27/03/2026
📌 Ny maha-zava-dehibe ny fiborosiana nify isan’andro
⚠️ Fantatrao ve ? Tena ilaina ny fikarakarana ny fahasalaman’ny vava sy nify satria misy fiantraikany mivantana amin’ny fahasalamana ankapobeny izany.
👉 Ny fiborosiana nify 🪥dia manampy amin’ny fanesorana ny “plaque dentaire”, izay loto misy mikraoba miteraka lavaka (caries) sy aretin’ny hihy.
👉 Ahoana no fomba fiborosiana nify tsara ?
1️⃣Mampiasà borosy nify 🪥 malefaka
2️⃣ Mampiasà dentifrice misy fluor
3️⃣ Borosio malefaka ny nify rehetra ka avy any amin'ny hihy makany amin'ny nify.
3️⃣ Ataovy 3 minitra farafahakeliny sy intelo isan’andro.
👉 Isaky n'y inona no miborosy nify ?
Maraina sy atoandro ary hariva aorinan'ny misakafo. Tena zava-dehibe indrindra ny fiborosiana nify alohan’ny hatory, satria mihena ny rora amin’ny alina ka mora mitombo ny bakteria.
👉 Aza adino koa :
▫️Mampiasa “fil dentaire” hanadiovana eo anelanelan’ny nify 🦷
▫️Manantona dentiste 👩⚕️ indray isantaona