La Page de Dr Anja Andrii

La Page de Dr Anja Andrii 🦷 Hitsakoana, afahana mitelina sy miteny ary endrika ihany koa ny nify 🦷

Prenez soin de vos dents… Sady ilaina anie ireo anaty endrika no ilaina na anaty fitsakoana, na fitelomana na fitenenana...
31/03/2026

Prenez soin de vos dents…

Sady ilaina anie ireo anaty endrika no ilaina na anaty fitsakoana, na fitelomana na fitenenana eeee 😉

Rehefa banga dia tsy maintsy soloina fa tsy misy tena hahasolo 💯/💯 ny tena nify natoraly izany ary tsy mora anie ny mitondra solonify

Am-pitiavana be 🫶🏼💕

Sur scène et en plein discours, tout bascule pour Kamolwan Chanago, 18 ans : ses facettes dentaires tombent… mais elle garde son sang-froid et continue comme si de rien n’était.

Représentante de Pathum Thani, elle les ajuste discrètement avant de reprendre le défilé sous les applaudissements. Un moment viral lors de Miss Grand Thailand 2026, salué par Miss Grand International, qui relance aussi le débat sur les standards de beauté

01/03/2026

Raha tena tsy maintsy ilaina ny fanalàna nify anaty fitondrana vohoka dia anaty ny telo volana faharoa no tsara indrindra ary raha azo atao dia fadiana ny fitarafana „radio“. Ireo no idealy fa ny mpitsabo nify sy mpanaraka ny vohoka anao no tompon‘ny teny farany 😉

𝐕𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐬𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧´𝐧𝐲 𝐧𝐢𝐟𝐲 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐢𝐯𝐚𝐯𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧´𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐨𝐧𝐝𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐡𝐨𝐤𝐚Ny „ infection“ ny ativava tsy voatsabo dia...
16/01/2026

𝐕𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐬𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧´𝐧𝐲 𝐧𝐢𝐟𝐲 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐢𝐯𝐚𝐯𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧´𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐨𝐧𝐝𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐡𝐨𝐤𝐚

Ny „ infection“ ny ativava tsy voatsabo dia mety hiteraka fahaterahana tsy tonga volana ny zaza na ihany koa tsy fahampian‘ny lanja ny zaza.

Eny mety hiteraka tsy fahatomombanana amin‘ny fitondrana vohoka ny tsy fahasalaman‘ny nify sy ativava ka tena aza atao ambanin-javatra ny fanaraha-maso sy fitsaboana azy ary indrindra fadio ny manao dokotera tena 😊

Dr Anja Andrii - Chirurgien Dentiste 🇲🇬
Fizaràna am-pitiavana be 🫶🏼💕

𝐍𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐨𝐧𝐝𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐕𝐎𝐇𝐎𝐊𝐀 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐬𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧´𝐧𝐲 𝐧𝐢𝐟𝐲 𝐬𝐲 𝐚𝐭𝐢𝐯𝐚𝐯𝐚 Ny fitondrana vohoka dia misy fiantraikany eo amin‘ny fahasala...
18/12/2025

𝐍𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐨𝐧𝐝𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐕𝐎𝐇𝐎𝐊𝐀 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐬𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧´𝐧𝐲 𝐧𝐢𝐟𝐲 𝐬𝐲 𝐚𝐭𝐢𝐯𝐚𝐯𝐚

Ny fitondrana vohoka dia misy fiantraikany eo amin‘ny fahasalaman‘ny nify sy ny ati-vava fa ny olan‘ny nify sy ati-vava ihany koa dia misy fiantraikany eo amin‘ny fitondrana vohoka.

Ilay voalohany no ho jerentsika anio. Inona avy ary izany ?

Vokatry ny „hormone“, ny fitondrana vohoka dia :
🤒 miteraka ny atao hoe „ 𝐠𝐢𝐧𝐠𝐢𝐯𝐢𝐭𝐞 𝐠𝐫𝐚𝐯𝐢𝐝𝐢𝐪𝐮𝐞“ izay aretin‘ny hihy nify : mivonto, menamena, manaintaina, mandeha rà
🤕 indray2 aza misy mihintsy ny atao hoe „𝐞𝐩𝐮𝐥𝐢𝐬 𝐠𝐫𝐚𝐯𝐢𝐝𝐢𝐪𝐮𝐞“ izay fivontosana kely eo amin‘ny hihy nify, tsy atahorana akory

