18/08/2026
🌿 TE HANANA VOLO LAVA VE IANAO?
Fantatsika fa avy amin’ny hodi-doha no maniry volo. Noho izany, raha te hikarakara sy te hanalava volo isika, dia mila omena lanja ny fahasalaman’ny hodi-doha.
👋 Saingy misy zavatra iray tena ilaina ho fantatra:
✅ Mila mahay mitahiry ny halavany ihany koa
Mety hitombo tsara ny volo, nefa raha mora maina, vakivaky ary tapaka ny tahom-bolo sy ny tendrony, dia mety tsy ho hita mihitsy ilay halavany vaovao.
💧 Ireto àry no tokony hotandremana:
1️⃣ Aza atao be loatra ny zavatra mampamaina ny volo
Ny shampooing mahery loatra, ny fampiasana hafanana matetika, na produits tsy mifanaraka amin’ny volo dia mety hampitombo ny fahamainana sy ny fahatapahana.
2️⃣ Ataovy tsy tapaka ny hydratation 💧
Ny volo maina dia mora tapaka. Mila routine manome hydratation sy soin conditionnant mifanaraka amin’ny toetran’ny volonao.
3️⃣ Tandremo ny coiffage 🪮
Aza sintonina mafy loatra ny volo, indrindra rehefa manao démêlage. Karakarao moramora ihany koa ny volo rehefa lena, satria mora marefo kokoa izy amin’izany fotoana izany.
4️⃣ Arovy ny longueurs 🤍
Ataovy satin ny fonon'ondana na manaova bonnet en satin rehefa matory, ataovy en satin ihany koa ny chouchou hamatorana ny volo mba tsy hampitombo ny fahatapahana.
Manaova coiffure protectrice, tsy tery be loatra, izany dia afaka manampy amin’ny fiarovana ny halavan’ny volo.
🌱 Ary aza hadinoina ny hodi-doha:
5️⃣ Manaova massage du cuir chevelu
Ny massage malefaka dia manampy amin’ny fanentanana ny fikorianan’ny rà eo amin’ny hodi-doha
👉 Ataovy amin’ny rantsan-tanana, fa tsy amin’ny hoho.
👉 Massage malefaka mandritra ny 3–5 minitra.
👉 Aza tsindriana mafy na kikisana ny hodi-doha.
Marihina: tsy midika izany fa ny massage du cuir chevelu irery dia ampy hampaniry haingana ny volo. Ny massage du cuir chevelu dia ampahany iray amin’ny fikarakarana ny hodi-doha.
6️⃣ Bain d’huile alohan’ny shampooing 🫒
Ny bain d’huile dia afaka manampy amin’ny fiarovana sy fanalefahana ny fibre capillaire, indrindra raha mora maina ny volo.
👉 Apetraho amin’ny volo araka izay ilainy ny menaka mifanaraka aminy
👉 Avelao eo mandritra ny 1–2 ora
👉 Sasao tsara amin’ny shampooing avy eo
Tsy ilaina ny mamela menaka mandritra ny alina. Tsy ny faharetan’ny fametrahana azy no mamaritra ny fahombiazan’ny soin.
7️⃣ Gommage du cuir chevelu
Ny gommage dia afaka manampy amin’ny fanesorana ireo cellules mortes sy résidus miangona eo amin’ny hodi-doha.
Izany dia manampy hitazona ny hodi-doha ho madio sy ho salama kokoa.
👉 Ataovy indraindray ihany, arakaraka ny filan’ny hodi-doha
👉 Ataovy malefaka, tsy mila kikisana mafy be
👉 Raha sensible na marary ny hodi-doha dia aleo tsy manao gommage
Ary tadidio: tsy ny gommage no mampaniry ny volo. Ny tanjony voalohany dia ny fikarakarana sy fanadiovana ny hodi-doha.
8️⃣ Mañana faharetana ⏳
Ny fampanirina volo dia miandalana. Tsy tokony hanantena fiovana lehibe ao anatin’ny andro vitsivitsy.
🎯 « Te hanana volo lava ve ianao? Aza mifantoka amin’ny fampanirina azy fotsiny. Ianaro koa ny fomba hitazonana ny halavany. »
Indraindray, tsy hoe tsy mitombo ny volo.
Mety mitombo izy, saingy very izany noho izy vakivaky sy tapatapaka
Ary izany indrindra no tokony hifantohantsika rehefa mikendry volo lava: sady mikarakara ny hodi-doha, no miaro ny fibre capillaire ary mampihena ny fahatapahana.