RAPHA Fiโ€ saboana natoraly

RAPHA Fiโ€ saboana natoraly Traitement en profondeur et radical, sain, sans risques, par des produits naturels puissants et efficaces. 15 ans d'expรฉrience en ๐˜€๐—ฎ๐—ป๐˜๐—ฒฬ ๐—ป๐—ฎ๐˜๐˜‚๐—ฟ๐—ฒ๐—น๐—น๐—ฒ.

Notre mรฉdecin est tradipraticien, phyto- rรฉflexothรฉrapeute, et aromathรฉrapeute. Fitsaboana natoraly, mitabo ifotony, madio, tsy misy atahorana, haingam-piasa. Traikefa 15 taona tamin'ny fitsaboana ara-voajanahary.

๐Ÿ”ด ๐—ง๐—ฒ๐—ฏ๐—ผ๐—ธ๐—ฎ "๐˜๐—ผ๐—ฟ๐—ถ๐—บ๐—ฎ๐˜€๐—ผ ๐—บ๐—ฎ๐—บ๐˜†" ๐Ÿ˜ดAntsoina hoe "anmian" io teboka ao ao***an'ny sofina io amin'ny teny sinoa. Vao haingana izy i...
13/04/2026

๐Ÿ”ด ๐—ง๐—ฒ๐—ฏ๐—ผ๐—ธ๐—ฎ "๐˜๐—ผ๐—ฟ๐—ถ๐—บ๐—ฎ๐˜€๐—ผ ๐—บ๐—ฎ๐—บ๐˜†" ๐Ÿ˜ด

Antsoina hoe "anmian" io teboka ao ao***an'ny sofina io amin'ny teny sinoa. Vao haingana izy io no hita. Rehefa tsy mahita tory dia o***a moramora amin'ny lohatanana mandritra ny 3 minitra eo ho eo izy io.

โœ… ๐—”๐—ผ ๐—ฎ๐—บ๐—ฏ๐—ฎ๐—ฑ๐—ถ๐—ธ๐˜† ๐—ป๐˜† ๐˜€๐—ผ๐—ณ๐—ถ๐—ป๐—ฎ no misy ilay teboka, mihataka kely rantsana roa eo ho eo amin'ny sofina ary misy somary milempona kely izay ao, dia eo no misy azy.

โญ• Mitsotra na mipetraka ianao, tadiavo amin'ny lohatanana ilay teboka, ary ๐—ผ๐—ฟ๐˜† ๐—บ๐—ผ๐—ฟ๐—ฎ๐—บ๐—ผ๐—ฟ๐—ฎ amin'ny rantsan-tanana. Atao ๐—บ๐—ถ๐—ต๐—ผ๐—ฑ๐—ถ๐—ป๐—ธ๐—ผ๐—ฑ๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐Ÿฏ ๐—บ๐—ถ๐—ป๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ eo ho eo. Samy atao ny ilany roa, azo atao miaraka na mifanesy.

โ˜๏ธ Mety tsy tonga dia mety, fa raha ataonao isan'andro dia mandaitra afaka andro vitsivitsy.

๐Ÿƒ Makร  rivotra milamina sady lalina rehefa manao azy, ary ataovy mitsotra tsara daholo izay mihenjana na mivonkona amin'ny vatanao rehetra. Manampy ny sainao hilamina izany, mampihena ny stress, ary manomana ny vatanao hiatrika torimaso.

โ—ฝ

๐Ÿฅฑ Manampy fotsiny anefa io fa tsy manafoana ny fomba fanao tsara hafa mikasika ny torimaso. Mila hajaina koa ny tsy fijerena efijery ora iray na roa alohan'ny hatory, ny ora tsy miovaova hatoriana, ary ny maripana mety ho an'ny vatana (Jereo ny ranty manokana mikasika ny torimaso ato amin'ny pejy).

โ—ฝ

02/04/2026
๐ŸŒฟ ๐—™๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐˜€๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐—ฎ๐˜๐—ถ๐˜ƒ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎIsan-karazany ny olana mpitranga ao anatin'ny vava ao fa indraindray tsy dia raharahiantsika :๐Ÿฆท ...
02/04/2026

๐ŸŒฟ ๐—™๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐˜€๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐—ฎ๐˜๐—ถ๐˜ƒ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ

Isan-karazany ny olana mpitranga ao anatin'ny vava ao fa indraindray tsy dia raharahiantsika :

๐Ÿฆท Marary nify
๐Ÿคญ Maimbo vava
๐Ÿฉธ Hihy mora mandeha rร  na mivonto
โšช Apthes
๐Ÿฆ  Mycose
๐Ÿงฉ Loton'ny ativava

โœ”๏ธ Misy zavatra fahitantsika andavanandro azo atao aminy, ary misy tsy ampoizina mihitsy, toy ny menaka voanio, na ny argile verte. Fa misy koa efa fantantsika ihany fa mila averina fotsiny mba ho tadidy rehefa mitranga ny olana.

