DGFS Direction Générale de Fourniture des Soins

DGFS Direction Générale de Fourniture des Soins Appui à l'amélioration de la qualité des soins structure rattaché au Ministère de la santé publique

11/06/2026
𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 "𝐊𝐈𝐓 𝐒𝐓𝐀𝐑𝐋𝐈𝐍𝐊" 𝐬𝐲 "𝐀𝐁𝐎𝐍𝐍𝐄𝐌𝐄𝐍𝐓 𝐈𝐍𝐓𝐄𝐑𝐍𝐄𝐓" 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐈𝐕𝐎𝐓𝐎𝐄𝐑𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐓𝐈𝐋𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐀𝟐𝐌 [09 Jona 2026] ✅ Ao anatin’ny fiaraha...
10/06/2026

𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 "𝐊𝐈𝐓 𝐒𝐓𝐀𝐑𝐋𝐈𝐍𝐊" 𝐬𝐲 "𝐀𝐁𝐎𝐍𝐍𝐄𝐌𝐄𝐍𝐓 𝐈𝐍𝐓𝐄𝐑𝐍𝐄𝐓" 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐈𝐕𝐎𝐓𝐎𝐄𝐑𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐓𝐈𝐋𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐀𝟐𝐌
[09 Jona 2026]

✅ Ao anatin’ny fiaraha-mientana ho fanamafisana sy fanatsarana ny rafi-pahasalamana, dia nanolotra fanohanana ara-pitaovana sy ara-teknolojia ho an’ireo ivotoeram-pitiliana LA2M ny UNOPS, tamin’ny alalan’ny fanomezana "𝑲𝒊𝒕 𝑺𝒕𝒂𝒓𝒍𝒊𝒏𝒌" sy "𝑨𝒃𝒐𝒏𝒏𝒆𝒎𝒆𝒏𝒕 𝑰𝒏𝒕𝒆𝒓𝒏𝒆𝒕". Noraisin’ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra ara-pahasalamana, Dr TOMBOFENO Vagnono Jorondraza Jean Marc, tamin’ny fomba ofisialy izany fampitaovana izany.

🚩 Natokana ho an’ireo ivotoeram-pitiliana LA2M any Nosy Be, Place Kabary, Mahavoky Atsimo, Morafeno, Tambohobe, Mitsinjo Betanimena ary Fort-Dauphin ireo fitaovana ireo.

🙏🏽Izao fampitaovana izao dia maneho ny finiavan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka amin'ny alalan'ny Fitaleavana Jeneraly misahana ny Tolotra ara-pahasalamana ( DGFS Direction Générale de Fourniture des Soins) hanatsara ny fepetra enti-miasa sy ny kalitaon'ny asa eny anivon'ireo Laboaratoara LA2M manerana ny Nosy, ahafahan'izy ireo manatanteraka araka ny tokony ho izy ny asa sy andraikitra izay sahaniny.

© DGFS

« 𝑰𝒛𝒂𝒚 𝒎𝒂𝒉𝒂𝒌𝒐𝒍𝒐𝒌𝒐𝒍𝒐 𝒏𝒐 𝒎𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒔𝒐𝒂... »✅ Zava-dehibe ny fahaizana mikojakoja sy mampiasa araka ny tokony ho izy ireo f...
08/06/2026

« 𝑰𝒛𝒂𝒚 𝒎𝒂𝒉𝒂𝒌𝒐𝒍𝒐𝒌𝒐𝒍𝒐 𝒏𝒐 𝒎𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒔𝒐𝒂... »

✅ Zava-dehibe ny fahaizana mikojakoja sy mampiasa araka ny tokony ho izy ireo fitaovana ara-pahasalamana eny anivon’ny hopitaly, mba hisorohana ny fahasimbàna mety hitranga sy hiantohana ny fandraisana an-tanana araka ny tokony ho izy ireo marary.

