Cabinet Medical Traditionnel Mitsinjo aina

Cabinet Medical Traditionnel Mitsinjo aina Medecine et santé

🥛FISOTROANA RANO : FOMBA TSOTRA MITONDRA FAHASALAMANA BEIndraindray rehefa miresaka amin’ny olona dia hoe: marary loha —...
06/05/2026

🥛FISOTROANA RANO : FOMBA TSOTRA MITONDRA FAHASALAMANA BE

Indraindray rehefa miresaka amin’ny olona dia hoe: marary loha — misotroa rano. Mikohaka kely — misotroa rano. Mararirary vavony — misotroa rano indray.
Tena zava-dehibe tokoa ny rano, ary anisan’ny manome aina sy fahasalamana ho an’ny vatana.

TOMBOTSOA AZO AMIN’NY FISOTROANA RANO ARAKA NY METY:

1 – Mitazona ny habetsahan’ny rà mba tsy hihena.
2 – Manamora sy manatsara ny fandevonan-kanina.
3 – Manampy amin’ny fanalana poizina sy loto ao anaty vatana.
4 – Manatsara ny tarehy ary mampihena fahanterana amin’ny hoditra.
5 – Miaro ny fahadiovan’ny vatana sy ny faritra manokana indrindra ho an’ny vehivavy.
6 – Mandrindra ny fiasan’ny flore vaginale, miaro amin’ny fofona ratsy sy tsy fahampian’ny ranoka ilaina.

AHOANA NY FOMBA FISOTROANA RANO TSARA?

1 – Fantaro ny lanjan’ny vatanao, zaraina 30: izany no habetsahan’ny rano tokony sotroinao mandritra ny iray andro.
Ohatra: 60 kg zaraina 30 = 2L isan’andro.

2 – Zarao mandritra ny andro: isaky ny adiny 2 dia misotro 1 vera, ary misotroa 1 vera alohan’ny hisakafo.

3 – Vao mifoha maraina, tsy mbola misakafo dia misotroa rano 1–2 vera mba hanadiovana ny vatana sy hanomanana ny fandevonan-kanina.

FANAMARIHANA MANAN-DANJA:

– Aza atao ambanin-javatra ny rano: fomba tsotra nefa mahomby amin’ny fiarovana ny fahasalamana.
– Ny fo sy ny voa no tena mora tohina rehefa tsy ampy rano ny vatana.
– Raha tsy ampy rano ianao dia mora reraka, mety ho tsy salama tsindraindray tsy fantatra akory ny antony.

Rano = Fahavelomana. Manomboha andro amin’ny fisotroana rano, ary ataovy fahazarana izany.
Mirary vatana salama ho anao!

03/05/2026

🟨 Lehilahy maro no menatra miresaka an’io… nefa olana mahazatra izy io.

Raha:
👉 tonga aloha loatra ianao
👉 na mahatsapa fahalemena sy tsy faharetana matetika
dia fantaro fa matetika ny vatana no mila:
🟢 énergie
🟢 circulation tsara
🟢 torimaso ampy
🟢 sakafo manohana ny fahasalaman’ny lehilahy

Ireto misy akora naturel ampiasain’olona maro hanohanana ny vatana

🟢 1. Sakamalao (gingembre)
👉 Manampy amin’ny circulation sanguine sy hafanan’ny vatana
👉 Afaka atao infusion mafana maraina

🟢 2. Tantely naturel
👉 Manome énergie sy manampy hery ho an’ny vatana
👉 Azo afangaro amin’ny rano mafana na citron

🟢 3. Tongolo gasy
👉 Fantatra amin’ny fanohanana circulation sy fahasalaman’ny fo
👉 Tsara raha atao anaty sakafo matetika

🟢 4. Voanjo sy amande
👉 Ahitana zinc sy nutriments ilain’ny vatana
👉 Manampy amin’ny vitalité sy énergie

🟢 5. Betterave rouge
👉 Manampy circulation sanguine
👉 Betsaka ny olona manao sport no mampiasa azy

Fa tandremo:
Tsy misy akora “mahagaga tampoka”.
Ny tena manampy dia:
🟢 torimaso ampy
🟢 stress voafehy
🟢 sport kely isan’andro
🟢 sakafo voalanjalanja
🟢 fialana amin’ny alcool sy sigara tafahoatra

Raha maharitra ilay olana na miverimberina matetika dia tsara manatona mpitsabo, satria indraindray mety misy antony ara-pahasalamana mila jerena.