โ—ฝ

25/03/2026

โœ๏ธ "๐—ก๐˜† ๐—ณ๐—ผ ๐—ฟ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ผ๐—ฟ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ผ ๐—ฑ๐—ถ๐—ฎ ๐—บ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐˜€๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐—บ๐—ฎ ๐˜๐˜€๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ,
๐—ณ๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ต๐˜† ๐—ธ๐—ถ๐˜ƒ๐˜† ๐—บ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐˜๐—ฎ๐—ผ๐—น๐—ฎ๐—ป๐—ฎ."
Ohabolana 17:22

๐Ÿƒ ๐—œ๐—ป๐—ผ๐—ป๐—ฎ ๐˜๐˜€๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ ๐—บ๐—ผ๐—ฎ ๐—ถ๐—น๐—ฎ๐˜† ๐—ต๐—ผ๐—ฒ ๐—”๐—ก๐—ง๐—œ๐—ข๐—ซ๐—ฌ๐——๐—”๐—ก๐—ง๐—ฆโ“Ny antioxydants dia molรฉcules any anatinโ€™ny sakafo izay ๐—บ๐—ฎ๐—บ๐—ผ๐—ป๐—ผ ๐—ป๐˜† ๐—ฟ๐—ฎ๐—ฑ๐—ถ๐—ฐ๐—ฎ๐˜‚๐˜… ๐—น๐—ถ๐—ฏ๐—ฟ๐—ฒ...
12/03/2026

๐Ÿƒ ๐—œ๐—ป๐—ผ๐—ป๐—ฎ ๐˜๐˜€๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ ๐—บ๐—ผ๐—ฎ ๐—ถ๐—น๐—ฎ๐˜† ๐—ต๐—ผ๐—ฒ ๐—”๐—ก๐—ง๐—œ๐—ข๐—ซ๐—ฌ๐——๐—”๐—ก๐—ง๐—ฆโ“

Ny antioxydants dia molรฉcules any anatinโ€™ny sakafo izay ๐—บ๐—ฎ๐—บ๐—ผ๐—ป๐—ผ ๐—ป๐˜† ๐—ฟ๐—ฎ๐—ฑ๐—ถ๐—ฐ๐—ฎ๐˜‚๐˜… ๐—น๐—ถ๐—ฏ๐—ฟ๐—ฒ๐˜€ ao aminโ€™ny vatana.

๐Ÿ’ซ Ny radicaux libres dia molรฉcules tsy voafehy izay mandehandeha foana any aminโ€™ny vatana ary manimba ny sela, manafaingana ny fahanterany, ary manome vahana ny aretina mitaiza toy ny homamiadana sy ny aretinโ€™ny lalandrร  sy fo.

๐Ÿงฉ Alaminโ€™ny antioxydants ireny molรฉcules mandehandeha ireny mba tsy hanimba ny sela salama.

โ—ฝ

๐Ÿšจ ๐—œ๐—ป๐—ผ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐—ผ ๐—บ๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ฑ๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—ป๐—ฎ ๐—บ๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐˜๐—ผ๐—บ๐—ฏ๐—ผ ๐—ป๐˜† ๐—ฟ๐—ฎ๐—ฑ๐—ถ๐—ฐ๐—ฎ๐˜‚๐˜… ๐—น๐—ถ๐—ฏ๐—ฟ๐—ฒ๐˜€ ๐—ฎ๐—ผ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐˜ƒ๐—ฎ๐˜๐—ฎ๐—ป๐—ฎโ“

