19/07/2026
Hafatra mafonja: Mpampihavana sa Mpanangona Mpikambana?
"Ary izany rehetra izany dia avy amin'Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy, ka nanankina tamintsika ny fanompoana fampihavanana."
— 2 Korintiana 5:18
Ny zanak'Andriamanitra dia tsy nantsoina hanorina fanjakana ho an'ny tenany, na hifaninana amin'ny isan'ny mpikambana ao am-piangonana. Nantsoina kosa isika hitondra ny olona hiverina amin'Andriamanitra sy hihavana Aminy.
Andeha isika samy handinika ny tenantsika:
- Mitondra olona ho akaikin'Andriamanitra ve aho?
- Sa mitady hampiditra azy ireo ao amin'ny fiangonako fotsiny?
- Tian'ny olona ve i Kristy rehefa mahita ny fiainako, sa ny anaran'ny fiangonako no asongadiko?
Hoy Jesosy:
"Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak'Andriamanitra."
— Matio 5:9
Tsy nilaza Izy hoe sambatra izay mahavory olona betsaka indrindra, fa sambatra izay mampihavana ny olona amin'Andriamanitra sy amin'ny samy olona.
Tsarovy fa iray ihany ny Tenan'i Kristy. Mety samy hafa ny fiangonana misy antsika, nefa iray ihany ny Tompo, iray ny finoana, ary iray ny famonjena.
Amin'izao andro farany izao dia tsy fotoana hifaninana amin'ny isan'ny mpikambana intsony, fa fotoana hiaraha-miasa mba hamonjena fanahy maro araka izay azo atao.
Koa aoka isika samy hanontany tena hoe:
Manao izay hahafantaran'ny olona an'i Jesosy ve aho, sa manao izay hahafantarany ny fiangonako?
Enga anie ny Fanahy Masina handinika ny fontsika sy hanampy antsika hahatanteraka ilay iraka lehibe nomen'i Kristy:
"Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra..."
— Matio 28:19
Ny tanjontsika dia tsy ny hanangona olona ho antsika, fa ny hitondra azy ireo ho an'i Jesosy Kristy. Izay no tena iraka nankinin'ny Tompo tamin'ny Fiangonany.