12/06/2026
CSB Ambatomainty Sud – SDSP Fenoarivo Be
💫Nisy ny fanentanana natao ho an’ireo reny tonga teny amin’ny CSB, mahakasika ny fanarahana ny tetiandro fanaovam-bakisiny ho an’ny zaza sy ny maha zava-dehibe ny vaksiny hiarovana azy ireo amin’ny aretina maro mety hampidi-doza. Nohamafisina ihany koa ny momba ny vaksiny MPOX, ny tombontsoany ary ireo fepetra hisorohana ny fiparitahan’ny aretina.
💫Nentanina ny ray aman-dreny mba hanaja ny datin’ny vaksiny rehetra voatondro ary hanatona avy hatrany ny tobim-pahasalamana raha mila fanazavana fanampiny.
🙏 Ny fanentanana toy izao dia manampy amin’ny fampihenana ireo zaza “zéro dose” sy “sous-vaccinés”, ary manamafy ny fiarovana ny fahasalaman’ny ankizy sy ny fiarahamonina.
💯MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA MANASITRANA NY FIRENENA 💯