โ–ธ Ny sigara ๐Ÿšฌ
โ–ธ Ny alikaola be loatra ๐Ÿท
โ–ธ Ny rivotra maloto ๐Ÿ’จ
โ–ธ Ny sakafo voahodina ๐Ÿฅ“
โ–ธ Ny mitanina andro ela loatra ๐ŸŒž tsy misy fiarovana
โ–ธ Ny fikorontanan-tsaina lava sy tsy fahampian-torimaso ๐Ÿ˜ฃ
โ–ธ Ny menaka fanendasana nafanaina taminโ€™ny afo mahery loatra ๐Ÿณ
โ–ธ Ny sakafo may ๐Ÿ”ฅ, indrindra ny hena. Tandremo koa ny ampango may be.
โ–ธ Ny รฉdulcorants artificiels sy ny colorants alimentaires

โ—ฝ

โŒ ๐—ง๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฒ๐—บ๐—ผ ๐—ถ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐˜† ๐—ธ๐—ผ๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ฃ๐—Ÿ๐—”๐—ฆ๐—ง๐—œ๐—ž๐—” ๐—ณ๐—ฎ ๐—น๐—ผ๐˜‡๐—ฎ ๐˜๐˜€๐˜† ๐—ต๐—ถ๐˜๐—ฎ ๐—บ๐—ฎ๐˜€๐—ผ โ€ผ๏ธ

Ireto zavatra ireto dia mahatonga radicaux libres betsaka avy amin'ny singa simikan'ny plastika :

โ–ธ Ny sakafo hafanaina ao anatina zavatra plastika โ™จ๏ธ
โ–ธ Ny rano ao anaty tavoahangy plastika nitaninโ€™andro ela, na nipetraka tao anaty fiara nitaninโ€™andro ๐Ÿš—
โ–ธ Ny rano ao anaty tavoahangy plastika nipetraka ela tao anaty congรฉlateur โ„๏ธ
โ–ธ Ny menaka na sakafo misy menaka tehirizina ao anaty zavatra plastika
โ–ธ Ny sakafo marikivy (toy ny jus de citron) tehirizina ao anaty zavatra plastika ๐Ÿ‹

๐Ÿšฉ Tonga any aminโ€™ny rร , ny havokavoka, eny ny atidoha koa aza ny microplastiques avy aminโ€™ireny zavatra ireny, ary mahatonga fikorontananโ€™ny hormones.

๐— ๐—ฏ๐—ฎ ๐—ต๐—ถ๐˜€๐—ผ๐—ฟ๐—ผ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—น๐—ผ๐˜‡๐—ฎ ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ ๐—ถ๐˜‡๐—ฎ๐˜† ๐—ฎ๐˜‡๐—ผ ๐—ฎ๐˜๐—ฎ๐—ผ ๐—ฑ๐—ถ๐—ฎ :

โœ… Aleo mampiasa zavatra vita aminโ€™ny verre, inox na tanimanga.
โœ… Tsy mamร na sakafo ao anatina zavatra plastika mihitsy, na dia misy soratra aza hoe azo ampiasaina aminโ€™ny microonde aminy.

โ—ฝ

โŒ ๐—ก๐˜† ๐˜‡๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—ต๐—ฎ๐—ณ๐—ฎ ๐˜๐˜€๐˜† ๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ผ๐—ถ๐˜‡๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—บ๐—ถ๐˜๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ ๐—ฟ๐—ฎ๐—ฑ๐—ถ๐—ฐ๐—ฎ๐˜‚๐˜… ๐—น๐—ถ๐—ฏ๐—ฟ๐—ฒ๐˜€

โ–ธ Ny hazavana manga avy aminโ€™ny finday ๐Ÿ“ฑ sy ny efijery isan-karazany
โ–ธ Ny ondes รฉlectromagnรฉtiques avy aminโ€™ny wifi ๐Ÿ›œ sy ny finday
โ–ธ Ny vokatra fikoloana hatsarana (cosmรฉtiques) โœจ sy ny dรฉodorants misy parabรจnes sy metaly mavesatra
โ–ธ Ny tickets de caisse thermiques ๐Ÿงพ
โ–ธ Ny akora simika famonoana bibikely
โ–ธ Ny vokatra fanadiovana toy ny liquides vaisselles, dรฉgraissants, dissolvants, dรฉsodorisants ๐Ÿงด
โ–ธ Ny loko ๐ŸŽจ fandokoana rindrina, hazo, vy, ny vernis, ny lakaoly natao ho an'ny gorodona sy ny hazo
โ–ธ Ny labozia manitra ๐Ÿ•ฏ๏ธ sy ny ditinkazo manitra synthรฉtiques
โ–ธ Ny tapis sy ny moquettes vaovao

โ—ฝ

๐ŸŒบ ๐—ก๐˜† ๐˜€๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ๐—ณ๐—ผ ๐—ฏ๐—ฒ ๐—ฎ๐—ป๐˜๐—ถ๐—ผ๐˜…๐˜†๐—ฑ๐—ฎ๐—ป๐˜๐˜€ ๐—ถ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ถ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ :

Ny antioxydants amin'ny sakafo no mandamina ny radicaux libres, noho izany tsara ny mihinana sakafo izay betsaka azy.

