Dokotera Zafiniavo

Dokotera Zafiniavo ➡️ MÉDECIN URGENTISTE
➡️ MÉDECIN MISSIONNAIRE

👉🏾Mitsabo no safidiko
(4)

18/06/2026

▶️ isanandro satana te hamotika ny fiainanao

fa isa-tsegondra Jesoa miaro anao‼️

18/06/2026

▶️ aza adino ny manadio oron-jaza amin'ny SSI 0.9%

miaro azy tsy hafana hoditra io (infection virale)‼️

18/06/2026

▶️ rehefa tafa ianao dia aza manao tsinotsinona ny madinika

aza mirehareha, mihodina io kodiarana io‼️

▶️ Malemy tampoka ny ilam-batana, mivilana ny tarehy, tsy mahatsiaro tena ‼️antony mateti-pitranga : Tapaka lalan-drà ! ...
18/06/2026

▶️ Malemy tampoka ny ilam-batana, mivilana ny tarehy, tsy mahatsiaro tena

‼️antony mateti-pitranga : Tapaka lalan-drà ! Misy karazany roa Ilay izy: 1-vaky lay lalan-drà amin'ny ati-doha, 2-tsentsina ny lalan-drà amin'ny ati-doha

‼️ny fanaovana scanner cérébral no afahana manaporofo sy manavaka ny fisian'ireo fahasimban'ny lalan-drà anaty loha ireo.

fisehon'ny AVC :
-fambara miseho tampoka : malemy ny ilam-batana, mivilana ny tarehy (paralysie faciale) , tsy mahay miteny, tsy mazava ny fiteny, tsy mahatazona pipy (amany) , mifanintona, tsy mahatsiaro tena , tsy mahay mandeha (tsy voatery ho hita avokoa akory ireo) ...
‼️tsy voatery ho mosavy raha miseho ireo fambara ireo fa mety ho AVC

⛔ singa manampy hisian'ny AVC
-Tosi-drà ambony tsy voatsabo na mihinana fanafody fa tsy ampy
-fifohana sigara, paraky, alcool
-hatavezana
-diabeta tsy tsaboina
-tsy fanaovana fanatanjahantena
fahanterana
-be menaka anaty rà , mipetraka amin'ny lalan-drà ka manentsina azy..

‼️tokony atao MBA hampihena ny risque :
-ahenao ny tavy
-tsaboina Sady arahimaso ny tosi-drà avo, diabeta
-ajanona ny sigara , paraky, alcool
-manao fanatanjahantena
-voankazo , légumes +++ manatsara ny tahan'ny cholestérol
-aza miasa saina loatra
❤️aza adino ny mivavaka e, anankina fiainana amin'Andriamanitra

💥aza adino ny mizara ho fanampiana ny hafa

Dokotera Zafiniavo Médecin urgentiste

17/06/2026

▶️ Mba omeo répos médical fa tena niari-tory nijery mondial a

koa baha tsy bonbon ny répos ko. 😁

17/06/2026

▶️ VIH: virus mamotika hery fiarovana

mora reraka, andairan'ny aretina maro(hoditra, Tuberculose, candidose sns)‼️

17/06/2026

▶️ Vodi-tsobika aza manantandrify maika fa ndri mahafatifaty io

tsisy an'izany hoe tsisy mpitia izany ‼️

17/06/2026

▶️ Tsy hoe kizintina izy fa règle fotsiny rahalahy a...

tsy fanahiniany iny. fa aza manararao-padimbolana kosa ndri e 😁‼️

17/06/2026

▶️ na aforiporitra aza ny vola, tsy miova ny valeur-ny

ianao koa ,Misy valeur @' Tompo na dia misy manao tsinotsinona aza ‼️

16/06/2026

▶️ Ny olona nahavita trano dia niainga tamin'ny nofinofy

sahia manonofy fa aza matoritory anefa ‼️

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Dokotera Zafiniavo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share