Misy ihany koa anefa :
🦷 ny „risque ambony kokoa ny caries“ noho ny fitiavana misakafo matetika kokoa, fitiavana mamy, arerahana dia tsy mahavita manadio nify sy ati-vava ara-dàlana, fa ao ihany koa anefa ny pH izay lasa „acide“ kokoa
🤮 ilay mandoa iny mampiakatra asidra ao ambava ihany koa dia ny asidra anefa mikiky singa amin‘ny nify ( nazavaiko ao amin‘ny publication mikasika ny caries ity ), na tsy miteraka caries aza dia mety ho ny atao hoe „érosion“, lasa somary „fragile“ ny nify

Inona ary ny tokony atao ?
👩🏻‍⚕️ tena zava-dehibe ny fanaraha-maso akaiky ny fahasalaman‘ny nify mandritry ny fitondrana vohoka noho izany mila mandeha matetika ary ara-potoana any amin‘ny mpitsabo nify sy ati-vava, isa-3 volana
🪥 zava-dehibe ny fanadiovana ny nify sy ati-vava ara-dalàba. Miezaka miborosy nify ara-dalàna sy ara-potoana na eo aza ny arerahana, mampiasa „fil dentaire“, „pâte dentifrice“ misy fluor tsara
🩺 atao avokoa ny fitsaboana ny simba rehetra ( anaty 3 volana faharoa no idealy indrindra )
🥙 miezaka mandanjalanja sakafo araka izay azo atao, tsy adino ny manontsana isaky ny avy mihinana mamy anelanelam-potoana

Amin‘ny manaraka jerentsika ny vokatry ny tsy fahasalaman‘ny nify sy ati-vava eo amin‘ny vohoka

Mirary soa indrindra ireo reny mitondra vohoka rehetra 😘

Dr Anja Andrii - Chirurgien Dentiste 🇲🇬
Fizaràna am-pitiavana be 🫶🏼💕

15/12/2025

Ny vehivavy bevohoka sy ny areti-nify… Mahazo manala nify ve rehefa bevohoka ?
Aza miala lavitra fa ireo indray no ho zaraina manaraka amintsika 😉

𝐀𝐏𝐏𝐀𝐑𝐄𝐈𝐋 𝐎𝐑𝐓𝐇𝐎𝐃𝐎𝐍𝐓𝐈𝐐𝐔𝐄 ( 𝐚𝐩𝐩𝐚𝐫𝐞𝐢𝐥 𝐝𝐞𝐧𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 )Maro samihafa ny fomba sy dingana arahana hanitsiana ny nify fa hiompana kok...
27/11/2025

𝐀𝐏𝐏𝐀𝐑𝐄𝐈𝐋 𝐎𝐑𝐓𝐇𝐎𝐃𝐎𝐍𝐓𝐈𝐐𝐔𝐄 ( 𝐚𝐩𝐩𝐚𝐫𝐞𝐢𝐥 𝐝𝐞𝐧𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 )

Maro samihafa ny fomba sy dingana arahana hanitsiana ny nify fa hiompana kokoa amin‘ilay „appareil dentaire“ fantatsika amin‘ny akapobeny ity fizaràna ity dia ilay „appareil fixé“ izany, ilay tonga ao an-tsainao io mihintsy vao miresaka hoe „appareil dentaire“, ilay toa ny amin‘ny sary eo ambany.

🎤𝐅𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐢𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐚𝐳𝐲 ?
Ny tanjona dia hanintsiana ny nify ary hifanaraka tsara ny ambony sy ambany, havia sy havanana ( harmonie )
Tsy haingo ho an‘ny nify akory

🎤𝐑𝐞𝐡𝐞𝐟𝐚 𝐢𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐭𝐨𝐤𝐨𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐚𝐳𝐲 ?
Rehefa mahatsapa ianao fa mila manintsy ny nifinao, manantòna ny mpitsabo nify raha misy hetaheta anefa tsy azonao antoka hoe azo tanterahana ve na tsia, ilaina na tsia ny ikitihana ilay nify. Afaka manantona ny mpitsabo nify mahazatra anao fotsiny aloha ianao dia izy no manendry ny „spécialiste“ raha tsy manao izy. Io avy eo no manao ny „étude“ ny „cas“ anao ary manome anao ny toromarika rehetra, manazava anao ny tohiny rehetra.