โœ”๏ธ ๐‘ต๐’š ๐’—๐’๐’‚๐’๐’Œ๐’‚๐’›๐’ : ampongaben-danitra, voaroihazo, voaloboka mainty ๐Ÿ‡, kiwi ๐Ÿฅ, prunes ๐Ÿ‘, baobab
โœ”๏ธ ๐‘ต๐’š ๐’๐’†๐’ˆ๐’Š๐’๐’Ž๐’‚ : ananambo ๐ŸŒฟ, anana ๐Ÿฅฌ, brocoli ๐Ÿฅฆ, laisoa mena, betiravy, poivrons mena ๐ŸŒถ๏ธ, vomanga ๐Ÿ , tongologasy ๐Ÿง„, tongolo mena ๐Ÿง…, artichauts, tsaramaso mena ๐Ÿซ˜, noix
โœ”๏ธ ๐‘ต๐’š ๐’›๐’‚๐’—๐’‚๐’•๐’“๐’‚ ๐’‰๐’‚๐’‡๐’‚ : spiruline, tamotamo, cannelle, jirofo, sakamalaho, graines de chia, tantely ๐Ÿฏ, romarin, thym, kafe โ˜•, dite maitso ๐Ÿต, hibiscus ๐ŸŒบ, cacao manta, chocolat 70%+ ๐Ÿซ

โ—ฝ

๐Ÿ“Œ ๐—™๐—ฒ๐—ต๐—ถ๐—ป๐˜† :

โœ… Ny sakafo voajanahary izay misy lokony rehetra ao am-bilianao dia miady aminโ€™ny radicaux libres daholo, fa misy be antioxydants kokoa noho ny hafa.
โ›” Ny zavatra artifisialy, simika, na may dia mamokatra azy.

Ny ankamaroanโ€™ny zavatra maoderina dia saika miteraka oxydation aminโ€™ny vatana daholo. Izay no mahatonga ny aretina mitaiza lasa marobe tao anatinโ€™ny zato taona farany misy antsika. Tsy ampy intsony ny misakafo ara-pahasalamana fa mila eritreretina tsara koa ny zavatra ampiasaina andavanโ€™andro.

โ—ฝ

03/03/2026

๐Ÿฉบ ๐—œ๐—ป๐—ผ๐—ป๐—ฎ ๐—ฎ๐˜ƒ๐˜† ๐—ป๐˜† ๐˜๐˜€๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ ๐—ต๐—ผ ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐˜๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—บ๐—ผ๐—บ๐—ฏ๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐— ๐—ฃ๐—ข๐—ซ ๐—ป๐—ฎ ๐—ก๐—˜๐—ก๐——๐—ฅ๐—”๐—ก-๐——๐—ฅ๐—”๐—๐—”๐—ž๐—ข โ“

Ary inona ny fanafody ato amin'ny RAPHA ๐ŸŒฟ hoentina miatrika azy ?

โ—ฝ

๐ŸŒฟ ๐‘ญ๐’‚๐’๐’•๐’‚๐’•๐’“๐’‚๐’ ๐’—๐’† ?โŒ Mila mitandrina ny ray aman-dreny amin'ny fampiasan'ny zaza finday ๐Ÿ“ฑ satria manimba azy ireny ๐—บ๐—ถ๐—ต๐—ผ๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ...
24/02/2026

๐ŸŒฟ ๐‘ญ๐’‚๐’๐’•๐’‚๐’•๐’“๐’‚๐’ ๐’—๐’† ?

โŒ Mila mitandrina ny ray aman-dreny amin'ny fampiasan'ny zaza finday ๐Ÿ“ฑ satria manimba azy ireny ๐—บ๐—ถ๐—ต๐—ผ๐—ฎ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—น๐—ฎ๐˜ƒ๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—ป๐—ผ๐—ต๐—ผ ๐—ป๐˜† ๐—ผ๐—น๐—ผ๐—ป-๐—ฑ๐—ฒ๐—ต๐—ถ๐—ฏ๐—ฒ ny radiations รฉlectromagnรฉtiques avy amin'ireny fitaovana ireny.

