11/09/2026
"Miasa fa tsy magnety” no teny filamatra ampiharin'ireo ekipan’ny Doctors for Madagascar nandritra izay 15 taona izay. 💙
Ho an'i Jean Venot, io teny filamatra io no manosika azy hampahafantatra ireo mponina ny mahazava-dehibe ny fandehanana any amin’ny tobimpahasalamana sy ny tombotsoa azo amin’izany. 🏥💙 Miara-miasa amin’ireo mpanentana ara-pahasalamana hatrany izy mba handrisihana ny olona hanatona CSB sy hahafantatra ireo vaovao mikasika ny fahasalamana. 🤝🩺
Isan’ny fahatsiarovana nanamarika an’i Jean Venot ny fotoana nijoroan’ny mponina iray vavolombelona manoloana ny mpiara-monina aminy rehefa voaentana sy nanatona CSB ary nahazo vokatsoa tamin’izany izy. 🗣️🏥💙
Amin’izao fankalazana ny faha-15 taona nisian’ny Doctors for Madagascar izao, ‘ndeha hankasitrahantsika ireo mpiara-miasa manolo-tena hanasoavana ny fiarahamonina misy azy. 🎉👏💙