🎤𝐅𝐢𝐫𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐭𝐨𝐤𝐨𝐧𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐚𝐳𝐲 ?
Misy dingana maro makany amin‘ny fanintsiana ny nify ary ny taona dia singa iray lehibe manova ny „prise en charge“, izany indrindra no maha zava-dehibe ny fanaraha-maso akaiky ny fahasalaman‘ny ativava any amin‘ny mpitsabo nify ary manomboka any amin‘ny fahakelezana, arahana ny fitombon‘ny „mâchoires“, ny fitsirin‘ny nify sns, satria dia misy ny fisorohana sy fanintsiana azo atao dieny mbola kely vao mitsiry ny nify ka tsy tonga anaty fahasarotana. Afaka manao azy avokoa ny olona amin’ny taona rehetra fa misy kosa ny salan-taona idealy ka hoy ny teny vahiny hoe : „ le plus tôt sera le mieux“.

🎤𝐌𝐚𝐫𝐚𝐫𝐲 𝐯𝐞 𝐢𝐥𝐚𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐨 « 𝐚𝐩𝐩𝐚𝐫𝐞𝐢𝐥 𝐝𝐞𝐧𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 » ?
Raha tsy mihetsika na mikisaka ny nify tsy hahintsy. Misy „pression“ aterak‘ilay „appareil“ mba ahatonga izany fihetsehana izany, izy io dia voarefy sy voalanjalanjan‘ny mana-pahaizana amin‘izany ary iny ilay mahatonga ny fiverimberenana makany amin‘ny mpitsabo manao azy anaty fotoana voafaritra mazava, zava-dehibe izany io fotoana io ka tsy tokony adinoina na atao ambanin-javatra. Ny hoe marary sa tsia dia miankina amin‘ny fahazakan‘ny tsirairay ny fanaintainana fa amin‘ny ankapobeny dia ny 2-3 andro voalohany ipetahany na aorian‘ny „activation“ ( ilay atao mandritry ny rendez-vous miverimberina iny ) no ambony indrindra izany fanaintainana izany ary mihena tsikelikely. Mety misy ihany koa ny „inflammation“ ny hihy ao anatin‘izany fihetsehan‘ny nify izany, io ihany koa dia mety manaintaina. Efa misy foana ny „mesures“ omen‘ny mpitsabo mahakasika izany. Eo ihany koa ny „sensation“ madilo, somary „sensible“ ilay nify. Atao malemilemy ny sakafo amin‘ny ankapobeny rehefa mitondra „appareil dentaire“.

🎤𝐌𝐢𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐞 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐟𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐨 « 𝐚𝐩𝐩𝐚𝐫𝐞𝐢𝐥 𝐝𝐞𝐧𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 » ?
Eny misy ny „brosse à dents orthodontique“ natokana manokana ho amin‘izany. Afaka manantona Farmasia isika manontany izany. Eo ihany koa ny „soft ou sensible“ noho ilay hihy nify na ilay nify izay sensible mihintsy. Ao ihany koa anefa ny fampiasana borosy nify tsotra mahazatra fa ny „technique de brossage“ dia miova ary ampianarin‘ny mpitsabo na ny mpanampy azy anao. Ny „brossette interdentaite“ ( toa ny amin’ny sary ) no fanampiny iray tena „important“ satria iny no afahana mitsofoka eny anelanelany rehetra. Ary tsindriana etoana fa aorian’ny sakafo rehetra dia tokony manadio nify foana. Eny sarotra kokoa ary mila fotoana kokoa ny „hygiène dentaire“ ho an‘ny olona mitondra „appareil“. Anaty fahavononana ilaina izany mialoha ny hitondra ny hitondràna „appareil orthodontique“

✅ Fehiny, fitsaboana tena fitsaboana ny „appareil orthodontique na appareil dentaire“ ka tena mila fahavononana sy fihomanana tsara. Mila manantona mpitsabo ary mifampiresaka tsara, manazava ny andrasanao ianao, manao „étude ny mpitsabo“ ary manazava anao ny „possibilités et éventualités“ rehetra. Mety ho tratra 100% ilay tadiavinao, mety ihany koa ny manakaiky fa ny „étude de cas“ anao ihany no mamaritra izany ary ny mpitsabo mahalala ny idealy. „Responsabilité dans les deux sens“ ity fitsaboana iray ity ka tena anisany mitondra anjara biriky anaty „succès“ ny fitsaboana ianao, ny tokony ataonao ? Manaraka an-tsakany sy an-davany ny toromariky ny mpitsabonao ary manaja tsara ny „rendez-vous“ satria „calculé“ ireny ary misy antony, toa izay koa anaty fanadiovana satria sao sanatria nify ahintsy no tanjona anefa olana hafa no azo. Tsy ilay „appareil fixé“ iny ihany no fitsaboana anaty io fanintsiana nify io fa ny mpitsabo dia mahalala ny „cas“ anao sy ny „prise en charge“ mifanaraka amin’izany.