🔥 Lehilahy matotra = lehilahy mikarakara ny fahasalamany.

Mbola tsy tafiditra ao amin'ny groupe privé " fahasalamana madio -cercle naturel pour hommes" ve Ianao? Mandefasa mp izao dieny izao raha manana olona amin'ny impuissance na éjaculation précoce.

https://www.facebook.com/100044568097987/posts/1502867154542207/?app=fbl
15/03/2026

https://www.facebook.com/100044568097987/posts/1502867154542207/?app=fbl

1- Tension artérielle normale: 120/80 mmhg
2- pH normal du sang: 7,4
3- Le taux de cholestérol sanguin normal: 1,5 - 2,5g/L
4- Pouls en 1 minute: 60-100 BPM
5- Nombre de côtes: 24 (12 paires)
6- Nombre de cavités cardiaques: 4
7- Artère la plus grosse: Aorte
8- Nombre d’os: 206
9- Nombre de Muscles: 639
10- Nombre de vertèbres du colonne vertébrale: 33
11- Nombre de vertèbres dans le cou: 7
12- Nombre d’os dans l’oreille moyenne: 6
13- Nombre d’os sur le visage: 14
14- Nombre d’os dans le crâne: 22
15- Nombre d’os dans la poitrine: 25
16- Nombre d’os dans le bras: 6
17- Nombre de muscles dans le bras humain: 72
18- Nombre de pompes dans le cœur: 2
19- Plus grand organe: Peau
20- Glande la plus grosse: Le foie
21- Plus grosse cellule: ovule femelle
22- Cellule la plus petite: Spermatozoide
23- Os le plus petit: Étrier
24- Premier organe transplanté: le Rein
25- Longueur moyenne de l’intestin: 7 Mètres
26- Longueur moyenne du gros intestin: 1,5 Mètre
27- Poids moyen du nouveau né: 2,6 kg
28- Nombre de dents de lait: 20
29- Température corporelle normale: 37•C
30- Volume sanguin moyen: 4 - 5 litres
31- Durée de vie du Globule rouge: 120 Jours
32- Durée de vie du Globule blanc: 10-15 Jours
33- Période de Grossesse: 280 Jours (40 Semaines )
34- Nombre d’os dans chaque pied: 33
35- Nombre d’os dans chaque poignet: 8
36- Nombre d’os dans chaque main: 27
37- Glande endocrine la plus grosse: La Thyroïde
38- Plus grand organe lymphatique: La Rate
39- La plus grande partie du Système Nerveux Central: Le Cerveau
40- Os le plus gros et le plus fort: Fémur
41- Plus petit muscle: Stapedius (Oreille Moyenne)
42- Nombre de chromosomes: 46 (23 paires)
43- Nombre d’os chez le nouveau né: 350
44- Viscosité Sanguine: 4,5 - 5,5
45- Groupe Sanguin donneur universel: O -
46- Groupe Sanguin receveur universel: AB+
47- Le plus grand GB: Monocytes
48- Le plus petit Globule blanc: Lymphocytes
49- L’augmentation du nombre de GR s’appelle: polycéthémie
50- La banque de sang dans le corps est: la rate
51- La cellule sanguine non nucléé est: GR
52- Le GR est produit dans la moelle osseuse
53- Le fleuve de la vie s’appelle: Le Sang
54- La partie liquide du sang est: Plasma

🧘‍♀️ Atsangano miankina amin’ny rindrina ny tongotrao mandritra ny 10 minitra isan’andro, dia ho hitanao fa lalina kokoa...
28/01/2026

🧘‍♀️ Atsangano miankina amin’ny rindrina ny tongotrao mandritra ny 10 minitra isan’andro, dia ho hitanao fa lalina kokoa noho ny eritreretinao ny vokany hoazonao✨

🤔 Inona no mitranga rehefa asandratra ny tongotra?

