Departemantan'ny Fahasalamana sy ny fahalalana onony FME

Departemantan'ny Fahasalamana sy ny fahalalana onony FME Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Departemantan'ny Fahasalamana sy ny fahalalana onony FME, Medical and health, R9Q5+MMF, , 5, 1 km, Toamasina.

🩺✨ Fampiharana mivantana ny lesona! ✨🩺Taorian’ny tapa-bolana nianarana, dia tonga amin’ny dingana manan-danja ireo mpian...
23/03/2025

🩺✨ Fampiharana mivantana ny lesona! ✨🩺

Taorian’ny tapa-bolana nianarana, dia tonga amin’ny dingana manan-danja ireo mpianatra ho misionera medikaly androany. Nandritra ny Expo-Santé 🏥 natao tao amin’ny Fiangonana Adventista Mitandrina ny Andro Fahafito Mangarano, dia nampiharin’izy ireo tamin’ny tena fiainana ny fahalalana azony, sady nizara izany tamin’ny fiarahamonina.

Tarihin’ny Dr Aurélie, talen’ny Departemantan’ny Fahasalamana eo anivon’ny Fédérasiona Madagasikara Antsinànana, sy ireo mpampiofana niaraka taminy, dia nahazo traikefa lehibe sy fahatokisana bebe kokoa amin’ny fanompoana izy ireo. 🙏💙

📢 Mbola mitohy hatramin'ny 05 Aprily ity fiofanana ity, ary mbola maro ireo fianarana sy traikefa hiainan’ny mpianatra amin’ny andro ho avy.

Iray amin’ireo dingana lehibe mankany amin’ny fanompoana amin’ny finoana sy fitiavana 💪✨

Fanombohana ny Fiofanana ho Misionera Medikaly09 Martsa 2025 – Nanomboka androany ny fiofanana ho misionera medikaly, no...
09/03/2025

Fanombohana ny Fiofanana ho Misionera Medikaly

09 Martsa 2025 – Nanomboka androany ny fiofanana ho misionera medikaly, nokarakarain’ny MAS FME sy LIGHT Madagascar, miaraka amin’i Mme Ezra ho mpandahateny.

Lohahevitra:
✔ Ara-panahy (Famonjena)
✔ Ara-pahasalamana

Nandritra ny fampianarana, nasongadina fa andraikitra lehibe amin’ny fanompoana ny fikarakarana ara-pahasalamana, araka ny Lioka 9:1-2: “Jesosy niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy, dia nanome azy hery sy fahefana hamoaka demonia rehetra sy hahasitrana aretina. Ary naniraka azy hitory ny fanjakan’Andriamanitra sy hahasitrana ny marary.”

Hitohy amin’ny folakandro ny fiofanana, hifantoka amin’ny fampiharana praktika amin’ny asa misionera medikaly.

🌿✨ FIOFANANA HO MPITORY FILAZANTSARA AMIN'NY ALALAN'NY FAHASALAMANA ✨🌿🎉 Antso ho an'ny rehetra eto Toamasina sy ny manod...
13/02/2025

🌿✨ FIOFANANA HO MPITORY FILAZANTSARA AMIN'NY ALALAN'NY FAHASALAMANA ✨🌿

🎉 Antso ho an'ny rehetra eto Toamasina sy ny manodidina!
Aoka isika hiara-hientana sy hitombo amin'ny fianarana sy fizarana ny fomba fiaina mahasalama! 🥗💪 Ny Departemantan'ny Fahasalamana ao amin'ny Federasiona Madagasikara Atsinanana dia manasa antsika rehetra hanatrika ity fiofanana manokana ity, izay hatao ao amin'ny 📍 AMAF Beryl Rose Toamasina manomboka ny 📅 09 Marsa ka hatramin'ny 05 Aprily 2025.

🔥 Lohahevitra mampivelatra:

🥦 Fomba fiaina mahasalama sy 🏥 fiatrehana aretina

🚑 Famonjena sy fanabeazana marina

📖 Fomba fianarana Baiboly sy 🔮 faminaniana

Ity fiofanana ity dia hanampy anao sy ny ankohonanao ary ny fiangonanao hiaina sy hizara ireo fomba fiaina mahasalama 🍏 ary hanomana antsika amin'ny fihaonana amin'i Jesosy tsy ho ela 🙏✨.

📢 Taomy ny namanao sy ny fianakavianao! Ampitapitao ny vaovao, fa mahasoa antsika rehetra izao fiofanana izao.
Ho tombontsoantsika sy ho fankalazana ny anaran'Andriamanitra! 🙌

📞 Fanazavana fanampiny sy fisoratana anarana:

☎️ +261 34 16 385 17

☎️ +261 34 15 253 49

🔵 Facebook: Departemantan'ny Fahasalamana sy ny Fahalalana Onony FME

✨ Mazotoa, mankanesa maro, ary ho feno fifaliana sy fitahiana ny fotoana! 🎊

Address

R9Q5+MMF, , 5, 1 Km
Toamasina
501

Opening Hours

Monday 09:00 - 18:00
Tuesday 09:00 - 18:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 18:00
Friday 09:00 - 17:00
Sunday 09:00 - 12:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Departemantan'ny Fahasalamana sy ny fahalalana onony FME posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share