Cabinet Aritina

Cabinet Aritina ๐Ÿฅ๐—™๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐˜€๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ต๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐˜†, ๐—›๐—ผ ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ผ , ๐—›๐—ผ ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ฟ๐—ฒ๐—ผ, ๐—›๐—ผ ๐—ฎ๐—ป๐˜๐˜€๐—ถ๐—ธ๐—ฎ, ๐—ฎ๐—ฟ๐˜† ๐—ต๐—ผ ๐—ฎ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐—ง๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ๐ŸŸฉ.

๐ŸŒธ๐Ÿ‘ถ๐ŸŽ‰ FITERAHANA FAHAROA ANDROANY ETO AMIN'NY CLINIQUE ARITINA! ๐ŸŽ‰๐Ÿ‘ถ๐ŸŒธ๐Ÿ’™๐Ÿ’™ Kambana mianadahy tsara tarehy no tonga nanazava iza...
06/06/2026

๐ŸŒธ๐Ÿ‘ถ๐ŸŽ‰ FITERAHANA FAHAROA ANDROANY ETO AMIN'NY CLINIQUE ARITINA! ๐ŸŽ‰๐Ÿ‘ถ๐ŸŒธ
๐Ÿ’™๐Ÿ’™ Kambana mianadahy tsara tarehy no tonga nanazava izao tontolo izao androany. Feno hafaliana ny ekipanay nahita an'i maman primipare tena nahery fo sy naneho faharetana nandritra ny fiterahana. โค๏ธ๐Ÿ‘
๐Ÿฅฐ Arahabaina indrindra i Maman sy ny fianakaviany! Mirary fahasalamana, fifaliana ary fitahian'Andriamanitra ho anareo sy ireo zazakely roa mianadahy kely. ๐ŸŒฟ๐Ÿ‘ผ๐Ÿ‘ผ
๐Ÿ˜‚ Hoy ny mpitsabo hoe:
"Indray mandeha niditra, dia roa no nivoaka! Double bonheur eee! ๐Ÿ˜„๐Ÿ’•"
๐Ÿ™ Dieu merci fa samy salama tsara i Maman sy ireo kambana. Misaotra an'Andriamanitra tamin'ny fiarovany sy ny fitarihany. โค๏ธ๐Ÿ’ฏ
๐ŸŒน Clinique ARITINA
"Mikarakara an'i Maman sy ny Zaza amin'ny fo feno fitiavana sy fahalemem-panahy." ๐Ÿ’‹๐Ÿคฉ๐Ÿ˜˜

๐ŸŒธ๐Ÿ™ REMERCIEMENTS โ€“ FISAORANA MANOKANA ๐Ÿ™๐ŸŒธ๐Ÿ‡ซ๐Ÿ‡ท FranรงaisToute l'รฉquipe de la Clinique ARITINA tient ร  exprimer sa profonde gr...
05/06/2026