Tsy mitovy ny firafitry ny lohan'ny zaza sy ny an'ny olon-dehibe fa :

โœฆ ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ถ๐—ณ๐˜† ๐—ธ๐—ผ๐—ธ๐—ผ๐—ฎ noho ny nieritreretana azy hatramin'izay ๐—ป๐˜† ๐—ธ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ผ๐—ต๐—ฎ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐˜‡๐—ฎ๐˜‡๐—ฎ ๐Ÿง’ araka ny vokatry ny fandalinana faraparany*,

โœฆ ๐—ฏ๐—ฒ ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ผ ๐—ธ๐—ผ๐—ธ๐—ผ๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ฎ๐˜๐—ถ๐—ฑ๐—ผ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐˜† ๐Ÿ’ง

โœฆ ary mbola andalam-pivelarana ny systรจme nerveux โœจ ao aminy.

โ–ซ

๐Ÿง  Vokatry ny hanifin'ny karandohany dia ๐—บ๐—ถ๐—ฑ๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—ต๐—ฎ๐—ถ๐—ป๐—ด๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ธ๐—ผ๐—ธ๐—ผ๐—ฎ ๐˜€๐˜† ๐—น๐—ฎ๐—น๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—ธ๐—ผ๐—ธ๐—ผ๐—ฎ any amin'ny atidohan'ny zaza ๐—ป๐˜† ๐—ฟ๐—ฎ๐—ฑ๐—ถ๐—ฎ๐˜๐—ถ๐—ผ๐—ป๐˜€ ๐—ฒฬ๐—น๐—ฒ๐—ฐ๐˜๐—ฟ๐—ผ๐—บ๐—ฎ๐—ด๐—ป๐—ฒฬ๐˜๐—ถ๐—พ๐˜‚๐—ฒ๐˜€ avy amin'ny finday sy ny fitaovan-tserasera isan-karazany.

๐Ÿ’ฆ Ary fantantsika fa mampita herin'aratra ny rano (conducteur), kanefa ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ผ ๐—ป๐—ผ ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ๐—ณ๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—ฏ๐—ฒ ๐—ถ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ถ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ฎ๐˜๐—ถ๐—ฑ๐—ผ๐—ต๐—ฎ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐˜‡๐—ฎ๐˜‡๐—ฎ (75 โ€“ 80 % eo ho eo), noho izany dia miteraka fahasimbana kokoa ao aminy ny taratra avy amin'ny fitaovan-tserasera.

โ–ซ

๐Ÿšฉ Ankoatr'izay dia misy fiantraikany amin'ny fitadidiana, ny haranitan-tsaina, ny fitondrantena, ary ny fihetsehampon'ny zaza ny fampiasana be loatra an'ireny fitaovana ireny. Hojerentsika lalindalina kokoa ny momba izay ao aoriana kely.

โ–ซ

โœ… ๐—ก๐˜† ๐˜๐˜€๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ ๐˜๐—ฎ๐˜‡๐—ผ๐—ป๐—ถ๐—ป๐—ฎ :

Tsy sakanana tanteraka hampiasa finday ๐Ÿ“ฑ sy efijery ๐Ÿ’ป akory ny ankizy fa mampitatra ny sainy koa ireny. Fa kosa :

โœ”๏ธ Ferana ny ora hamelana azy hampiasa izany isan'andro โฑ๏ธ, ary asiana fiatoana kely eny anelanelany.
โœ”๏ธ Tsy atao manakaiky ny loha ๐Ÿ‘ฆ na mipetaka amin'ny vatana ๐Ÿšถโ€โ™‚๏ธ ny finday.
โœ”๏ธ Mampiasa รฉcouteurs rehefa miantso ๐ŸŽง, ary tsy manao antso lavabe.

