31/08/2026
Ny Magnésium (Mg) dia mineraly tena ilain’ny vatana. Mandray anjara amin’ny asa maro izy, indrindra amin’ny hozatra, taolana, hozatra/nerf, fo ary famokarana angovo.
🧠 Inona avy no asany lehibe?
⚡ Manampy amin’ny famokarana angovo sy ny fiasan’ny sela.
💪 Manampy ny hozatra hiasa tsara ary mandray anjara amin’ny fampihenana ny fihenjanan’ny hozatra.
🧠 Manohana ny fiasan’ny atidoha sy ny rafi-pitatitra.
❤️ Manampy amin’ny fitazonana ny gadona ara-dalàna amin’ny fo.
🦴 Manampy amin’ny fahasalaman’ny taolana, miaraka amin’ny calcium sy vitamin D.
🩸 Mandray anjara amin’ny fifehezana ny siramamy ao anaty ra sy ny fiasan’ny insuline.
🧬 Ilaina amin’ny famokarana proteinina sy ADN ary amin’ny fihetsiky ny anzima maro.
🥬 Aiza no ahazoana Magnésium?
Anisan’ny loharano tsara: voanjo, amande, voa (sésame, graines de courge), tsaramaso, legioma maitso, céréales complètes, avocat ary chocolat noir.
⚠️ Tsy midika hoe vao mainka tsara rehefa betsaka.
Ny supplément de magnésium dia mety hiteraka aretim-pivalanana na olana hafa raha be loatra, ary mila fitandremana manokana raha misy olana amin’ny voa.