❓Mbola manana fanontaniana ve ianao mahakasika ity lohahevitra ity ? Apetraho ao amin‘ny „commentaire“ fa ho valiana araka izay tratra.

Dr Anja Andrii - Chirurgien Dentiste 🇲🇬
Fizaràna am-pitiavana be 🫶🏼💕
( Sary fanehoana )

24/11/2025

Sary miaina fanehoana kely hoe maninona no esorina ny faravazana

( Indrana izy ity ka ialana tsiny ny teny vahiny )

Mirary herinandro feno fahombiazana ho antsika rehetra 💕

13/04/2025

Fantantsika ve fa ny fiborosiana nify alohan’ny hatory no tena tsy tokony atao ambany indrindra amin‘ilay in-3 isanandro ary tena alohan‘ny hatory no hanaovana azy io fa misy miborosy nify avy eo mbola mitsaingotsaingoka indray… 😌

💊💊💊 Fanafody tena mahasitrana ny „ Amoxicilline“ na „Amoxi“ na „Amox“ hoy isika 💊💊💊⚠️ Tsy „guéri tout“ na „150 maladies“...
19/11/2024

💊💊💊 Fanafody tena mahasitrana ny „ Amoxicilline“ na „Amoxi“ na „Amox“ hoy isika 💊💊💊

⚠️ Tsy „guéri tout“ na „150 maladies“ koa anefa izy io, raha azavaina tsotra dia tsy fanafody mahasitrana ny aretina rehetra akory 😌

‼️ Atsaharo ny fihinana azy isak‘izay mahatsiaro re olona fa rehefa sanatria tojo ny aretina tena ilàna azy lasa tsy sitrany intsony hany ka lasa tsy maintsy fanafody maro hafa no asolo azy noho izany :
📌 sady reraka ny voho (reins) amin‘ny fandevonana ireo rehetra ireo (miampy ny fandevonana ny Amox isak‘izay nahatsiaro)
📌 no lany vola ihany koa amin‘ny fitsaboana satria lafo kokoa ny fanafody mahery ho asolo azy no ho maro kokoa ny karazany ilaina

✅ Aleo rehefa omen‘ny mpitsabo ihany vao mihinana azy ary taperina tsara ny fatra voasoratra fa tsy hoe azoazo dia ajanona ny fanafody fa mitovy amin‘ny fihinana azy matetika ihany ny vokatra ho aterany satria tsy afaka hatramin‘ny fakany ny aretina ka mety hiverimberina ny fitsaboana 😊

🎯 Sarobidy ny fahasalamana, aza manao dokotera tena, aza manampoizina ny tenanao na ny manodidina anao 😊
Tahaka ny fatahoranao ny fanafody fampatoriana ihany no tokony atahoranao ny Amoxi satria tena fanafody io ka tsy kilalao akory. Mahatonga hatrany amin‘ny fahafatesana ihany koa ny vokatra ateraky ny fihinana azy tsy ara-dàlana

(Zarao ho hitan‘ny namana sy ny manodidina anao mba hahalalany ka hitandreman‘ny rehetra. Avoty ny hafa, ndao hifanavotra)

Dr Anja Andrii - Chirurgien Dentiste 🇲🇬
Fizaràna am-pitiavana be 🫶🏽💕

„ 𝙂𝙚𝙢𝙖 " Mifanohitra amin‘ilay voalaza farany, izany hoe ny nify na ny taolana ambany no mandroso mihoatra ny ambony.📌 A...
31/10/2024

„ 𝙂𝙚𝙢𝙖 "

Mifanohitra amin‘ilay voalaza farany, izany hoe ny nify na ny taolana ambany no mandroso mihoatra ny ambony.

📌 Azo sorohana dieny mialoha ihany koa satria dieny anaty fitomboan‘ny zaza dia afaka hita

📌 Azo tsaboina tsara ihany koa anefa ary ny aloha indrindra no tsotra kokoa

⚠️ Amafisiko fa ilaina ny manara-maso ny fahasalaman‘ny nify sy ati-vava eny amin‘ny mpitsabo ary indrindra manaraka ny fitombon‘ny zaza

‼️ Misy fiantraikany ara-psykolojika hoy aho ny tsy fahatomombanan‘ny nify indrindra ny fanimbany endrika 😌

Dr Anja Andrii - Chirurgien Dentiste 🇲🇬
Fizaràna am-pitiavana be 🫶🏽💕

Address

Antananarivo

Telephone

+261344331117

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when La Page de Dr Anja Andrii posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to La Page de Dr Anja Andrii:

Share