โ–ซ

๐Ÿค— ๐—”๐˜‡๐—ฎ ๐—บ๐—ฏ๐—ฎ ๐—ต๐—ผ ๐—ถ๐˜€๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—ฎ๐—ฑ๐—ฎ๐—น๐—ฎ ๐˜๐˜€๐˜† ๐˜๐—ถ๐—ฎ ๐—ฆ๐—ข๐—ฆ๐—˜๐—ง๐—ฌ โ€ผ๏ธSakafo tena volamena ho an'ny fahasalamana ny sosety (anarany hafa : choucho...
14/02/2026

๐Ÿค— ๐—”๐˜‡๐—ฎ ๐—บ๐—ฏ๐—ฎ ๐—ต๐—ผ ๐—ถ๐˜€๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—ฎ๐—ฑ๐—ฎ๐—น๐—ฎ ๐˜๐˜€๐˜† ๐˜๐—ถ๐—ฎ ๐—ฆ๐—ข๐—ฆ๐—˜๐—ง๐—ฌ โ€ผ๏ธ

Sakafo tena volamena ho an'ny fahasalamana ny sosety (anarany hafa : chouchou, christophine, chayote) fa dia mahagaga hoe maro no tsy tia azy. Mora levonina izy, azo hanina daholo ny nofony, ny hodiny (tsara andrahoina miaraka aminy ihany na tsy tiana hohanina aza fa be otrikaina koa), hatraminโ€™ny raviny sy ny tahony.

๐Ÿฅ— Azo hanina manta na masaka izy araka izay itiavana azy, atao lasary, m**o, gratin, fangaron-daoka, na tena atao solona vary mihitsy ho anโ€™ireo izay manena tena na voanโ€™ny diabeta.

๐Ÿฅ›Ny rano nandrahoana azy koa atao rano fisotro tontolo andro fa manana tsiro malefaka no sady manadio vatana.

โ–ซ๏ธ

โ—พ ๐‘ฐ๐’๐’๐’๐’‚ ๐’‚๐’—๐’š ๐’๐’š ๐’”๐’๐’‚ ๐’†๐’๐’•๐’Š๐’๐’š โ“

๐Ÿ€ ๐—ž๐—ฒ๐—น๐˜† ๐—ธ๐—ฎ๐—น๐—ผ๐—ฟ๐—ถ๐—ฎ ๐—ถ๐˜‡๐˜† ๐—ป๐—ฒ๐—ณ๐—ฎ ๐—ฏ๐—ฒ ๐—ผ๐˜๐—ฟ๐—ถ๐—ธ๐—ฎ๐—ถ๐—ป๐—ฎ
19 kaloria monja no ao anatinโ€™ny sosety 100 g, ary ahitana vitamine C, potassium, fibres, magnรฉsium ary antioxydants ao aminy, kanefa dia rano no mandrafitra ny 95 isan-jatony. Mety be ho an'ireo manena vatana.

๐Ÿชท ๐— ๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐—ฑ๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐˜๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ป-๐˜๐˜€๐—ถ๐—ฟ๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—บ๐˜†
Ambany be ny indice glycรฉmique ao aminy ary manana singa betsaka mandrindra ny siramamy izy. Mety be ho anโ€™ny diabetika.

๐Ÿƒ ๐— ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ฑ๐—ถ๐—ผ ๐˜€๐—ฎ๐—ฑ๐˜† ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐˜€๐—ถ๐—ธ๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ฝ๐—ผ๐—ถ๐˜‡๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—ต๐—ถ๐˜ƒ๐—ผ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ
Manampy ny vatana hamoaka ny loto sy ny rano tsy ilaina izy, miady aminโ€™ny fihazonan-drano, mampihena ny fivontosana ary manohana ny fiasanโ€™ny voa.

๐Ÿ’— ๐— ๐—ถ๐—ฎ๐—ฟ๐—ผ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ผ ๐˜€๐˜† ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ถ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐˜๐—ผ๐˜€๐—ถ๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ
Manampy aminโ€™ny fampidinana ny tosidrร  izy, manala ny cholestรฉrol ratsy, ary manatsara ny fikoriananโ€™ny rร .

๐Ÿ›ก๏ธ ๐— ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ณ๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ต๐—ฒ๐—ฟ๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐—ฎ๐—ฟ๐—ผ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ฎ๐—ฟ๐˜† ๐—บ๐—ฎ๐—บ๐—ฝ๐—ถ๐˜๐—ผ๐—ป๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐—ฟ๐—ฒ๐—ต๐—ฒ๐˜๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—บ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ
Noho ny habetsaky ny flavonoรฏdes sy ny polyphรฉnols ao anatiny dia manampy ny vatana hiady aminโ€™ny aretina sy manamboatra ny simba izy, mamono ny radicaux libres (molรฉcules tsy voafehy izay mandehandeha foana any aminโ€™ny vatana ary manimba ny sela) ary mampateza ny sela tsy ho mora antitra.

