15/04/2026
🥰NY TOKONY HATAO RAHA TE HANALAVA VOLO HAINGANA 🥰
🌿Fanirintsika rehetra ny mba hanana volo lava sy matevina ary salama tsara , nefa indraindray tsy haintsika mihintsy hoe inona ny tokony atao sady ohatrin’ny hoe tsy maniry izany ilay volo ✨🥳
🌿Koa ireto ary misy fihetsika maromaro tokony harahintsika raha te hanalava volo haingana isika :
👉1)Mila manana fahazarana manao soin naturel ary mampiasa akora mampalava volo
🌸Tsy mila mividy produit lafo be vao lava volo fa tena efa betsaka ireo akora natoraly mampalava volo vetivety toy ny tongolo, vahona , sakamalao , akondro , romarin , ranom-bary , poudre indienne , sns (efa feno recette fampiasana azy ireo eto amin’ny page ka jereo ireo publication teo aloha raha mahaliana anao izany)
🌸De rehefa manao soin maison dia jerena tsara hoe inona ny ilain’ny volo raha maina be ohatra ny volo dia soin hydratant no tokony ampiasaina (vahona, yaourt nature,sns) fa raha ohatra kosa vakivaky be dia soin nourissant no ilainy
👉2)Manaova « massage cranien»
Ataovy massage 3 à 4 min eo ho eo ny hodi-doha 3fois par semaine minimum fa ho hitanao hoe vetivety ilay izy dia mihalava satria mi-oxygener ny hodi-doha izany no sady mampikoriana tsara ny rà ka manafaingana ny fitsirin’ny volo 😘
Rehefa manao soin koa dia araho massage kely foana
👉3)Mila misakafo ara-pahasalama sy misotro rano ampy tsara (2L par jour)
👉4)Mila arovana tsara ny volo
🌸Mba tsy ho simba sy vakivaky ary tapatapaka dia mila harovana tsara ny volo
Manaova coiffure protectrice toy ny randrana , aza dia lachena foana ny volo isan’andro , harovy tsara rehefa matory
Hahenao ny fanaovana volo (brushing, fer à lisser) ary aza lokoina ny volo fa manimba azy izany 🍀
👉5)Rehefa misy vakivaky dia tonga dia farano iny satria mihitatra ka voamaika manimba sy mahatapatapaka ny volo
👉6)Fadio ny produit chimique
👉7)Mila manana faharetana
Tena ity ny secret lehiba indrindra, manana faharetana fa tsisy produit miracle izany
Rehefa tsara karakara sy voaharo tsara ny volo dia tsy maintsy mihalava io
🥰Tadidio fa izay mahakolokolo no manana ny tsara😍
🥳Izay ary ny azo atolotra anao anio , araho tsy tapaka ny page ary asio j’aime fa mbôla maro ireo soa hozaraina aminao 🥳
Zarao mba ho hitan’ny hafa ary aza adino ny mi-s'abonner ❤️