🏥 Hopitaly miisa 50 manerana ny Nosy no nisitraka fitaovana "radiologie mobile". Fitaovana raitra, ahafahana manatsara hatrany ny kalitaon'ny tolotra fahasalamana omena ny vahoaka eny ifotony.

📍Haharitra roa andro (08 sy 09 jona 2026) ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo teknisianina sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny miandraikitra ny fikirakirana sy fikojakojana ireo fitaovana ireo (techniciens d’imagerie/radiologie, ingénieurs biomédicaux, sns.).

🙏🏽Ity hetsika ity dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa PPSB, izay vatsian'ny Banky iraisam-pirenena vola.
Laharam-pahamehana hatrany ho an’ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka ny fanatsarana tsy ankiato ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana, amin’ny alalan’ny Fitaleavana Jeneraly misahana ny Tolotra ara-pahasalamana DGFS Direction Générale de Fourniture des Soins.

05/06/2026
𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀-𝟏𝟎𝟎 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀 𝐍𝐈𝐉𝐎𝐑𝐎𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐂𝐇𝐔𝐉𝐑𝐁 (𝐂𝐞𝐧𝐭𝐫𝐞 𝐇𝐨𝐬𝐩𝐢𝐭𝐚𝐥𝐢𝐞𝐫 𝐔𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 𝐉𝐨𝐬𝐞𝐩𝐡 𝐑𝐚𝐬𝐞𝐭𝐚 𝐁𝐞𝐟𝐞𝐥𝐚𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚)📍 Varavara...
04/06/2026

𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀-𝟏𝟎𝟎 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀 𝐍𝐈𝐉𝐎𝐑𝐎𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐂𝐇𝐔𝐉𝐑𝐁 (𝐂𝐞𝐧𝐭𝐫𝐞 𝐇𝐨𝐬𝐩𝐢𝐭𝐚𝐥𝐢𝐞𝐫 𝐔𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 𝐉𝐨𝐬𝐞𝐩𝐡 𝐑𝐚𝐬𝐞𝐭𝐚 𝐁𝐞𝐟𝐞𝐥𝐚𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚)
📍 Varavarana misokatra ho an’ny daholobe
🗓️ 04 sy 05 Jona 2026 – tontolo andro

✨Ho fanamarihana ny faha-100 taona nijoroany dia manolotra tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny daholobe ny CHU Joseph Raseta Befelatanana .

🙏🏽100 taona nitsaboana sy nanasitranana.
🙏🏽100 taona nijoroana sy nanangonana traikefa.

« 𝑻𝒓𝒂𝒊𝒌𝒆𝒇𝒂 𝒛𝒂𝒕𝒐 𝒕𝒂𝒐𝒏𝒂, 𝒇𝒊𝒕𝒔𝒂𝒃𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒛𝒐 𝒂𝒏𝒕𝒐𝒌𝒂» no teny filamatra entina manamarika izao dingana lehibe izao.

Mandritra ireo roa andro ireo dia hisy tolotra sy hetsika maro maimaimpoana ho an’ny rehetra, ahitana:
✅ Fitiliana aretina maro samihafa: tosi-drà avo, diabeta, VIH/SIDA, hepatita, aretin’ny voa, aretin-koditra, aretin’ny taovam-pisefoana, sy ny maro hafa.
✅ Fizaham-pahasalamana ankapobeny.
✅ Fanentanana sy fanabeazana ara-pahasalamana ary torohevitra avy amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana.
✅ Sora-dihy, kilalao ary hetsika fialamboly isan-karazany.

Hetsika eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka amin'ny alalan'ny DGFS Direction Générale de Fourniture des Soins Fitaleavana Jeneraly misahana ny Tolotra ara-pahasalamana.

Address

Enceinte CHU Joseph RASETA BEFELATANANA
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 16:00
Tuesday 08:00 - 16:00
Wednesday 08:00 - 16:00
Thursday 08:00 - 16:00
Friday 08:00 - 16:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DGFS Direction Générale de Fourniture des Soins posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to DGFS Direction Générale de Fourniture des Soins:

Share