๐Ÿ˜‹ ๐— ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—บ๐—ผ๐—ฟ๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฒ๐˜ƒ๐—ผ๐—ป๐—ฎ๐—ป-๐—ธ๐—ฎ๐—ป๐—ถ๐—ป๐—ฎ
Be fibres sy rano izy ary manampy ny tsinay hiasa tsara, misoroka ny fitohanana, mampitony ny tsinay marefo ary mikolo ny bakteria tsara ao anaty tsinay.

โ–ซ๏ธ

Aza iavonana fa ankafizo e ! ๐Ÿค—๐Ÿฅฐ๏ธ
Dia mazotoa mihinana matetika !

โ–ซ๏ธ

๐ŸŒฟ ๐‘ญ๐’‚๐’๐’•๐’‚๐’•๐’“๐’‚๐’ ๐’—๐’† ?Mihabetsaka ankehitriny ny fanadihadiana siantifika izay maneho fa tsy vitan'ny ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ถ๐—ฟ๐—ฒ๐—ฟ๐˜† fotsiny ๐Ÿ˜ž ny ol...
26/01/2026

๐ŸŒฟ ๐‘ญ๐’‚๐’๐’•๐’‚๐’•๐’“๐’‚๐’ ๐’—๐’† ?

Mihabetsaka ankehitriny ny fanadihadiana siantifika izay maneho fa tsy vitan'ny ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ถ๐—ฟ๐—ฒ๐—ฟ๐˜† fotsiny ๐Ÿ˜ž ny olona izay mihataka amin'ny fiaraha-monina, fa tena misy fiantrainkany ratsy amin'ny faharanitan'ny sainy โœจ sy miteraka fiovana amin'ny firafitry ny atidohany ๐Ÿง  izany fiatahana izany, na fidiny na tsia.

๐Ÿšฉ ๐—”๐—ป๐˜๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—ธ๐—ผ๐—ธ๐—ผ๐—ฎ noho ny tena taonany ny olona izay manalavitra ny fiaraha-monina, araka ny vokatry ny fandinihana. Manatombo hatramin'ny 30 % ny ๐—ฟ๐—ถ๐˜€๐—พ๐˜‚๐—ฒ ๐—บ๐—ฒ๐˜๐˜† ๐—ต๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐˜€๐—ฎ ๐—ฎ๐—ฑ๐—ฎ๐—น๐—ฎ azy (mahazo aretin-tsaina toy ny Alzheimer), ary ๐—บ๐—ถ๐—ต๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ณ๐—ถ๐—ป๐˜๐—ถ๐—ป๐—ฎ ny faritra sasany ao amin'ny atidohany izay mifandray amin'๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐˜๐—ฎ๐—ฑ๐—ถ๐—ฑ๐—ถ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐˜€๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐—ต๐—ฒ๐˜๐˜€๐—ฒ๐—ต๐—ฎ๐—บ-๐—ฝ๐—ผ.


Ny antony mahatonga izany dia satria miteraka tsindry (stress) maharitra eo amin'ny vatana ny fiatahana amin'ny olona :

๐Ÿ˜ง Lasa be loatra ny cortisol (hormone du stress), ka ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ถ๐—บ๐—ฏ๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐˜๐—ฎ๐—ฑ๐—ถ๐—ฑ๐—ถ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ.
๐Ÿคจ Lasa miangona be ny protรฉines mifandraika amin'ny Alzheimer ka ๐—บ๐—ถ๐—ต๐—ฎ๐—บ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ฟ๐˜† ๐˜€๐—ฎ๐—ถ๐—ป๐—ฎ.
๐Ÿ˜• Tsy ampy fanaitairana ny atidoha noho ny hakelin'ny fifaneraserana amin'ny olona, hany ka mihamarefo ny fifandraisan'ny neurones (toy ny hozatra izay lasa malemy rehefa tsy ampiasaina) ary lasa ๐—บ๐—ถ๐—ต๐—ฒ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ต๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ป๐—ถ๐˜๐—ฎ๐—ป-๐˜๐˜€๐—ฎ๐—ถ๐—ป๐—ฎ.
๐Ÿ˜ข Mety hahatonga dรฉpression sy fikorontanana ihany koa ny fiatahana amin'ny fiaraha-monina, ka mety hanimba ny torimaso, hamparefo ny hery fiarovana, hampiakatra ny tosidrร  ary hahatonga aretim-po.

๐Ÿ€ Tsara marihina fa tsy olana akory raha te-ho irery tsindraindray noho ny antony samihafa. Saingy ny ๐—ณ๐—ถ๐—ฎ๐˜๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—บ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ-๐—บ๐—ผ๐—ป๐—ถ๐—ป๐—ฎ kosa dia manimba ny atidoha.

