01/05/2026
Hier , j'ai reçu avec une profonde émotion la distinction de Grand Officier de l’Ordre National Malagasy.
Cet honneur dépasse ma personne : il appartient à tout un peuple qui espère, qui lutte et qui avance.
Je rends grâce à Dieu pour ce chemin, fait de défis, de sacrifices et de foi.
Cette reconnaissance renforce en moi une mission claire : servir le peuple avec intégrité et dévouement.
Servir, ce n’est pas un mot, c’est un engagement quotidien, parfois discret, mais toujours sincère.
Je crois profondément en la jeunesse malagasy.
Former les jeunes pour affronter le futur est un devoir sacré.
Leur transmettre des valeurs, des compétences et une vision est la clé d’un avenir solide.
Nous devons agir concrètement pour changer des vies.
Chaque action, même petite, peut être une lumière dans l’obscurité de quelqu’un.
C’est dans ces actes que se construit une nation forte et solidaire.
Mais tout cela doit se faire avec humilité.
Se rappeler que nous sommes des instruments au service des autres.
Avec abnégation, car le vrai service exige parfois de s’oublier soi-même.
Et surtout avec amour, car sans amour, aucune œuvre n’a de valeur durable.
Je dédie cette distinction à ma famille, à mes collaborateurs et à tous ceux qui œuvrent dans l’ombre.
Continuons ensemble à bâtir, à élever et à inspirer.
Professeur ANDRIAMANARIVO Mamy Lalatiana
------------------------
Omaly aho dia nandray tamim-pientanentanana lalina sy fankasitrahana lehibe ny fanomezam-boninahitra ho Grand Officier de l’Ordre National Malagasy.
Manohina ny foko lalina izany, nefa mihoatra ny tenako irery izy : an’ny vahoaka iray manontolo izay manantena, miady ary mandroso amim-pahasahiana.
Misaotra an’Andriamanitra aho noho ity lalana nodiaviko ity, lalana feno fanamby, fahafoizan-tena ary finoana. Ny dingana tsirairay dia fianarana, ny sedra tsirairay dia lesona, ary ny fandresena tsirairay dia adidy vaovao.
Ity fankasitrahana ity dia manamafy ato anatiko ny iraka mazava sy tsy azo ihodivirana : ny hanompo ny vahoaka amin’ny fahitsiana, fahatokiana ary fanoloran-tena. Ny fanompoana dia tsy teny fotsiny, fa adidy isan’andro, matetika mangina, nefa tena marina.
Mino sy matoky lalina ny tanora malagasy aho. Izy ireo no ankehitriny ary indrindra ny ho avy. Adidy masina ho ahy ny manabe sy manomana azy ireo hiatrika ny ho avy : hanome azy soatoavina matanjaka, fahaiza-manao ilaina ary fahitana mazava.
Tsy maintsy manao asa mivaingana isika hanovana fiainana. Satria ny fihetsika tsotra, averimberina amim-paharetana, no lasa hery manova. Ny fiainana iray voaova dia fandresena ho an’ny firenena iray manontolo.
Amin’izany no anorenana fiarahamonina matanjaka, miray hina ary mendrika. Fiarahamonina ahafahan’ny tsirairay mahita ny anjarany sy mandray anjara amin’ny soa iombonana.
Saingy tsy maintsy tarihin’ny fanetren-tena hatrany izany lalana izany. Tokony hahatsiaro isika fa fitaovana ampiasaina hanompoana ny hafa ihany.
Amin’ny fahafoizan-tena, satria ny fanompoana marina dia mitaky indraindray ny fanadinoana ny tena.
Ary indrindra amin’ny fitiavana, satria raha tsy misy fitiavana dia tsy misy asa maharitra.
Atolotro ho an’ny fianakaviako ity fanomezam-boninahitra ity noho ny fanohanany tsy mihozongozona, ho an’ireo mpiara-miasa amiko noho ny fahavononany, ary ho an’ireo rehetra miasa an-kafetsena, matetika tsy hita maso nefa manana fo lehibe.
Andeha isika hiara-hanohy hanorina, hanandratra ary hanentana.
Profesora ANDRIAMANARIVO Mamy Lalatiana