1️⃣ Manala haingana ny fitohanana amin’ny tongotra 🦵
Mandritra ny andro, ny rà sy ny rano ao anaty ra (lymphatique) dia miangona any amin’ny tongotra
Mora miverina any amin’ny fo ny rà ❤️⬆️
Mihatsara ny fivezivezen’ny rà 🔄
Mihena ny fahatsapana mavesatra sy fivontosana amin'ny tongotra 🪶
Mihena ny fanaintainana sy harerahana amin’ny hariva

2️⃣ Miova “mode” ny rafitra fifehezan’ny saina 🧠✨

Vokany:
Mihena ny fitempon’ny fo 💓
Miala sasatra tsikelikely ny hozatra 💆‍♀️
Mihena ny adin-tsaina sy tebiteby 🍃

3️⃣ Manamaivana ny lamosina ambany sy manatsara ny fifohana rivotra 🌬️
Mihena ny tsindry amin’ny hazondamosina ambany 🦴
Mihena ny fanaintainan’ny lamosina
Mifoka rivotra mora sy lalina kokoa 😮‍💨
Mampitombo ny oxygene ao amin’ny vatana izany ary mampitony tanteraka ny saina ☁️

4️⃣ Manampy ny fanadiovana anatiny sy ny fivezivezen’ny rà madinika 💧

Mora mivoaka ny loto sy poizina 🧹, ary mahazo otrikaina sy oxygene bebe kokoa ny sela 🌱

🛏️ Ahoana no fanaovana azy tsara?
Ampiakaro amin’ny rindrina na ondana mafy ny tongotra
Mandria mitsotra, akaiky araka izay azo atao amin’ny rindrina ny valahana
Aza terena ny lohalika
Avelao hiala sasatra ny tanana, mitodika miakatra ny felatanana 🤲
Mifoka rivotra miadana sy lalina, dia avoahy miadana kokoa 🌬️

⏱️ 10 minitra dia efa mahatsapa vokany
⏱️ 15 minitra vao mainka tsara koko
Aza adino mi-abonné ny page an

Indramintsika ito pub n'i rasazy itoNY LOHA MALEMY NY ZAZAZAKELY 👇👇👇🔔Mino za fa maro amintsika no mahatsikaritra Ilay fa...
03/09/2025

Indramintsika ito pub n'i rasazy ito
NY LOHA MALEMY NY ZAZAZAKELY 👇👇👇

🔔Mino za fa maro amintsika no mahatsikaritra Ilay faritra somary malemilemy amin'ny Lohan-janatsika iny. Iny no atao hoe loha MALEMY ,misy EO aloha Dia misy aorina

🔔INONA NO ILANA ILAY LOHA MALEMY 👇 ?

🌿Ny loha MALEMY Dia manampy amin'ny fitomboan'ny loha ny Zaza mandritra ny roa taona voalohany iainany .

🌿Anisan'ny manamora ny Fiterahana KOa izy noho Ireo taolan-doha miatery rehefa mandalo am col .

🛑REHEFA AHOANA NO TOKONY ATAHORANA 👇

🌿Lasa milentika be Ilay loha MALEMY :manambara izany fa TSy ampy rano Ilay rano Ilay Zaza(déshydraté)ka Mila manantona tobimpahasalamana farak'izay malaky

🌿Lasa mibontsina Ilay loha MALEMY :manambara izany fa misy aretina toy ny méningite,ny hydrocéphalie ,......

🌿Mihidy aloha loatra(aloha 6bolana) na Tara lotra(mihoatra 30 volana)

❌TANDREMO❌

🛑Tsy azo horina Ilay loha MALEMY satria mety aharatsy Ilay endriny izany lasa mideforme .

🛑Raha misy tranga hafahafa hitanao manantona avy hatrany tobimpahasalamana na pediatrie

Izay fa Dia tsara ity talata ity Dia mirary tontolo andro mafinaritra ho antsika rehetra 😉

-fy manoro hevitra Ara -pahasalamana ho an'ny reny sy ny Zaza

Tsy mifidy sarangan'olona ity recette ity fa Tonga dia raiso ny stylo sy cahier fa in-dray tsy miverina ny fizarana eto ...
03/09/2025

Tsy mifidy sarangan'olona ity recette ity fa Tonga dia raiso ny stylo sy cahier fa in-dray tsy miverina ny fizarana eto @ pejy oh 🤭🤭🤭

Tia azy? Ndao hianatra azy ary♥️Ampianariko karazany maro ianareo anio

♥️GLACE♥️

1️⃣Crème glacée (vanille)
👉Akora ilaina :

-500 ml crème liquide (be manify)
-250 ml ronono be tavy
-150 g siramamy
-Tamenak'atody 5
-1 bâton vanille na 2 sotro kely extrait vanille

👉Fikarakarana :

Hafanaina ny ronono + crème + vanille mandra-piboiboika kely.