๐ŸŒธ๐Ÿ™ REMERCIEMENTS โ€“ FISAORANA MANOKANA ๐Ÿ™๐ŸŒธ
๐Ÿ‡ซ๐Ÿ‡ท Franรงais
Toute l'รฉquipe de la Clinique ARITINA tient ร  exprimer sa profonde gratitude pour le gรฉnรฉreux don de matรฉriels et d'appareils mรฉdicaux offert par l'Association de La Rรฉunion. โค๏ธ
Nos sincรจres remerciements ร  :
๐Ÿ’– Madame Yalonde Lion ๐Ÿ’– Madame Josiane Payet ๐Ÿ’– Monsieur Stรฉphane Lebon
Votre geste de solidaritรฉ et de gรฉnรฉrositรฉ nous touche profondรฉment. Ces รฉquipements contribueront ร  amรฉliorer la qualitรฉ des soins que nous apportons chaque jour ร  nos patients.
Au-delร  du matรฉriel, c'est un vรฉritable message d'espoir, de fraternitรฉ et de partage que vous nous avez transmis. ๐Ÿคโœจ
Nous vous adressons toute notre reconnaissance et vous souhaitons santรฉ, bonheur et rรฉussite dans tous vos projets.
Merci du fond du cล“ur. โค๏ธ
๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ Malagasy
Ny ekipan'ny Clinique ARITINA manontolo dia maneho fisaorana sy fankasitrahana lalina noho ireo fitaovana sy appareils mรฉdicaux sarobidy nomen'ny Association de La Rรฉunion. โค๏ธ
Mankasitraka manokana an'i :
๐Ÿ’– Mama Yalonde Lion ๐Ÿ’– Mama Josiane Payet ๐Ÿ’– Atoa Stรฉphane Lebon
Tena sarobidy aminay ny fanampiana sy ny fanohanana avy aminareo. Hanampy betsaka amin'ny fanatsarana ny fikarakarana sy ny fitsaboana ireo marary tonga eto amin'ny Clinique ARITINA ireo fitaovana ireo. ๐Ÿฅโœจ
Tsy fanomezana tsotra ihany izany fa mariky ny firaisankina, ny fifankatiavana ary ny fifampitsinjovana ny mpiara-belona. ๐Ÿค๐Ÿ’™
Mirary fahasalamana, fahombiazana ary fitahiana ho anareo hatrany izahay.
Misaotra indrindra avy amin'ny fo. โค๏ธ๐Ÿ™
๐ŸŒท Avec toute notre reconnaissance โ€“ Miaraka amin'ny fankasitrahana lehibe indrindra,
โค๏ธ ร‰quipe Clinique ARITINA โค๏ธ
๐Ÿฅ๐ŸŒธ๐Ÿ’™๐Ÿ’‹๐Ÿ’‹โค๏ธโค๏ธ๐ŸŽˆ๐ŸŽˆโฃ๏ธ๐Ÿ™๐Ÿ™

๐ŸŒธ๐Ÿ‘ถ MAMAN MALALA, RAHOVIANA NO AFAKA MANAO FIRAISANA AORIAN'NY FITERAHANA ? ๐Ÿ‘ถ๐ŸŒธ๐Ÿ’– Fanontaniana apetraky ny Maman sy Papa ma...
05/06/2026

๐ŸŒธ๐Ÿ‘ถ MAMAN MALALA, RAHOVIANA NO AFAKA MANAO FIRAISANA AORIAN'NY FITERAHANA ? ๐Ÿ‘ถ๐ŸŒธ
๐Ÿ’– Fanontaniana apetraky ny Maman sy Papa matetika izy ity :
๐Ÿ‘‰ "Afaka firy andro vao azo atao ny firaisana aorian'ny fiterahana ?"
โœ… Amin'ny ankapobeny dia 45 andro eo ho eo (6 herinandro) aorian'ny fiterahana no matetika andrasana, na voie basse izany na cรฉsarienne, mba hanome fotoana ny vatana sy ny ratra ho sitrana tsara.
โš ๏ธ Saingy miankina hatrany amin'ny : ๐ŸŒท Fahasitranan'i Maman ๐ŸŒท Tsy fisian'ny fanaintainana na rร  mivoaka ๐ŸŒท Fahavononana ara-batana sy ara-tsaina ๐ŸŒท Torohevitry ny mpitsabo
๐Ÿ’• Tsarovy fa ny fiterahana dia toy ny "travail de rรฉnovation complรจte" nataon'ny vatana. Mila fotoana kely aloha vao miverina amin'ny laoniny ny zava-drehetra. ๐Ÿ˜„
๐Ÿ˜‚ Papa malala, aza manisa andro isan'andro amin'ny calendrier e ! Mbola eo ihany i Maman fa tsy lasa aiza akory. ๐Ÿ˜…
๐Ÿฅฐ Ary i Maman koa aza terena hanafaingana ny fahasitranany. Ny fitiavana tena izy dia mahay miandry, mahay mikarakara ary mahay manome fotoana.
๐Ÿ‘ถ Ny zaza vao teraka aza mbola mifoha in-5 isan'alina, ka angamba ny torimaso aloha no tena prioritรฉ amin'izao fotoana izao. ๐Ÿ˜‚๐Ÿ’ค
๐Ÿ“Œ Aza adino ihany koa ny miresaka fanabeazana aizana amin'ny mpitsabo, satria mety hiverina haingana ny fahafahana mitoe-jaza na dia mbola tsy tonga fadimbolana aza.
๐Ÿ’™๐Ÿฅ CLINIQUE ARITINA ๐ŸŒธ Mikarakara ny fahasalaman'i Maman sy ny Zaza am-pitiavana isan'andro. ๐ŸŒธ
๐Ÿ’ฌ Maman sy Papa, iza aminareo no efa nanontany an'io fanontaniana io voalohany tao an-trano ? ๐Ÿ˜„๐Ÿ‘‡

