07/06/2026
Salama tompoko👋
Efa miditra ririnina tsikelikely isika izao, fotoana izay hanatanterahan'ireo Ray aman-dReny ny famorana ny zanany lahy.
Ny didim-poitra (na posthectomie na circoncision) dia fanalàna ilay hoditra manarona ilay filahian'ny zazalahy iny.
Ho antsika Malagasy dia fomba no antony tena hanaovana azy io, ary ny siansa ihany koa anefa dia manambara ny voka-tsoa amin'ny fanalàna io hoditra (na prépuce) io satria miaro amin'ny fiangonan'ny mikraoba izay mety hiteraka "infection na inflammation".
Amin'ny ankapobeny dia tsy misy fetra-taona ny famorana, raha ny eto amintsika dia mialohan'ny hidiran'ilay zaza mianatra no tena be mpanao izy io.
Raha ny technique indray no resahana dia misy karazany 2 heno matetika eto amintsika:
➡️ny TECHNIQUE TRADITIONNELLE,
➡️ary ny TECHNIQUE À L'AMÉRICAINE
👉 Ny mampiavaka ny "CIRCONCISION À L'AMÉRICAINE" dia ny fampiasana an'ireo fitaovana "Moderne" kokoa😊
Ny fikatonan'ny fery kosa dia miankina amin'ny ankizy tsirairay, fa amin'ny ankapobeny dia hatramin'ny faha-10 andro eo izy io.
Ny tena zava-dehibe rehefa vita ilay didim-poitra dia ny fitandremana ilay fery ho madio sy maina hatrany mba tsy hampa-ela ny fery.
Mitohy hatrany ny fandraisana ireo zaza hatao didim-poitra raha ny eto @ Cabinet de Soins Soa Akadiaivo ByPass
Afaka miditra mp isika Ray aman-dReny na miantso ny 0349866419 raha mila fanampi-panazavana.
Mirary soa e🥰