Kapohina miaraka ny jaune d’œuf sy ny siramamy.

Araraka miadana ny ronono mafana ao anaty atody kapohina Ary afangaro.

Averina ao anaty lapoaly amin’ny afo malefaka mandra-pahazoana crème anglaise (miraikitra amin’ny sotro).

Avela hangatsiaka, avy eo atao ao anaty sorbetière na ao anaty vata fampangatsiahana, afangaro isaky ny 30 mn mandra-pahazahoana Zavatra mitambatra si malefaka.

2️⃣. Glace au lait (maivana kokoa)

👉Akora ilaina :
-750 ml ronono
-150 g siramamy
-2 sotro fihinanana maïzena
-1 sotro kely vanille na kakao

👉Fikarakarana :

Afangaro ny ronono + siramamy + maïzena.

Hafanaina mandra-pihamafy kely Ary Ampiana ny vanille na kakao.

Avela hangatsiaka, avy eo atao ao anaty vata fampangatsiahana, afangaro isaky ny 30 mn mba tsy ho lasa cristal be.

3️⃣. Sorbet (manga ohatra)

👉Akora ilaina :

-500 g manga voatetika
-150 g siramamy
-200 ml rano
-Ranom-boasary makirana 1

👉Fikarakarana :

Atao sirop ny rano + siramamy, avela hangatsiaka.

Potserina miaraka ny manga sy ranom-boasary makirana.ary afangaro izany

Atao ao anaty sorbetière na ao anaty vata fampangatsiahana, afangaro isaky ny 30 mn.

4️⃣. Frozen yogurt (yaourt mangatsiaka)

👉Akora ilaina :

-500 g yaourt naturel
-120 g siramamy vovony (sucre glace)
-1 sotro kely vanille
-Voankazo vaovao na coulis (tsy voatery)

Fikarakarana :

Afangaro ny yaourt + siramamy vovony + vanille. Ny coulis ihany koa Raha hampiasa izany🙂

Atao ao anaty sorbetière na ao anaty vata fampangatsiahana, afangaro isa

🟨 INONA MAHATONGA NY FAHAFATESANA TAMPOKA AMIN'NY ALINA ? Hoan'izay mifoha amin'ny alina mihainohaino trano na mifoha hi...
13/07/2025

🟨 INONA MAHATONGA NY FAHAFATESANA TAMPOKA AMIN'NY ALINA ?

Hoan'izay mifoha amin'ny alina mihainohaino trano na mifoha hipipy.. ny olona tsirairay avy dia tokony hitadidy lalandava ny hasarobidin' ny "3 minitra sy sasany" alohan'ny tena ifohazana.

Satria tokoa matetika mitranga ny toa izao, olona mbola salama tsara no maty amin'ny alina..matetika isika no mandre ny tantaran'ny olona manao hoe: vao omaly aho niresaka taminy, salama tsara izy, fa nahoana ary izy no maty tampoka?

NY anton'izany dia satria rehefa ilay poritra iny ilay olona ny alina dia tsy manisy lanja ilay 3 minitra sy sasany voalaza tetsy ambony fa avy hatrany dia mitsangana...nefa izay fitsanganana tampoka izay dia mampisy olana ny amin'ny fikorinan'ny rà izay tsy mbola tonga tsara any amin'ny atidoha.

Nahoana no zava-dehibe ny"telo minitra sy sasany"?

Raha mifoha tampoka dia hisy tsy fahampian-drà any amin'ny atidoha ka miteraka aretim-po.. noho izany dia tsara ny mampihatra ilay " 3mn sy sasany" izay:

🟢 1-Rehefa mifoha ianao ny alina dia mijanona eo am-pandriana mandritry ny 1mn sy sasany.

🟢 2- Mipetraha eo am-pandriana mandritry ny 1mn.

🟢 3-Ampidino ny tongotra ary mipetraha eo amin'ny sisin'ny fandriana mandritry ny 1mn manaraka.