๐ŸŒธ๐Ÿคฑ REHEFA AVY MITERAKA : INONA AVY IREO FIOVANA MAHAZATRA EO AMIN'NY VATANA ? ๐Ÿคฑ๐ŸŒธ๐Ÿ’– Maman malala, aza taitra raha mijery f...
04/06/2026

๐ŸŒธ๐Ÿคฑ REHEFA AVY MITERAKA : INONA AVY IREO FIOVANA MAHAZATRA EO AMIN'NY VATANA ? ๐Ÿคฑ๐ŸŒธ
๐Ÿ’– Maman malala, aza taitra raha mijery fitaratra ianao dia miteny hoe : "Fa angaha tsy efa niteraka aho fa maninona mbola misy kibo kely eto ?" ๐Ÿ˜…
๐Ÿฅฐ Ara-dalร na izany satria mbola mila fotoana hiverenana amin'ny laoniny ny vatana aorian'ny fiterahana.
โœจ Mety hitranga : ๐Ÿ”ธ Mbola mibontsina ny kibo ๐Ÿ”ธ Misy vergetures na marika eo amin'ny hoditra ๐Ÿ”ธ Mety hirotsaka ny volo ๐Ÿ”ธ Misy havizanana sy fanaintainan'ny lamosina ๐Ÿ”ธ Miovaova ny toe-po ๐Ÿ”ธ Mety hihena vetivety ny filร na hanao firaisana ara-nofo noho ny havizanana sy ny fiovan'ny hormonina
๐Ÿ˜‚ Ary aza gaga koa raha indraindray ianao te hatory 8 ora misesy... nefa ilay zazakely kosa manana programme hafa mihitsy ! ๐Ÿ‘ถโฐ
๐ŸŒท INONA NO TOKONY HATAO ? โœ… Mihinร na sakafo ara-pahasalamana โœ… Misotroa rano ampy โœ… Mialร  sasatra rehefa afaka โœ… Mangataha fanampiana rehefa ilaina โœ… Miresaha amin'ny vadinao sy ny fianakavianao โœ… Manatona mpitsabo raha misy zavatra mampanahy
๐Ÿšจ Manatona mpitsabo haingana raha misy : โŒ Tazo โŒ Rร  mandriaka be loatra โŒ Fanaintainana mafy โŒ Fahasemporana โŒ Fahakiviana maharitra
๐Ÿ’ Maman malala, ny marika eo amin'ny vatanao dia tsy kilema fa souvenir navelan'ilay fahagagana lehibe indrindra : ny nitondranao aina vaovao teto an-tany. ๐Ÿคฑโค๏ธ
โœจ "Mety mbola tsy hiverina ho toy ny taloha ny vatana androany, fa efa lasa mahafinaritra kokoa izy satria lasa vatana nitondra ny zanakao." ๐ŸŒธ๐Ÿฅฐ๐Ÿ’• โค๏ธ๐Ÿ‘ถ๐ŸŒท

๐Ÿฅถ๐Ÿคง๐Ÿ‘ถ AROVY AMIN'NY GRIPA NY ZANAKAO ! ๐Ÿ‘ถ๐Ÿคง๐Ÿฅถ๐Ÿ’– Ry Dada sy Neny malala,Amin'izao andro mangatsiaka sy miovaova izao dia toa ma...
02/06/2026

