19/02/2026
đź”´ Maro ny zaza tratra ny bronchiolite ankehitriny
Inona izany ?
Ny bronchiolite dia areti-mifindra amin’ny taovam-pisefoana, mahazo zaza 1–12 volana.
🔍Inona avy ireo mety ho soritr’aretina?
Kohaka,
sery,
sarotra miaina,
Tsy mazoto minono,
Maneno ny tratra,
mandoa,
mivalana,
mety ho mangana ny molotra.
🩺 Raha miseho ireo soritr’aretina ireo, dia manatona haingana any amin’ny dokotera na hopitaly
🛡ireto no fisorohana ho an’ny Ray aman-dReny :
- Sasao fona tanana
- Manaova arovava orona raha marary
- Avela hiditra masoandro sy rivotra ny efitrano
- Diovy ny akanjo sy kojakoja
⛔️ Aza mitondra zaza any amin’ny toerana be olona
⛔️ Aza manoroka zaza amin’ny vanim-potoana misy épidémie
⛔️ Aza mifoaka sigara eo akaikiny
Hafatra: ataovy mafana tsara ny zaza mba hisorohona izany
📢 Zarazarao, fa mahavonjy aina !