Rehefa vita tsara ireo 3 mn sasany ireo dia tsy ho voan'ny " anémie" intsony ny atidohanao ary ho salama ny fonao ka mampihena ny mety ho fianjerana sy fahafatesana tampoka.

Aleo samy mitandrina avokoa fa tsy mifidy taona izay tranga iray izay...mirary soa ho antsika rehetra

Arakaraka ny hizaranao an'ity pub ity no hamonjenao olona.Tsy anenenanao izany ary tsy andanianao vola. Ny tsy fahafantarana ihany no mahafaty olona

ALEFA...PARTAGEO MAXIMUM FA NY FAHALALANA AFAKA MANAVOTRA AIN'OLONA MARO

Indrana,

Zavatra roa samy hafa mihitsy ireto :   🛑 Infections urinaires    🛑 Angatra / solopiso ( gonocoque) 😌 Angatra aretina no...
13/07/2025

Zavatra roa samy hafa mihitsy ireto :

🛑 Infections urinaires
🛑 Angatra / solopiso ( gonocoque)

😌 Angatra aretina no resahako eto fa tsy totom na ilay mampatahotra anao isakin'ny alina a .

🧏‍♀️ Fa ny angatra no hazavaiko aminareo . Samy mety ho voan'izy aretina ity daholo na lahy na vavy.

🦟 Ny angatra dia aretina azo avy aminy firaisana ara-nofo , fisolosolona olona niarahana . Sinon hoe ianao no nitifitra tany an-kafa dia avy eo nitifitra ny vadinao na sipanao dia voa koa izy .

🛑 Fisehony aminy lehilahy :

🦟 Mandeha tsiranoka
🦟 Mandeha nana na misy nana mivoaka ny filahilana
🦟 Marary rehefa mipipy
🦟 Marary rehefa manao firaisana ara-nofo
🦟 Tsy mihenjana tsara ny filahina
🦟 Misy tsiranoka mandeha foana
🦟 Mangididy anaty filahina
🦟 Mangididy ny filahina

🛑 Fisehony aminy vehivavy :
🦟 Lasa misy perte sady misy fofona
🦟 Mangididy lava ny fivavina
🦟 Marary rehefa manao firaisana ara-nofo
🦟 Misy nana mandeha ny fivavina
💉 Marary rehefa mipipy
💉 Te hipipy lava ,sns ....

🛑 Effet secondaire :

🥺 Tsy mety velona ny filahina
🥺 Lasa misy perte sady mangididy no misy fofona
🥺 Kamo manao firaisana ara-nofo
🥺 Cancer prostate
🥺 Cancer du col de l'utérus
🥺 Marary isakin'ny hanao firaisana ara-nofo
🥺 Tsy afaka fofona ny fananahana
🥺 Lasa misy fofona ny spermatozoïdes, sns ...

🥰 Solution omeko anao :

👅 Manaja n'y olona miaraka aminao
👅 Dia mampiasa kapoty....

😌 Dia aza miheno vavan'olona fa aretina tsy misangy aminao, mandehana Docteur 🩺

Tsy misy hoe aza alefa any de hoe tsy mahazo lay aretina , tandremo tandremo fa zava-doza ....

Ireto ny famantarana mahazatra fa mety tratran’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo (IST na Infections Sexuelle...
13/07/2025

Ireto ny famantarana mahazatra fa mety tratran’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo (IST na Infections Sexuellement Transmissibles):

1. Famantarana amin’ny lehilahy:
• Marary na maharary rehefa mi-pipi.
• Fanaintainana na fahasosorana eo amin’ny faritra ara-nofo.
• Tsiranoka tsy mahazatra mivoaka amin’ny filahiana (fotsy, mavo, na maitso).
• Ratra, fivontosana, na pentina eo amin’ny filahiana na faritra manodidina.
• Fanaintainana rehefa manao firaisana ara-nofo.

2. Famantarana amin’ny vehivavy:
• Tsiranoka tsy mahazatra avy amin’ny fivaviana (fotsy, mavo, na misy fofona ratsy).
• Fanaintainana na maharary rehefa mi-pipi.
• Marary rehefa manao firaisana ara-nofo.
• Ratram-pivaviana na fivontosana.
• Fanaintainana amin’ny kibony ambany.