๐Ÿฅถ๐Ÿคง๐Ÿ‘ถ AROVY AMIN'NY GRIPA NY ZANAKAO ! ๐Ÿ‘ถ๐Ÿคง๐Ÿฅถ
๐Ÿ’– Ry Dada sy Neny malala,
Amin'izao andro mangatsiaka sy miovaova izao dia toa mandeha mitady namana ny gripa. ๐Ÿ˜… Fa aza avela ho ny zanakao no lasibatra voalohany amin'izany e! ๐Ÿฅฐ
๐Ÿ‘ถ Ny zazakely mantsy mbola kely ny hery fiarovany, ka mila fiarovana sy fikarakarana manokana.
โœจ Torohevitra tsotra nefa mahomby :
๐Ÿงผ Sasao matetika ny tanana. ๐Ÿ˜ท Manaova arotava raha marary na mikohaka. ๐Ÿคฑ Omeo nono matetika ny zaza raha mampinono. ๐Ÿ  Ataovy madio sy misy rivotra madio ny trano. ๐Ÿผ Diovy tsara ny biberon sy ny fitaovan'ny zaza.
๐Ÿ˜‚ Aza atao hoe : "Gripa kely io fa handeha ho azy eo..."
Fa indraindray ilay "gripa kely" no lasa mampandry tsy aman-tory an'i Dada sy Neny mandritra ny alina iray manontolo. ๐Ÿ˜…โ˜•๐Ÿ‘€
๐Ÿ’ Tsarovy fa : Rehefa marary ny zaza dia i Neny no tsy mahita tory... Rehefa tsy mahita tory i Neny dia i Dada koa tsy mahita tory... Ary rehefa samy tsy mahita tory i Dada sy Neny dia ny gripa no lasa "chef de famille" ato an-trano! ๐Ÿคฃโค๏ธ
๐Ÿšจ Aza miandry ho mafy ny aretina vao manatona mpitsabo.
๐ŸŒท Ny fitiavana lehibe indrindra ho an'ny zanaka dia ny fiarovana azy alohan'ny harary.
๐Ÿ‘ถ๐Ÿ’™ Satria ny tsikin'ny zanakao no fanafody tsara indrindra ho an'ny fon'i Dada sy Neny. ๐Ÿฅฐ
๐Ÿ“ CLINIQUE ARITINA โ€“ Tsarahonena Betainomby ๐Ÿ“ž 034 22 996 71 ๐Ÿ“ง [email protected]
๐Ÿ’– "Aleo misoroka toy izay mitsabo, satria mora kokoa ny manasa tanana toy izay mandany alina mitrotro zaza marary." ๐Ÿคญ๐Ÿ’•๐Ÿ‘ถ๐ŸŒธ

๐ŸŒก๏ธ๐Ÿ‘ถ RAHOVIANA NY TAZO AMIN'NY ZAZA NO MAMPIDI-DOZA ? ๐Ÿ‘ถ๐ŸŒก๏ธ๐Ÿ’– Maman malala, Papa malala, rehefa manavy ny zaza dia mazร na ny...
01/06/2026

