28/04/2025
Anisan'ny tena mahasarotiny ny ato @ cabinet d'accouchement Balsam ny fihinanana Fer ho an'ny bevohoka
👉 Tsy mahazaka fer ? Tsy mahazaka pilifera ?
👉 Azo soloina sakafo ve ny pilifera ?
👉 Tsy maintsy mihinana pilifera ve rehefa bevohoka ?
👉 Oviana no tokony hihinana pilifera ?
💊 Fer sy acide folique no resahintsika androany. Tsy filam-baniny araka ny hiheveranareo azy. 👇
▪
🖐 Ny folates dia manampy amin'ny fiforonan'ny ratsantanana sy ratsantongon'ny zaza ao am-bohoka. Ny folates dia manampy ihany koa mampikatona tsara ny taolan-damosin'ny zaza. Raha tsy mikatona io dia misy toa ny tapaka ka mivoaka avy ao ny moelle épinière (ao anaty taolana), indraindray miaraka amin'ny rano tokony hilomanosan'ny atidoha.
🐒 Ka mamorona toa ny rambo ao an-damosina : Izay no antsoina hoe spina bifida.
🧠 Na tsy afaka miforona ny karandoha fa lasa hita aty ivelany ny atidohan'ny zaza : izay no antsoina hoe anencéphale.
🍀 Fa inona izany folates ?
Ny folates dia vitamine B9 NATORALY izay hita any anaty sakafo. Izy io no nosoloin'ny siantifika amin'ny acide folique. Io acide folique io ilay mitambatra amin'ny pilifera omena ny bevohoka (FAF na Fer Acide Folique). Hita indrindra indrindra ao anatin'ny anana ny folates.
🌟 Azo mihinana anana ny bevohoka. Tsy izay mihitsy no mampisy hamatra izay heverin'ny olona hoe tasin'anana amin'ny zaza : https://www.facebook.com/61567188373784/posts/122116660328572945
👶 Ny fiforonan'ny zaza dia manomboka izy vao mitsaika hatramin'ny mahafeno azy 4 volana. Rehefa feno 4 volana ny kibo izany dia efa zazakely no ao am-bohoka, ka mitombo sisa no ataony ao. Noho izany, taraiky loatra raha hoe efa miohatra ny 4 volana ny kibo vao hoe hihinana acide folique (ilay mitambatra ny pilifera).
🏥 Fa ny any amin'ny CSB2 anefa dia andrasany ho lehibebe kokoa ny zaza, eo amin'ny fisafoana faharoa, izay vao omeny pilifera (mitambatra amin'ny acide folique). Mba hoe efa tsy dia hatahorana be hoe ho afaka ny zaza, izay vao omena izay. Mba tsy ho lanilany foana ny tahiriny.
Ka tara loatra raha hiandry izay any amin'ny CSB2 izay. Tokony vao hay hoe bevohoka dia mihinana pilifera misy acide folique. Vidiana eny amin'ny pharmacie. Na farafaharatsiny mihinan-tsakafo be folates be.
Ohatra pilifera : FAF, Folifer, Tardyferon, Gestarelle G, sns.
▫
🤰 Mandritra ny fitondrana vohoka dia mitroka fer avy amin'ny sakafon'ny bevohoka ny zaza ao am-bohoka. Ka tsy ho ampy azy raha ny fer hohanin-dreniny fotsiny no hifampizaran'izy mianaka. Izay no ilavan'ny bevohoka mihinana pilifera.
🧠 Ny fer dia manampy ihany koa amin'ny fiforonana sy fitombon'ny atidohan'ny zaza ao anatin'ny fotoana maha-ao am-bohoka azy hatramin'ny mahafeno azy 3 taona (efa teraka io). Izany hoe mampatsilo saina zaza izany ny fihinanan'ny bevohoka fer.
👀 Izay no antony hanaraha-maso ny lojon'ny hodimaso (conjonctives) rehefa misafo. Vao fotsy hatsatra iny, ka fotsy hatsatra manaraka izany koa ny tanana sy ny vatana iray manontolo dia tsy ampy rà izay ilay bevohoka. Ka vao maika mila pilifera.
🌟 Ianaro ato ny fomba fikarakarana tena raha tsy ampy rà (tsy hoe soloina sakafo ny pilifera) : https://www.facebook.com/photo.php?fbid=122115916430572945
🔌 Angonin'ny zaza iny fer iny mandrampiterahany. Ary mbola mitroka ny ambin'izany ao anatin'ny ahitra ny zaza rehefa avy teraka. Izay no antony iandrasana hoe efa tsy mitempo intsony ny tadim-poitra (tsy mitroka intsony ny rà avy ao anatin'ny ahitra intsony ny zaza) izay vao tapahina ny tadim-poitra.