๐Ÿ‘จโ€๐Ÿ‘จโ€๐Ÿ‘งโ€๐Ÿ‘ฆ ๐—ก๐—ผ๐—ณ๐—ผ๐—ฟ๐—ผ๐—ป๐—ถ๐—ป๐—ฎ ๐—ต๐—ถ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐—ต๐—ฎ๐—ณ๐—ฎ ๐—ถ๐˜€๐—ถ๐—ธ๐—ฎ ๐Ÿค—, ary mila fahanana tsara ny fihetseham-po mba ho salama.

โ–ซ

โœ… Tadidio fa mila ny sakafo sahaza azy daholo ny momba ny tena rehetra :

๐Ÿ”น ๐—ฆ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ๐—ณ๐—ผ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐˜ƒ๐—ฎ๐˜๐—ฎ๐—ป๐—ฎ : hanina, rano, rivotra, masoandro, torimaso, fihetsehana
๐Ÿ”น ๐—ฆ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ๐—ณ๐—ผ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐˜€๐—ฎ๐—ถ๐—ป๐—ฎ : famakiana boky, fahalalana, famoronana, famahana olana, zava-baovao
๐Ÿ”น๏ธ ๐—ฆ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ๐—ณ๐—ผ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐—ต๐—ฒ๐˜๐˜€๐—ฒ๐—ต๐—ฎ๐—บ-๐—ฝ๐—ผ : fifaneraserana, mandray sy manome fitiavana, faneken'ny hafa ny tena, famelan-keloka, hatsarana, fifaliana sy hehy
๐Ÿ”น ๐—ฆ๐—ฎ๐—ธ๐—ฎ๐—ณ๐—ผ๐—ป'๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ต๐˜† : tenin'Andriamanitra, vavaka, asa fanompoana

โ–ซ

โœจ "๐— ๐—ถ๐—ฑ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ ๐—”๐—ป๐—ฎ๐—ผ ๐—ฎ๐—ต๐—ผ ๐—ณ๐—ฎ ๐—ป๐—ฎ๐˜๐—ฎ๐—ผ๐—ป๐—ฎ๐—ผ ๐—ต๐—ผ ๐˜‡๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ-๐—บ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐˜๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐—ป๐—ท๐—ผ๐—ป๐—ฎ ๐˜๐—ผ๐—ธ๐—ผ๐—ฎ..." โœจ๐‘†๐‘Ž๐‘™๐‘Ž๐‘š๐‘œ 139:14Asan'Andriamanitra tena mahatalanjona ny va...
21/01/2026

โœจ "๐— ๐—ถ๐—ฑ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ ๐—”๐—ป๐—ฎ๐—ผ ๐—ฎ๐—ต๐—ผ ๐—ณ๐—ฎ ๐—ป๐—ฎ๐˜๐—ฎ๐—ผ๐—ป๐—ฎ๐—ผ ๐—ต๐—ผ ๐˜‡๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ-๐—บ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐˜๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐—ป๐—ท๐—ผ๐—ป๐—ฎ ๐˜๐—ผ๐—ธ๐—ผ๐—ฎ..." โœจ
๐‘†๐‘Ž๐‘™๐‘Ž๐‘š๐‘œ 139:14

Asan'Andriamanitra tena mahatalanjona ny vatan'ny olombelona. Firy tamintsika tokoa moa no nieritreritra fa :

๐Ÿ’› Rafitra matanjaka misy taolana 206 no miaro ny taova sy manohana ny fihetsika rehetra ao amin'ny vatantsika ?

๐Ÿงก Manodidina ny 72 km ny hozatatitra izay ahafahanโ€™ny vatana mieritreritra, mahatsapa, mihetsika ary mamaly ao anatinโ€™ny milisegondra vitsy ?

โค๏ธ๏ธ Mihoatra ny 95 000 km ny lalan-drร  miasa tsy an-kijanona ao anatiny ao, hitaterana ny oxygรจne sy ny otrikaina ho anโ€™ny sela tsirairay avy ?

Ny vatanao dia โœจ fahagagana โœจ. Ankasitraho isan'andro izany, ary kolokoloy ho salama mandrakariva amin'ny alalan'ny sakafo tsara ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy.

โ–ซ

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when RAPHA Fiโ€ saboana natoraly posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share