3. Famantarana ankapobeny ho an’ny lehilahy sy vehivavy:
• Tazo na fahatsapana reraka.
• Fivontosana amin’ny lamosina ambany na kibony.
• Pentina, ratra, na fivontosana amin’ny vava, orona, na lavaka fivalanana.
• Nohalavan’ny aretina ka misy fiantraikany amin’ny taova hafa (oh: fo, atidoha).

Ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo dia mety tsy hisy famantarana miharihary amin’ny voalohany, ka zava-dehibe ny manao fitiliana tsy tapaka raha manana firaisana tsy voaaro na manana mpiara-miasa maro.

🔴 𝙎𝘼𝙆𝘼𝙁𝙊 𝙢𝙖𝙢𝙥𝙞𝙝𝙚𝙩𝙨𝙞𝙠𝙖 𝙂𝙊𝙐𝙏𝙏𝙀 ⚠️ | ny Gouty dia aretina mandoza azo avy amin’ny fiangonan’ny acide urique ao anaty vanint...
05/07/2025

🔴 𝙎𝘼𝙆𝘼𝙁𝙊 𝙢𝙖𝙢𝙥𝙞𝙝𝙚𝙩𝙨𝙞𝙠𝙖 𝙂𝙊𝙐𝙏𝙏𝙀 ⚠️ | ny Gouty dia aretina mandoza azo avy amin’ny fiangonan’ny acide urique ao anaty vanintaolana. Ny fivontosan’ny cheville sy ny akihibe tongotra no fomba fisehony matetika, ka manaintaina tsy laitra. Mety hahatonga hatramin’ny Insuffisance Rénale raha tsy voatsabo tsara.

❌ Ny fihinanana be loatra ireto sakafo manaraka ireto no antony mampihetsika ny gouty. Na izany aza dia tsara fantatra fa manaranaka ny gouty. Noho izany dia lanjalanjao ny fihinanana ireto sakafo ireto :
🍺 𝘼𝙇𝘾𝙊𝙊𝙇 : indrindra fa ny 𝙇𝘼𝘽𝙄𝙀𝙍𝘼
🥩 𝙃𝙀𝙉𝘼 𝙈𝙀𝙉𝘼 : omby, ondry
🍖 𝙏𝘼𝙊𝙑𝘼𝙆𝙀𝙉𝘼 : atiny, vaoniny, fony, atidoha
🐟 𝙏𝙍𝙊𝙉𝘿𝙍𝙊 𝙈𝘼𝙏𝘼𝙑𝙔 : sardines, saumon, truite
🦀 𝙁𝙍𝙐𝙄𝙏𝙎 𝘿𝙀 𝙈𝙀𝙍 : crevettes, foza, homards
🥤𝙕𝘼𝙑𝘼-𝙋𝙄𝙎𝙊𝙏𝙍𝙊 𝙈𝘼𝙈𝙔 𝙇𝙊𝘼𝙏𝙍𝘼 : soda, sirops, jus
🥫 𝙎𝘼𝙐𝘾𝙀𝙎 𝙈𝘼𝙏𝙎𝙄𝙍𝙊 𝙍𝙀𝙃𝙀𝙏𝙍𝘼 : indrindra ny fampiasàna ireny « cubes » mampatsiro sakafo ireny
✅ 𝗡𝗬 𝗧𝗢𝗞𝗢𝗡𝗬 𝗛𝗔𝗧𝗔𝗢 𝗱𝗶𝗮 𝗻𝘆 𝗙𝗜𝗦𝗢𝗥𝗢𝗛𝗔𝗡𝗔 :

💧 Misotroa RANO 2 litatra isanandro
🥃 Ahenao ny fisotroana TOAKA indrindra ny LABIERA
🥩 Tandremo ny fihinanana HENA MENA
🥓 Tandremo ny fihinanana CHARCUTERIE
🦞 Tandremo ny fihinanana FRUITS DE MER
🫕 Manaova fanenam-batana
❌ Lanjalanjao ny TSAKY sy ny PI 😉
🔥 𝙎𝘼𝙈𝙄𝘼 𝙈𝙄𝙕𝘼𝙍𝘼
___
Dr. Rakotonoel, Cardiologue ❤️

Address

Andavamamba
Antananarivo
101

Telephone

+261326511717

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Cabinet Medical Traditionnel Mitsinjo aina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share