🌟 Ianaro ato ny fomba fikarakarana tadim-poitra : https://www.facebook.com/photo.php?fbid=122115933434572945
📆 Ampiasain'ny zaza iny fer nangoniny iny vao teraka izy. Ary matetika manodidina ny faha-6 volanan'ny zaza no maharitra an'iny fer iny ao anatin'ny vatan'ny zaza.
🍽 Izay no antony lehibe hanomezana sakafo ny zaza rehefa feno 6 volana. Mba hamenomezana ny zaza sakafo be fer.
🌟 Ianaro ato ny antony hafa hanomezana sakafo ny zaza rehefa feno 6 volana izy : https://www.facebook.com/photo.php?fbid=122115916046572945
▫
🩸 Ankoatra ireo rehetra ireo, rehefa hiteraka dia tsy maintsy ho be ny rà ho very. Hanoloana izay rà very be izay no tena antony hanomezana pilifera ny bevohoka sy hanohizany izany mandritra ny 3 volana aorian'ny niterahany. Satria ny fer dia manampy amin'ny fiforonan'ny rà. Izany hoe mba hisorohana ny fahaverezan-drà be loatra eo am-piterahana ny antony hanomezana pilifera ny vehivavy bevohoka.
▫
🤮 Ny fer, noho izy manampy amin'ny fiforonan'ny rà, dia maimbo fofona rà, sy manana tsiro ratsy be tahaka ny rà. Io fofony ratsy sy tsirony ratsy be io no mampandoa antsika rehefa mihinana azy, indrindra raha ilay pilina atelina. Ka heverintsika hoe tsy zaka ilay pilifera. TSIA ! Tsy misy olombelona tsy mahazaka fer izany. Raha tsy izay dia efa maty daholo : satria samy efa misy fer daholo ao anatin'ny vatantsika olombelona.
🌟 Ianaro ato ny atao raha mandoa rehefa mihinana pilifera (tsy hoe soloina sakafo fa tsy filam-baniny ny hanomezan'ny mpiasan'ny fahasalamana an'iny) : https://www.facebook.com/61567188373784/posts/122116208960572945
💊 Noho ny filan'ny vehivavy bevohoka fer sy acide folique fanampiny no antony hanomezana azy pilifera, fa tsy hoe filam-baniny. TSY HO FENON'NY SAKAFO IZANY IO. Ka diso hevitra raha hoe aleo hasolo sakafo be fer ny pilifera rehefa mampandoa. Ary loza bebe kokoa ho an'ireo bevohoka mpihinana tany ravo izany.
🌟 Ianaro ato ny loza hateraky ny fihinanana tany ravo (lasa tsy ampy rà) : https://www.facebook.com/photo.php?fbid=122116101164572945
Oh : 20mg ny filan'ny vehivavy bevohoka fer isan'andro. Azo izany raha mihinana hena 150g + atody 2 + ronono velona 500ml + m**o 200g + anan-drano 500g + voankazo 400g + paiso 3. Na ny handaniana ilay voankazo 400g aza efa sarotra. Ary tsy ny fer rehetra anatin'ny sakafo no alain'ny vatana fa misy very ihany. Izay no tsy maintsy hihinanana pilifera (supplément fer).
🍴 Mba tsy hampandoa anao rehefa hihinana pilifera dia ataovy amin'ny hariva, ao aorian'ny sakafo. Na raha mety ny oenti-manana dia afaka soloinao sirop na ampoule buvable ilay fer sy acide folique. Ohatra sirop : Fero-Z na Fero Zinc, Fercefol. Ohatra ampoule buvable : Tot'hema.
🥦 Manampy ny fer hifikitra amin'ny vatana ny vitamine C. Hita ao amin'ny kiwi, voasary, voasary makirana, pamplemosy, framboises, cerises, frezy, poivrons, brocoli, persil.
🦠 Ny fihinanana supplément fer dia mety hanimba kely ny hery fiarovana ao anaty tsinay. Ka tsara raha mihinana probiotiques miaraka aminy. Ohatra hoe kombucha ao amin'ny SOA COCO, kéfir ao amin'ny LE KEFIR, kimchi, lasary laisoa, sy izay lasary rehetra nahotrika anaty bocal na tavoahangy.
🌟 Ianaro ato ny tombontsoa entin'ny probiotiques amin'ny fahasalamana : https://www.facebook.com/61567188373784/posts/122125530728572945
💩 Rehefa mihinana pilifera (supplement fer) dia mety
✖ lasa mainty ny tay.
✖ hangery matetika kokoa noho ny mahazatra.
✖ hitohana raha be loatra ny fer nohanina.
🎤 Oviana ianao vao nihinana fer tamin'ny nitondra vohoka ?
📌 Mentionnéo ny bevohoka fantatrao mba hampirisihana azy hihinana pilifera.
▪
🩺 Minoharifidy
🤰 Araho ito pejiko ito mba hahitanao torohevitra rehetra momba ny fitondrana vohoka.
💌 Miandry ny fanontaniana manitikitika anao aho ao amin'ny hafatra miafina (message privé na mp).