenitra nasionaly manan-kery sy ireo toromarika avy amin’ny OMS.
📍Hampihatra avy hatrany sy amim-pahamatorana ireo fomba fanao fototra momba ny PCI sy ny WASH eo amin’ny tontolon’ny asa andavanandro.
📍Hanavao ireo drafitra fanatsarana manokana ho an’ny tobim-pahasalamana tsirairay (vokatry ny fanombanana teo aloha) ho fampiharana mahomby ireo fepetra PCI sy WASH nohamafisina, ary hamaritana ny rafitra fanaraha-maso.
©️📸PF COM DRSP MENABE