03/06/2026
Nofinofinβny RAD : Dokotera na Mpitsara
Nofinofiko : Piercing Tattoo Artist
Ary ianareo ?
π΄ π‘π¬ π‘π’πππ‘π’πππ‘'π‘π¬ πππ‘ππππ’ ππ ππ‘'π‘π¬ π§ππ‘ππ‘π¬ πππ’ππ
Misy ray aman-dreny maniry ny zanany ho dokotera, ho mpiasam-panjakana, na mpandraharaha satria izany no nofinofiny taloha.
Saingy mety manana talenta sy faniriana hafa tanteraka ilay zanany.
Ny andraikitsika dia tsy ny mamolavola azy ho araka ny endrika tiantsika, fa ny manampy azy hahafantatra hoe iza marina izy, inona no talentany, ary inona no mampifaly azy.
Rehefa ekena sy tohanana amin'ny maha izy azy ny zaza iray dia mitombo ny fahatokisany tena ary sahy manatratra ny nofinofiny izy.
Aza mamorona ny hoavin'ny zanakao araka ny nofinao. Ampio izy hahita ny lalany manokana.
Inona no talenta hitanao miavaka amin'ny zanakao ?
Pejy - Mpanabe Fototra