๐ŸŒก๏ธ๐Ÿ‘ถ RAHOVIANA NY TAZO AMIN'NY ZAZA NO MAMPIDI-DOZA ? ๐Ÿ‘ถ๐ŸŒก๏ธ
๐Ÿ’– Maman malala, Papa malala, rehefa manavy ny zaza dia mazร na ny fon'ny ray aman-dreny no manomboka mitempo mafy kokoa noho ny thermomรจtre. ๐Ÿฅนโค๏ธ
Tsy voatery ho aretina lehibe foana ny tazo, satria matetika dia famantarana fa miady amin'ny mikraoba ny vatana. Kanefa misy tranga mila fitandremana sy fitsaboana haingana.
๐Ÿšจ Manatona mpitsabo avy hatrany raha : ๐Ÿ”ด Latsaky ny 3 volana ny zaza ary manavy. ๐Ÿ”ด Mihoatra ny 39ยฐC ny hafanana. ๐Ÿ”ด Tsy mety misotro na minono. ๐Ÿ”ด Matory lava na sarotra fohazina. ๐Ÿ”ด Misy fahasemporana na miaina mafy. ๐Ÿ”ด Misy fanintona. ๐Ÿ”ด Mitomany tsy mitsahatra na toa marary mafy.
โœ… Raha tazo tsotra kosa : ๐Ÿคฑ Ampinonoina matetika. ๐Ÿ’ง Omeo rano ampy. ๐Ÿ‘• Aza atao akanjo matevina loatra. ๐ŸŒฌ๏ธ Ataovy amin'ny toerana madio sy misy rivotra.
๐Ÿ˜‚ Mots comรฉdie kely : Rehefa manavy ny zaza : ๐Ÿ‘ถ Ny zaza : "Matory tsara aho." ๐Ÿ‘ฉ Maman : "Google, Facebook, WhatsApp, voisine, dokotera... jiaby anontaniana!" ๐Ÿ˜… ๐Ÿ‘จ Papa : "Andao ho any amin'ny mpitsabo fa aleo antoka!" ๐Ÿ˜‚
๐Ÿ’– Ny zaza tsy miteny hoe marary izy, fa ny fihetsiny no mitantara izany. Koa aza miandry ela raha misy zavatra mampiahiahy anao.
๐ŸŒท Satria ny tsikin'ny zanakao no fahasambarana lehibe indrindra ho an'ny fianakaviana. ๐Ÿ‘ถโค๏ธ
โ”โ”โ”โ”โ”โ”โ”โ”โ”โ”โ”โ”โ”โ”โ” ๐Ÿฅ๐ŸŒท CABINET ARITINA ๐ŸŒท๐Ÿฅ
๐Ÿ“ Tsarahonenana Betainomby, tohatra faha-2, akaikin'ny FIP Verrerie ๐Ÿ“ž 034 22 996 71 ๐Ÿ“ง [email protected]
๐Ÿ‘ฉโ€โš•๏ธ๐Ÿ‘จโ€โš•๏ธ Miaraka aminareo hatrany amin'ny fikarakarana ny reny sy ny zaza. ๐Ÿคฑ๐Ÿ’– Ny fahasalamanareo no laharam-pahamehanay.
๐ŸŒธ๐Ÿ™ Mirary fahasalamana sy fahasambarana ho anareo mianakavy. ๐Ÿ’•๐Ÿ‘ถ๐ŸŒท๐Ÿผ

CLINIQUE ARITINA TSARAHONENA BETAINOMBY โค๏ธ๐ŸŒท๐ŸŒน FรŠTE DES MรˆRES โ€“ FANOMEZAM-BONINAHITRA IREO RAY AMAN-DRENY EFA NISOTRO RONO...
31/05/2026

CLINIQUE ARITINA TSARAHONENA BETAINOMBY โค๏ธ๐ŸŒท
๐ŸŒน FรŠTE DES MรˆRES โ€“ FANOMEZAM-BONINAHITRA IREO RAY AMAN-DRENY EFA NISOTRO RONONO ๐ŸŒน
Nandritra ny androm-piainany dia niasa sy niady mafy izy ireo, nitaiza sy nikarakara ny zanany tsy an-kijanona. Maro taminโ€™izy ireo no nanao sorona ny fahasambarany mba hahafahanโ€™ny zanany manatratra ny nofinofiny. ๐Ÿ‘จโ€๐Ÿ‘ฉโ€๐Ÿ‘งโ€๐Ÿ‘ฆโœจ
Rehefa tonga anefa ny fisotroan-dronono dia misy ray aman-dreny sasany mahatsapa ho irery na tsy ilaina intsony satria nihena ny asa sy ny andraikitra andavanandro.
๐Ÿ˜ข Tadidio anefa fa tsy mihena velively ny hasarobidinโ€™izy ireo!
๐Ÿ˜‚ Ary na efa misotro ronono aza ry Dada sy Neny, mbola izy foana no manontany hoe: "Nisakafo ve ianao?" "Aiza ianao izao?" "Manao akanjo mafana ve?" ๐Ÿฅฐ Satria tsy misotro ronono mihitsy ny fitiavan-dreny sy ny fiahian-dray.
Ny fahanterana dia dingana voajanahary eo aminโ€™ny fiainana, ka mila fitiavana, fikarakarana ary fanaraha-maso ara-pahasalamana bebe kokoa. โค๏ธ
๐Ÿฅ Ao amin'ny Clinique ARITINA Tsarahonena Betainomby, manentana ny rehetra izahay mba:
โœ… Hanome fotoana sy fihainoana ny ray aman-dreny.
โœ… Hanara-maso tsy tapaka ny fahasalamany.
โœ… Hanampy azy ireo hitazona fiainana salama sy falifaly.
โœ… Hampahatsiahy azy ireo isanโ€™andro fa mbola tena sarobidy sy tiana izy ireo.
๐Ÿฅฐ "Ny reny sy ray aman-dreny dia toy ny labozia nandoro ny tenany mba hanazava ny lalanโ€™ny zanany. Koa andao isika hanome azy ireo fitiavana sy fankasitrahana mendrika azy."
๐Ÿ’– Mankasitraka anareo izahay, ry Dada sy Neny malala. ๐ŸŒน Ho ela velona anie ianareo. ๐ŸŒน Ho feno fahasalamana sy fitahiana anie ny androm-piainanareo. ๐ŸŒน Misaotra taminโ€™ny fitiavana sy ny sorona rehetra nataonareo.
๐Ÿ’‹ Gros bisous ho anareo rehetra! โค๏ธ Tianay ianareo ary reharehanay mandrakariva.
๐ŸŒท Mirary Fetinโ€™ny Reny sambatra ho anโ€™ny reny rehetra, ary fankasitrahana feno ho anโ€™ireo ray aman-dreny efa nisotro ronono. โค๏ธ๐Ÿ™
๐Ÿ“ Clinique ARITINA Tsarahonena Betainomby
๐Ÿ“ž 034 22 996 71
๐Ÿ“ง [email protected]
โœจ Satria mendrika fikarakarana, fanajan

๐Ÿ˜‚๐Ÿคฑ โ€œZaza vao teraka, nefa ny kibo mbola tsy sitrana akoryโ€ฆ dia efa misy mitady zaza manaraka indray!โ€ ๐Ÿ˜…RAHOVIANA NO TOKO...
30/05/2026

๐Ÿ˜‚๐Ÿคฑ โ€œZaza vao teraka, nefa ny kibo mbola tsy sitrana akoryโ€ฆ dia efa misy mitady zaza manaraka indray!โ€ ๐Ÿ˜…
RAHOVIANA NO TOKONY HANOMBOKA FANABEAZANA AIZANA NY VEHIVAVY AVY NITERAKA?
Misy ray sasany anie ka vao maheno ny fitomanian'ilay zazakely dia efa mieritreritra ny anaran'ilay manaraka eee! ๐Ÿ˜‚
โš ๏ธ Tandremo anefa fa na mbola tsy niverina aza ny fadimbolana dia mety ho bevohoka indray ny vehivavy avy niteraka.
โœ… Noho izany dia tsara ny mieritreritra fanabeazana aizana mialoha mba:
Hanome fotoana ny vatana hisitrana tsara.
Hahafahan'ny reny miala sasatra sy mikarakara ny zaza.
Hialana amin'ny fitondrana vohoka mifanakaiky loatra.
๐Ÿ’ก Inona avy no azo ampiasaina?
โœ”๏ธ Kapoty (prรฉservatif)
โœ”๏ธ Implant
โœ”๏ธ Tsindrona fanabeazana aizana
โœ”๏ธ Stรฉrilet (DIU)
โœ”๏ธ Pilina mifanaraka amin'ny fampinonoana
๐Ÿ‘ฉโ€โš•๏ธ Ny safidy mety indrindra dia miankina amin'ny toe-pahasalaman'ny reny sy raha mampinono izy na tsia.
๐ŸŒท Tadidio: Ny fanabeazana aizana tsy midika hoe tsy te hanan-janaka intsony, fa midika hoe manomana tsara ny hoavin'ny fianakaviana.
๐Ÿ˜‚ Aleo aloha i maman hamerina ny heriny sy hatory tsara, fa tsy mbola hifaninana amin'ny fanamboarana รฉquipe de football!
CLINIQUE ARITINA ๐Ÿค "Reny salama, zaza salama, fianakaviana sambatra." ๐Ÿค

โ€œKANKANAโ€ โ€” Tsy atao tsinontsinona fa mety mampidi-doza! ๐Ÿ˜Ÿ๐Ÿ‘ถ Firy taona vao azo omena ody kankana ny zaza?โœ… Aminโ€™ny ankap...
29/05/2026

โ€œKANKANAโ€ โ€” Tsy atao tsinontsinona fa mety mampidi-doza! ๐Ÿ˜Ÿ
๐Ÿ‘ถ Firy taona vao azo omena ody kankana ny zaza?
โœ… Aminโ€™ny ankapobeny dia: ๐Ÿ‘‰ 1 taona no miakatra vao omena ody kankana matetika.
โš ๏ธ Misy cas sasany omenโ€™ny dokotera aloha kokoa, fa tsy atao raha tsy misy torohevitra ara-pahasalamana.
๐Ÿ“Œ Matetika ny zaza dia omena: โžก๏ธ isaky ny 3 na 6 volana, arakaraka ny toe-pahasalamany sy ny tontolo iainana misy azy.
๐Ÿ’Š Tsy tokony hividy fanafody fotsiny anefa raha tsy fantatra ny dosage mety aminโ€™ny taonanโ€™ilay zaza.
๐Ÿ‘จโ€๐Ÿฆฑ Ary ny olon-dehibe?
โœ… Eny eee ๐Ÿ˜…
Na โ€œolo maventyโ€ aza mila misotro ody kankana ihany koa.
Satria: ๐Ÿ… Mihinana sakafo tsy voasasa tsara
๐Ÿ’ง Misotro rano maloto
๐Ÿ‘ฃ Mandeha tongotra tsy misy kapa
๐Ÿ‘ถ Na misy ankizy ao an-trano efa voanโ€™ny kankana
โžก๏ธ Mora mifindra aminโ€™ny famille jiaby ilay izy.
๐Ÿ“Œ Olon-dehibe koa azo misotro: ๐Ÿ‘‰ isaky ny 3 na 6 volana, arakaraka ny torohevitra ara-pahasalamana.
โš ๏ธ Fantatrao ve?
Ny โ€œkankanaโ€ dia tsy hoe: ๐Ÿ‘‰ mampangidihidy fotsiny
๐Ÿ‘‰ na mampihena lanja fotsiny
Fa mety hiteraka: ๐Ÿ˜ต tsy fahampian-dra
๐Ÿคข kibo marary sy mivonto
๐Ÿ˜ช havizanana be
๐Ÿฝ๏ธ tsy fahazotoan-komana
Ary aminโ€™ny cas grave dia mety hiteraka complication lehibe mihitsy.
๐Ÿ—ฃ๏ธ โ€œKankana kelyโ€ฆ fa olana lehibe rehefa avela ela!โ€ ๐Ÿ˜ฌ
๐Ÿ˜‚ Teny kely comรฉdie :
โ€œRehefa noana foana nefa tsy matavyโ€ฆ
angamba tsy ianao irery no misakafo ao an-kibo ao ๐Ÿคฃ๐Ÿชฑโ€
๐Ÿ’– Mots doux :
โ€œAza miandry aretina vao hikarakara tenaโ€ฆ
Ny fahasalamana no tena harena ๐Ÿคโ€
๐Ÿ›ก๏ธ Fisorohana:
โœ… Sasao tsara ny tanana
โœ… Misotro rano madio
โœ… Manasa legioma sy voankazo
โœ… Manao kapa rehefa mandeha
โœ… Tapaho fohy ny hoho
๐Ÿ“ Clinique ARITINA
Tsarahonena Betainahomby Toa2 โ€” akaiky FIP Verrerie
๐Ÿ“ž 034 22 996 71
๐Ÿ“ง cliniquearitina@gmail.

Address

Tsaronenana, Betainahomby, Toamasina II
Toamasina
501

Telephone

+261342299671

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Cabinet Aritina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Cabinet Aritina:

Share